WFTW Body: 

Ao amin'ny teny faminaniana milaza an'i Jesosy Tompo ao amin'ny Isaia 50:4 no amakiantsika hoe "Ampandrenesiny (ampandrenesin'ny Ray) isa-maraina isa-maraina (Jesosy), eny, ampandrenesiny ny sofiko hihaino tahaka ny efa mahay". Izany no nataon'i Jesosy fahazarana. Nihaino ny feon'ny Rainy Izy raha vao maraina sy nandritra ny tontolo andro, ary nataony an-tsakany sy an-davany izay nandidian'ny Ray Azy. Tsy nifampidinika tamin'ny olona Izy hanapahany hevitra ny amin'izay zavatra tokony hataony, fa nanana fotoam-bavaka niaraka tamin'ny Rainy Izy. Ny kristiana ara-nofo dia manao planina avy amin'ny fifampidinihany amin'ny olona. Ny kristiana ara-panahy miandry izay lazain'Andriamanitra.

Nomen'i Jesosy laharam-pahamehana ny vavaka teo amin'ny fiainany. Matetika izy no nikisaka nankany an-tany efitra mba hivavaka (Lioka 5:16). Indray mandeha Izy dia naharitra nivavaka nandritra ny alina mba hamantarany ny sitrapon'ny Rainy nikasika ny fifidianana ireo mpianatra roambinifolo (Lioka 6:12,13). Ny kristiana ara-nofo dia mihevitra fa ny fotoana lany amin'ny fiandrasana an'Andriamanitra dia fotoana very ary ny vavaka ataony dia mba hanamaivana ny feon'ny fieritreretany fotsiny. Ny vavaka dia tsy zavatra tena ilaina tsy misy ohatr'izany eo amin'ny fiainan'ny kristiana ara-nofo satria matoky ny tenany izy. Ny olona ara-panahy kosa dia miankina mandrakariva amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra, ary noho izany izy dia voasarika ho any amin'ny vavaka, satria ilainy mafy dia mafy izany.

Jesosy dia nivelona tamin'ny Rainy (Jaona 6:57). Lehibe lavitra noho ny hanina ny Tenin'Andriamanitra (Matio 4:4) tamin'i Jesosy. Tsy maintsy nandray Teny mivantana avy tamihn'ny Ray imbetsaka Izy tao anatin'ny iray andro. Rehefa voarainy ny Teny dia nankatoaviny. Ny fankatoavana koa dia tena ambony kokoa taminy noho ny hanina (Jaona 4:34). Jesosy dia niaina tamin'ny fianteherana tanteraka tamin'ny Ray. Ny fomba fanaony nandritra ny andro dia izao : "Mitenena, Ray o, fa mihaino Aho".

Eritrereto ange tamin'ny nandroahany ireo mpanakalo vola hiala tao an-tempoly. Imbetsaka mihitsy i Jesosy no efa tafaraka tamin'ireo mpanakalo vola ireo tao an-tempoly nefa tsy nandroaka azy Izy. Fa rehefa ny Rainy no nandidy Azy dia noroahiny ireo. Ny kristiana ara-nofo dia mandroaka tsy tapaka ny mpanakalo vola na koa tsy mandroaka azy ireny mihitsy. Fa ny olona tarihin'Andriamanitra kosa dia mahafantatra ny fotoana sy ny toerana ary ny zavatra tokony atao.

Misy zavatra tsara marobe azon'i Jesosy natao kanefa tsy nataony mihitsy satria teny ivelan'ny valan'ny sitrapon'ny Rainy ho an'i Jesosy ireny. Izay zavatra tsara indrindra foana no nataon'i Jesosy. Ary ampy Azy izany. Tsy hanao zavatra tsara maro isan-karazany no nahatongavan'i Jesosy tety an-tany fa hanao ny sitrapon'ny Rainy.

"Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy ho eto amin'ny raharahan'ny Raiko Aho". Izany no fanontaniana napetrany tamin'i Josefa sy Maria tamin'ny faha-roambinifolo taonany (Lioka 2:49). Ny raharahan'ny Rainy ihany no zavatra nahamay Azy hotanterahina. Rehefa nahafeno ireo 33 taona sy tapany teto an-tany Izy dia afaka niteny tamin'ny fahafaham-po tanteraka hoe "Ray o, vitako ny asa NOMENAO Ahy hataoko" (Jaona 17:4).

Tsy nitety an'izao tontolo izao Izy, tsy nanoratra boky na iray aza Izy, vitsy ny isan'ny mpianany, mbola nisy olona maro nila vonjy tany amin'ny faritra betsaka nanerana izao tontolo izao, sy ny sisa, kanefa vitan'i Jesosy ny asa notendren'ny Ray ho Azy. Ary izay dia izay ihany koa moa no mikaonty amin'ny farany.

Jesosy dia mpanompon'i Jehovah Tompo. Ary ny zava-dehibe indrindra ho an'ny mpanompo dia izao : tsy manao afa-tsy izay ampanaovin'ny tompony azy" (1Korintiana 4:2 - Baiboly The Living). Nandany ny androm-piainany nihaino ny Rainy Izy ary izany no nahatanterahany ny sitrapon'ny Rainy rehetra, tsy notanterahiny tao anatin'ny fahatrotrahana be na fisavoritahana. Novonoiny ho faty ny tombontsoan'ny tenany manokana. Tsy olona ara-nofo Izy. Olona ara-panahy Izy.