WFTW Body: 

Ny fomba anankiray hanorotoroan'Andriamanitra ny herintsika sy ny avonavontsika dia ny fanitsiany antsika amin'ny alalan'ireo mpitondra antsika. Saika ny mpino rehetra no mahatsapa fa tena sarotra tokoa izany iharan'ny fanitsiana. Tsy mora ho an'ny zazakely roa taona ny mahazo famaizana, indrindra raha eny imason'olona.

Oviana ny farany nanekenao am-pifaliana ny famaizana azo teny imason'olona ? Mba efa nisy ve izany na dia indray mandeha aza teo amin'ny fiainanao ? Raha tsia, dia tsy mahagaga raha tsy manana fahefana ara-panahy ianao.

Izao ny fahasamihafana lehibe teo amin'i Petera sy Jodasy Iskariota. Rehefa niteniteny foana tamin'ny Tompo i Petera mba hiala amin'ny lalan'ny hazo fijaliana, dia notenin'ny Tompo mafy izy hoe "Mankanesa ato ivohoko ry Satana". Izany no fananarana mafy indrindra nomen'i Jesosy olona. Na dia ireo Fariseo aza dia nantsoina fotsiny hoe "menarana". Kanefa i Petera dia nantsoina hoe "Satana". Ny fananarana mafy indrindra nataon'i Jesosy dia natokany ho an'ireo olona akaiky azy indrindra . Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko (Apokalipsy 3:19)

Fotoana fohy taorian'izany, rehefa tafintohina tamin'ny fampianarana nataon'ny Tompo ny mpianatra maro ka nandao Azy dia nanontany ny Mpianany ny Tompo raha te handao Azy koa izy ireo. Dia i Petera no namaly hoe : "Tompo ô, hankany amin'iza moa izahay ? Hianao no manana ny tenin'ny fiainana mandrakizay" (Jaona 6:60, 66-68). Inona moa izany tenin'ny fiainana mandrakizay avy norenesin'i Petera izany ? "Mankanesa ato ivohoko ry Satana"!

Moa ve ny teny fananarana mba raisintsika ho teny natao hitondrana antsika any amin'ny fiainana mandrakizay ?

Tahaka izany no nandraisan'i Petera ny fananarana ary izany no nahatongavany amin'ny maha-Petera azy.

Mbola nisy fotoana anankiray koa izay naneken'i Petera ny fananaran'ny Tompo. Tamin'ny sakafo hariva farany dia nilaza tamin'ny Tompo i Petera fa na dia handà Azy avokoa aza ny mpianatra rehetra dia izy tsy mba handà. Teo no ho eo ihany ny Tompo dia namaly fa handà Azy intelo i Petera ao anatin'ny 12 ora. Kanefa tsy tafintohina tamin'izany valin-tenin'i Jesosy izany i Petera. Izany lehilahy izany no nalain'ny Tompo tamin'ny farany ka nataony lohan'ny apôstôly sy mpitondra teniny tamin'ny andro pentekosta.

Noho i Petera nanetry tena teo ambany fananarana dia nanandratra azy Andriamanitra. Rehefa avy nianatra avy tamin'ny zavatra niainany i Petera dia mananatra antsika rehetra izy izao ao amin'ny 1 Petera 5:5 mba hanetry tena mandrakariva. Tsy ho fatiantoka na oviana na oviana isika raha manetry tena. Indray andro any dia hanandratra antsika Andriamanitra.

Nifanohitra tamin'izany fihetsik'i Petera nanoloana ny fananarana izany dia jereo kosa indray ny fihetsik'i Jodasy Iskariota rehefa nanarina. Rehefa nisy vehivavy anankiray nanosotra menaka manitra lafovidy an'i Jesosy, dia nilaza i Jodasy fa fandaniambola tsy tokony nataony izany satria vola tokony nozaraina ho an'ny mahantra (Jaona 12:25, Matio 26:10-13). Nanarin'i Jesosy moramora i Jodasy hoe avelao izy aza mampalahelo azy fa asa soa no nataon-dravehivavy tamiko. Kanefa tafintohina i Jodasy.

Ao amin'ny andininy manarakaraka an'io mihitsy (Matio 26:14) no amakiantsika fa nankao amin'ny lohan'ny mpisorona teo no ho eo ihany i Jodasy ary nanaiky hamadika an'i Jesosy. Ny elanelam-potoana nisehoan'izany dia tena misy dikany manokana. Narary fo mafy i Jodasy satria nanarin'i Jesosy teo imason'olona.

Ny hany nolazain'i Jesosy tamin'i Jodasy dia hoe diso ny fanombananao ny zavatra nataon-dravehivavy. Kanefa izay fotsiny dia ampy nahatezitra azy. Rehefa mbola tsy torotoro ianao, zavatra madinika kely anankiray dia ampy hanafintohina anao.

Kanefa jereo ny vokatra mandrakizay nateraky ny fihetsik'i Jodasy. Ary jereo ny valiny mandrakizay nateraky ny fihetsik'i Petera. Izy roa lahy dia samy nosedraina tamin'ny fananarana, ny anankiray lavo fa ny anankiray kosa tafita.

Amin'izao andro izao dia sedraina tahaka izany koa isika.

Raha toa ka manafintohina antsika ny fananarana eny imason'olona, ampy izany hanaporofoana fa mitady voninahitra avy amin'olona isika. Raha izany no izy, dia tsara ny hamantarantsika an'izany dieny izao, mba hahafahantsika manadio tena amin'ny fitadiavam-boninahitra. Mety havelan'Andriamanitra hitranga eo amin'ny fiainantsika ny toe-javatra tahaka izany mba hampisehoany amintsika fa andevon'ny tahotra vavan'olona isika. Dia afaka manadio tena amin'izay isika mba ho afaka amin'izany.

Koa aoka isika hanana toe-tsaina mitovy amin'ny an'i Petera mikasika ny fananarana amin'ny fotoana rehetra, na manitsy antsika mivantana amin'ny alalan'ny Fanahiny Masina ny Tompo na manitsy antsika amin'ny alalan'ny olona. Izany no lalana mankany amin'ny fiainana mandrakizay ho antsika rehetra. Raha manetry tena isika dia handray fahasoavana avy amin'Andriamanitra ary hanandratra antsika amin'ny fotoana mety Izy.