WFTW Body: 

Ny fepetra fahatelo maha-mpianatra dia ao amin'ny Lioka 14:33 "Ary toy izany koa hianareo rehetra izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro" (mbola fanambarana hentitra ihany).

Inona no dikan'izany raha amin'ny fiainana andavanandro ? Tsy maintsy fantarintsika izany. Midika ve izany fa tokony handeha hitokamonina na hirenireny sy hipetraka any anaty ala isika ka hahafoy ny zavatra rehetra ? Tsia. Atao hoe "fananana" ny zavatra anankiray rehefa ianao no fananan'ilay zavatra. Ny zavatra anankiray dia fananako rehefa mba fananany koa aho. Raha toa ka ny tranoko no fananako dia fikiriko mafy iny satria ahy. Ahy iny, ary noho izany dia azy aho. Fananako iny noho izany dia fananany aho. Mety ho fiara lafo vidy ny fanananao na mety ho tahiry sy petrabola manan-danja be, fanananao ireny noho izany dia fananan'ireny ianao satria any amin'ireny foana no alehan'ny sainao. Tsy any amin'izay zavatra tsy misy vidiny ao an-tokantranonao no alehan'ny sainao fa any amin'ireny fananana tena sarobidy be ireny.

Koa, inona moa no tiany holazaina amin'ny hoe isika dia tsy maintsy "mahafoy izay rehetra ananantsika" raha te ho tonga mpianatry ny Tompo ? Voatery amidiko avokoa ve izay rehetra ananako ? Nisy tovolahy anankiray izay nanatona an'i Jesosy ao amin'ny Marka toko faha-10, izay nasain'i Jesosy nivarotra ny fananany rehetra kanefa tsy ny olona rehetra no nodidian'i Jesosy hanao an'izany. Zakaiosy ohatra ao amin'ny Lioka toko faha-19 dia nilaza fa hafoiny ho an'ny mahantra ny antsasaky ny fananany ary honerany izay zavatr'olona nalainy tain'ny fanambakana, dia nilaza i Jesosy hoe tsara izany. Hoy Jesosy "Anio no tonga eto amin'ity trano ity ny famonjena". Tsy nandidy an'i Zakaiosy Jesosy hahafoy ny fananany rehetra tahaka ilay tovolahy mpanankarena. Tao an-tranon'i Maria sy Marta ary Lazarosy dia tsy nandidy azy ireo Jesosy hahafoy na inona na inona. Koa tsy ny olona rehetra akory no asain'i Jesosy mivarotra ny fananany rehetra.

Ny fitiavam-bola dia mitovy amin'ny aretina homamiadana : ao amin'ny olona sasany dia efa mihanaka be loatra ilay aretina ka lazain'ny mpitsabo fa ny fomba tokana hanasitranana ilay marary dia ny fanesorana tanteraka ny taova manontolo. Mety hoe ny faritra anatin'ilay taova mihitsy no azon'ny homamiadana koa lazain'ny mpitsabo hoe "Tsy misy hevitra intsony. Tsy maintsy esorina ny taova manontolo fa raha tsy izany dia ho faty ianao". Indraindray kosa anefa dia tsy mbola nihanaka loatra ilay aretina ary mila anapahana kely fotsiny ilay taova. Ny fitiavam-bola dia tahaka ny homamiadana. Ny an'ilay tovolahy mpanankarena dia efa nihanaka be loatra ilay aretina ka voatery nilaza ny Tompo hoe "Tsy maintsy amidinao avokoa ny fanananao rehetra ary omenao ny mahantra". Fa indraindray, ohatra tao amin'i Zakaiosy dia kely kokoa ny fihanaky ny aretina. Ary ny an'i Maria sy Marta dia vao mainka kely kokoa. Noho izany dia tsy mitovy ny didy omen'i Jesosy ny olona rehetra. Satria miankina amin'ny hoe hatraiza ny efa simban'ny herin'ny fitiavam-bola ao anatinao. Hatraiza ny fihanaky ny homamiadana eo amin'ny fiainanao. Izany no mamaritra ny hoe hatraiza ny fahafoizana sy fivarotana fananana asain'ny Tompo ataonao.

Ny fahavononana hahafoy fananana dia azontsika hazavaina amin'ny tantaran'i Abrahama sy Isaka. Abrahama dia nanana an'Isaka ho azy irery. Tiany Isaka, ary fananany. Isaka no malalan'ny fony, ary zava-dehibe taminy mihoatra noho ny vadiny aza. Hitan'Andriamanitra fa efa lasa sampy kely tao am-pon'i Abrahama Isaka, ary efa tena lasa andriamanitr'i Abrahama mihitsy izy. Tian'i Abrahama loatra izy, ary tian'Andriamanitra nesorina tamin'izany fanompoan-tsampin'ny fananana an'Isaka izany izy. Koa nasain'Andriamanitra nentin'i Abrahama tany amin'ny tendrombohitra Moria Isaka mba hovonoiny any, ary dia nankatoavin'i Abrahama izany. Nomen'Andriamanitra telo andro izy hisaintsainana mikasika an'izany, ary dia nandeha tongotra nandritra ny telo andro Abrahama mandra-pahatongany tany an-tendrombohitra Moria. Ary rehefa tonga tany Abrahama dia nanao hoe "Eny Tompo, miankohoka mivavaka aminao aho. Hatolotro ho Anao Isaka". Kanefa rehefa naka ny antsy hamonoana an'Isaka izy dia nosakanan'Andriamanitra ary nasain'Andriamanitra nentina nody Isaka. Nanomboka tamin'izay andro izay dia tsy fananan'i Abrahama intsony Isaka, na dia teo anatrehany aza izy. Isaka dia mbola tao an-tokantranony foana, mbola zanany foana, kanefa tsy nataony fananana intsony Isaka, ary izany dia sary anankiray mahafinaritra hanazavana ny dikan'ny hoe mahafoy ny fananantsika.

Eritrereto hoe inona avy ireo zavatra tena sarobidy indrindra aminao (zavatry ny tany, zavatra ara-nofo) eo amin'ny fiainanao. Inona avy ireo zavatra sarobidy aminao, izay tena sarobidy dia sarobidy tokoa aminao ? Angamba tokony hanao lisitra ianao. Ireny no fanananao ary tsy maintsy tsorinao izany raha te ho mpianatry ny Tompo marina ianao. Tsy maintsy mitsotra ny marina ianao hoe inona aminao tokoa moa ireo fanananao ireo, ary rehefa avy eo dia tsy maintsy manapa-kevitra ianao na vonona na tsy vonona hifikitra amin'ireo zavatra ireo.

Fantatrao fa atao hoe fanananao ny zavatra anankiray rehefa fikirinao mafy. Ohatra, raha fikiriko mafy eto an-tanako ity penina ity dia ataoko fananana izy izay. Mety hoe ny tranonao izany, mety ny volanao any amin'ny banky, na ny petra-bolanao. Manan-javatra aho rehefa eo am-pelatanako ilay izy ary sokafako ny tanako. Mbola eo foana ilay izy, tsy nomenao olon-kafa akory, fa amin'izay kosa ianao dia hiteny hoe "Tompo o, manaiky aho fa ahy ity zavatra ity. Anao ity zavatra ity. Efa nomenao ahy izy ary mpitandrina fananana aho. Tiako hampiasaina amin'ny fahatokiana izy ity, fa tsy hataoko fananana. Tsy fananan'io aho. Eo am-pelatanako io ary isaorako Anao tamin'ny namelanao azy ho eto am-pelatanako".

Izany no maha-samy hafa ny hoe manao ny zavatra anankiray ho fananana sy ny manana ilay zavatra eo am-pelatanana. Ary Jesosy dia miteny hoe tsy maintsy mahafoy ny fananako rehetra aho. Mety mbola misy zavatra marobe apetraky ny Tompo eo am-pelatanako ary azoko ampiasaina, kanefa tsy fananako intsony ireny.

Izany no fepetra fahatelo takiana amin'ny maha-mpianatra. Tsy maintsy tia an'i Jesosy mihoatra noho ny zavatry ny tany rehetra aho.