WFTW Body: 

"Izy no nihavian'izao zavatra rehetra izao" (Romana 11:36). Lazain'i Jesosy fa an'ny malahelo am-panahy ny fanjakan'ny lanitra (Matio 5:3). Nilaza ihany koa Izy fa izay manao ny sitrapon'ny Ray Izay any an-danitra ihany no hiditra amin'ny fanjakan'ny lanitra (Matio 7:21). Ny fanjakan'ny lanitra dia fanjakana mandrakizay ary izay zavatra natao tao anatin'ny sitrapon'Andriamanitra ihany no ho hita ao. Ny malahelo am-panahy dia ireo olona mahatsapa fa tsy mahavita tena ka manaiky tanteraka ny sitrapon'Andriamanitra. Amin'izay lafiny izay dia nalahelo am-panahy mandrakariva i Jesosy.

Jesosy dia nivelona araka izay nikasan'Andriamanitra hiveloman'ny olombelona, izany hoe tamin'ny fianteherana mandrakariva tamin'Andriamanitra ka tsy nety nampiasa ny herin'ny sainy Izy raha tsy niaraka tamin'Andriamanitra. Diniho ireto teniny ireto : "Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona… Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona… Ary tsy manao na inona na inona ho Ahy Aho fa araka ny nampianaran'ny Raiko Ahy … Fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy … Satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko … Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany, fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa" (Jaona 5:19,30 ; 8:28,42 ; 12:49 ; 14:10).

Jesosy dia tsy mba nanao zavatra satria hitany hoe ilaina ny fanaovana izany. Nahita ny filàn'ny olona vonjy Izy, nosaintsaininy izany kanefa tsy nanao na inona na inona Izy raha tsy ny Rainy no nampanao Azy. Niandry farafahakeliny efatra arivo taona Izy tany an-danitra kanefa nandritra izany dia nila Mpamonjy mafy izao tontolo izao ary avy eo dia nidina tety an-tany Izy rehefa naniraka Azy ny Rainy (Jaona 8:42). "Fa rehefa tonga ny fotoan'andro, ny fotoana izay nofidin'Andriamanitra, dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany" (Galatiana 4:4). Nanendry andro sy fotoana ho an'ny zavatra rehetra Andriamanitra (Mpitoriteny 3:1). Andriamanitra irery ihany no mahafantatra izany fotoana izany koa tsy ho diso lalana isika raha mitady ny sitrapon'ny Ray amin'ny zavatra rehetra, tahaka an'i Jesosy. Ary rehefa tonga tety an-tany Jesosy dia tsy nilaozany nandehandeha nanao izay zavatra heveriny fa tokony hatao. Na dia nadio tanteraka aza ny sainy dia tsy mba nanao zavatra mihitsy Izy rehefa nisy hevitra tsara be tonga tao an-tsainy. Tsia. Nataony mpanompon'ny Fanahy Masina ny sainy.

Na dia nahay tsara ny Soratra Masina aza Izy tamin'ny faha-12 taonany dia mbola nitohy nanao ny asa fandrafetana ihany Izy nandritra ny valo ambinifolo taona, niara-nipetraka tamin'ny reniny, nanamboatra latabatra sy seza sy ny sisa. Na dia nanana ny toriteny nilain'ny olona maty fanahy nanodidina Azy aza Izy dia tsy nivoaka nitory teny. Inona ny antony ? Satria tsy mbola tonga ny fotoana voatendrin'ny Ray.

Tsy natahotra ny hiandry i Jesosy. "Tsy mba ho taitra (ho maika) izay mino" (Isaia 28:16). Ary rehefa tonga ny fotoanan'ny Rainy dia nilaozany ny trano fandrafetana ary nanomboka nitoriteny Izy. Matetika taty aoriana rehefa nisy zavatra tian'ny olona nataony dia nilaza Izy hoe "Tsy mbola tonga ny fotoako" (Jaona 2:4; 7:6). Ny zavatra rehetra teo amin'ny fiainan'i Jesosy dia nofehezin'ny fotoanan'ny Ray sy ny sitrapon'ny Ray. Raha ny filam-bonjin'ny olona fotsiny dia tsy antso tokony novaliana tamin'i Jesosy. Satria tahaka ny hoe manao zavatra amin'ny sitrapon'ny tenany izany, izany hoe avy ao anatin'ny fanahiny. Marina fa tokony heverina ny famonjena ny olona kanefa ny sitrapon'Andriamnaitra no tokony hatao. Nohazavain'i Jesosy tsara izany ao amin'ny Jaona 4:34,35. Filàna famonjena (and 35) : "Atopazy ny masonareo ka jereo fa saha midadasika feno fanahin'ny olona no manodidina antsika izay efa masaka sahady hojinjaina... " Fitsipiky ny fanaovan-javatra (and 34) : "Ny haniko dia azoko avy amin'ny fanaovana ny sitrapon'Izay naniraka Ahy sy ny fahavitana ny asany". Tsy nanao zavatra tsara marobe araka ny tolo-tsain'ny namany Jesosy satria fantany fa raha ny olona no henoiny hanaovany izay heveriny fa toa tsara dia tsy ho azony ny tsara indrindra efa nomanin'Andriamanitra ho Azy.

Indray mandeha rehefa niangavy an'i Jesosy ny olona hijanona teo amin'ny toerana anankiray dia nilaza Izy fa tsy afaka manao izany satria efa nandre ny feon'ny Rainy Izy izay niantso Azy handeha any an-toeran-kafa. Raha amin'ny maha-olombelona dia maro ny antony tsara tokony nijanonany teo amin'io toerana nisy Azy io satria tena nanoina tsara ny toritenin'i Jesosy tamin'ny fomba tsy nampoizina ny olona tao. Kanefa ny fihevitr'Andriamanitra tsy fihevitsika, ary ny làlan'Andriamanitra tsy làlantsika (Isaia 55:8). Ny marainan'io andro io dia nandeha nitokana nivavaka i Jesosy ary nandre ny feon'ny Rainy (Marka 1:35-39) Izy talohan'ny nandrenesany ny sosokevitr'i Petera sy ny namany. Tsy niantehitra tamin'ny fisainan'olombelona i Jesosy. Nankato ilay Tenin'Andriamanitra Izy hoe "Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra fa aza miankina amin'ny fahalalanao. Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, fa Izy handamina ny làlanao" (Ohabolana 3:5,6). Niankina tamin'ny Rainy foana Izy hahazoany torolalana tamin'ny zavatra rehetra. Izao no vakiantsika ao amin'ny faminaniana anankiray momba an'i Jesosy Tompo ao amin'ny Isaia 50:4 "Ampandrenesiny (ampandrenesin'ny Ray) isa-maraina isa-maraina, eny ampandrenesiny ny sofiko (fisainako) hamantatra ny sitrapony". Izany no fahazarana nananan'i Jesosy. Nihaino ny feon'ny Rainy Izy nanomboka tamin'ny maraina be ka nandritra ny andro manontolo ary notontosainy antsakany sy andavany izay nasain'ny Rainy nataony. Tsy nifanakalo hevitra tamin'ny olona Izy mba hanapa-kevitra ny amin'izay hatao fa nanana fivoriam-bavaka niaraka tamin'ny Rainy foana Izy. Ny kristiana ara-nofo no manao planina araka ny fifanakalozan-kevitra amin'ny olona. Ny kristiana ara-panahy miandry mba handre an'Andriamanitra.

Nivelona teo anatrehan'ny Rainy i Jesosy (Jaona 6:57). Ho an'i Jesosy dia ambony lavitra noho ny hanina ny Tenin'Andriamanitra (Matio 4:4). Tsy maintsy nandray an'izany imbetsaka isan'andro ary nivantana avy tamin'ny Ray Izy. Rehefa voarainy izany dia nankatoaviny. Ny fankatoavana koa dia ambony kokoa taminy noho ny haniny isan'andro (Jaona 4:34). Nivelona tamin'ny fianteherana ny Ray i Jesosy. Izao no toe-tsainy nandritra ny tontolo andro "Mitenena Ray ô fa mihaino Aho". Raisintsika ohatra ny nandroahany an'ireo mpanakalo vola teo an-kianjan'ny tempoly. Azo antoka fa efa nisy fotoana betsaka tao an-tempoly niarahan'i Jesosy tamin'ireo mpanakalo vola ireo kanefa tsy nandroaka azy Izy. Fa noroahiny ireo rehefa notarihin'ny Rainy hanao izany Izy. Aleon'ny kristiana ara-nofo mandroaka tsy tapaka ny mpanakalo vola na hoe tsy mandroaka ireny mihitsy. Ny olona tarihin'Andriamanitra kosa dia mahalala ny fotoana sy ny toerana ary ny fomba tokony hanaovana zavatra. Be dia be ny zavatra tsara azon'i Jesosy natao kanefa tsy nataony mihitsy satria tany ivelan'ny sitrapon'Andriamanitra. Ny zavatra tsara indrindra foana no nezahiny mafy. Ary ireny ihany dia ampy Azy. Tsy tonga tety an-tany Izy mba hanao zavatra tsara fa mba hanao ny sitrapon'ny Rainy.

"Tsy fantatrareo va fa tsy maintsy eto amin'ny raharahan'ny Raiko Aho ?" hoy ny fanontaniany tamin'i Josefa sy Maria tamin'Izy roambinifolo taona (Lioka 2:49). Ireo zavatra ireo ihany no nezahiny mafy hotanterahina. Rehefa tapitra ny 33 taona sy tapany teto an-tany dia afa-po tanteraka Izy ary afaka nilaza hoe "Ray ô vitako ny asa NOMENAO Ahy hataoko" (Jaona 17:4). Tsy nandeha nitety an'izao tontolo izao Izy, tsy nanoratra boky Izy na anankiray aza, vitsy dia vitsy ireo nanara-dia Azy, mbola marobe ny olona nila famonjena tany amin'ny faritra maro teto amin'izao tontolo izao sy ny sisa…. Kanefa vitany ny asa izay notendren'ny Ray hataony. Io asa tokana io ary io ihany no mikaonty amin'ny farany.

(Mbola hitohy)