WFTW Body: 

Matetika dia ampitahaina amin'ny ondry ny olona. Ny ondry anefa dia mirona manaraka ambokony ny besinimaro. Jesosy kosa dia tonga mba hampianatra antsika handinika ny zavatra rehetra amin'ny fahazavan'ny Tenin'Andriamanitra. Ny Fariseo dia nanandratra ny fomba fanaon'ny razana. Jesosy kosa nanandratra ny Tenin'Andriamanitra. Tsy maintsy mivelona amin'ny tenin'Andriamanitra rehetra isika ary mandà ny fomba fanao rehetra manohitra ny Tenin'Andriamanitra (Matio 4:4).

Nisy fifanoherana tsy tapaka teo amin'i Jesosy sy ny Fariseo nikasika ny fifanoherana nisy hatry ny elabe teo amin'ny Tenin'Andriamanitra sy ny fomba fanaon'ny olona . Ao am-piangonana dia tratran'izany fifanoherana izany koa isika ankehitriny. Ny Tenin'Andriamanitra irery ihany no fahazavan'ny lanitra ho antsika ety an-tany. Ary rehefa avy namorona ny mazava Andriamanitra dia nampisarahiny avy hatrany tamin'ny maizina izany. Ny maizina dia ny fahotana sy ny fomba fanaon'ny razana. Koa tsy maintsy ampisarahintsika amin'ny fahotana sy ny fanaon'ny razana ny Tenin'Andriamanitra madio mba tsy hisy fifangaroana ao am-piangonana.

Krisimasy

Hojerentsika ny krisimasy izay ankalazain'ny maro hoe fitsingerenan'ny andro nahaterahan'i Jesosy Kristy. Tsy andrin'ny mpivarotra avy amin'ny karazam-pivavahana isan-karazany izay ahatongavan'ny Krisimasy satria fotoana mampandeha be ny varotra izany. Fety ho an'ny varotra io, fa tsy fety ho an'ny fanahy. Vola an'apitrisany maro no lanian'ny olona amin'ny firariantsoa sy ny fanomezana. Mitombo koa ny fivarotana zava-pisotro mahamamo amin'io vanim-potoana io.

Tena fitsingerenan'ny andro nahaterahan'ilay Zanak'Andriamanitra tokoa ve io sa andro nahaterahan'ny "Jesosy anankiray hafa" ?

Andeha hodinihintsika aloha ny Tenin'Andriamanitra. Lazain'ny Baiboly fa nisy mpiandry ondry tany Jodia nitandrina ny ondriny tany an-tsaha tamin'ny alina nahaterahan'i Jesosy tao Betlehema (Lioka 2:7-14). Ny mpiandry ondry tany Isiraely dia tsy niandry ny ondriny tany an-tsaha tamin'ny alina mihitsy teo anelanelan'ny volana oktobra sy ny volana febroary satria sady manorana no mangatsiaka ny andro. Koa ilay Jesosy tena izy dia tsy maintsy teraka teo anelanelan'ny volana marsa sy ny volana septambra. Ny faha-25 n'ny volana desambra izany dia azo antoka fa andro nahaterahan'ny "Jesosy anankiray hafa" izay natsipin'ireo olona tsy niova fo tao amin'ilay fivavahana kristiana tsy nanampo na inona na inona!

Ankoatr'izany na atao aza hoe fantatsika ny daty marina nahaterahan'i Jesosy dia mbola mipetraka ihany ny fanontaniana : tian'Andriamanitra hankalazain'ny Fiangonany ve izany? Maria renin'i Jesosy dia azo antoka fa nahafantatra ny daty nahaterahan'i Jesosy. Ary taorian'ny andro pentekosta dia niaraka tamin'ireo apostoly foana izy nandritra ny taona maro. Kanefa tsy nisy firesahana ny andro nahaterahan'i Jesosy na aiza na aiza. Inona no dikan'izany ? Tsotra fotsiny, Andriamanitra mihitsy no ninia nanafina ny daty nahaterahan'i Jesosy satria tsy tiany hankalaza an'izany ny fiangonana. Tsy olombelona mety maty Jesosy ka tokony ankalazaina isan-taona ny fitsingerenan'ny andro nahaterahany. Jesosy dia Zanak'Andriamanitra "tsy manana voalohan'andro", fa tsy tahaka antsika (Hebreo 7:3). Tian'Andriamanitra ankalazaintsika isan'andro isan'andro ny fahaterahan'i Jesosy, ny fahafatesany, ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiakarany fa tsy indray mandeha isan-taona.

Ny fahafantarantsika ny tsi-fitovian'ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao koa dia hahaizantsika mamantatra ny antony tsy itiavan'Andriamanitra ny zanany hankalaza "andro masina". Tao ambanin'ny fanekena taloha dia nodidiana ny zanak'Isiraely hankalaza ny andro sasany ho andro masina. Tandindona ihany anefa izany. Ankehitriny efa tonga Kristy koa ny sitrapon'Andriamanitra dia mba ho andro masina avokoa ny androm-piainantsika rehetra. Na dia ny andro sabata isan-kerinandro aza dia efa nofoanana tao amin'ny fanekena vaovao. Izany no antony tsy anononana andro masina mihitsy ao amin'ny Testamenta vaovao (Kolosiana 2:16-17).

Ahoana àry no nitsofohan'ny krisimasy tao amin'ny fivavahana kristiana ? Ny valiny dia izao : mitovy amin'ny fomba nitsofohan'ny batisan-jaza, ny fahafolon-karena, ny fisoronana, ny fanaramana pastera sy ny fomba amam-panao maro tao amin'ny testamenta taloha. Izany hoe tamin'ny hafetsena nataon'i Satana sy ireo olona tsy niova fo.

Rehefa nataon'ny emperora Constanin ho fivavahan'ny fanjakana Romana ny fivavahana kristiana tamin'ny taon-jato faha-4 dia marobe ny olona no lasa kristiana, saingy naka ny 'anarana' hoe kristiana fotsiny fa tsy tena niova fo. Koa tsy foin'izy ireo navela ireo fety lehibe anankiroa fanaony isan-taona, izay nifanaraka tamin'ny fivavahany tamin'ny masoandro. Ny iray dia fitsingerenan'ny andro nahaterahan'ny masoandro andriamaniny dia ny 25 desambra rehefa nanomboka niverina (solstice d'hiver) avy any amin'ny ila bolantany (hémisphère) atsimo ny masoandro . Ny faharoa dia ny fetin'ny lohataona izay nankalazainy amin'ny volana Marsa na aprily, rehefa nankalaza ny fahafatesan'ny ririnina izy sy ny fahaterahan'ny fahavaratra sy ny hafanana nentin'ny masoandro nivavahany. Dia novainy ho "Jesosy "ny anaran'ny masoandrony ary notohizany soa aman-tsara ny fankalazana ireo fetiny lehibe anankiroa ireo izay efa lasa fety kristiana amin'ny anarana hoe krisimasy sy paska !

Ny fombafomba krisimasy amin'izao andro izao dia efa nivoatra hatramin'ny vanim-potoana nialoha ny kristianisma taty Eorôpa, izany hoe fombafombam-pivavahana tamin'ny andriamani-tsi-izy izay nampifangaroana tamin'ny lovantsofina sy ny fomban-drazana. Mbola tsy nisy afaka nanome valiny mahafapo mikasika ny daty sy ny taona nahaterahan'i Kristy, kanefa rehefa nanendry ny daty hankalazana ireo hetsika ireo ny rain'ny fiangonana tamin'ny taona 440 dia nifidy ny andron'ny solstice d'hiver izy izay daty efa raikitra tao an-tsain'ny olona tamin'izany andro izany sady andro firavoravoana lehibe ho azy ireo.

Rehefa niparitaka nanerana ny tanin'ny jentilisa ny fivavahana kristiana dia nanomboka nikambana tamin'ny fomba fanao amin'ny fankalazana ny solstice d'hiver ny fomba fanao kristiana.

Ny Encyclopédie Brittanica (mamam-pahaizana manokana momba ny tantara tsy ara-pivavahana) dia nanao izao fanambarana izao mikasika ny niandohan'ny krisimasy :

"Ny fetin'ny Saturnalia nankalazain'ny romana fahiny no mifandray akaiky indrindra amin'ny fankalazana ny krisimasy amin'izao andro izao. Ity fety ity dia natao tamin'ny fotoanan'ny solstice d'hiver ary nanamarihana ny faran'ny fotoam-pambolena. Nasiana ny kilalao, ny fety ary ny fifanolorana fanomezana nandritra ny andro maromaro ary naato avokoa ny asa aman-draharaha mba hanamarihana izany firavoravoana malaza izany. Rehefa nifarana ny fety dia nahazatra ny olona ny manolotra fanomezana labozia, voankazo ary sary sikotra kely vita tamin'ny savoka. Ny Saturnalia dia nisy fiantraikany mivantana tamin'ny fankalazana ny krisimasy sy ny taom-baovao. Ny fankalazana ny krisimasy amin'ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'ny Masoandro Tsiresy, izay fety romana hafa koa, dia nampifandray ny krisimasy tamin'ny masoandro sy nampifandray azy tamin'ny taombaovao romana, izay nandravahana ny trano tamin'ny zava-maitso sy ny fanala ary nanolorana fanomezana ho an'ny ankizy sy ny mahantra".

(https://www.britannica.com/topic/Winter-Holidays)

Ireo fombafomban'ny andriamani-tsi-izy ireo dia nipoitra avy tamin'ny fivavahana babyloniana natombok'i Nimroda (Jereo Genesisy 10:8-10). Ny lovantsofina dia milaza fa rehefa maty Nimroda ary nanan-janaka tamin'ny lehilahy hafa i Semiramis vadiny dia nolazainy hoe velona indray Nirmoda ary io zaza io izany. Tahaka izany no niantombohan'ny fivavahana tamin'ny reny sy ny zaza, izay nadikan'ireo kristiana hoe 'Maria sy Jesosy' taon-jato maro taty aoriana.

Ny fitsingerenan'ny andro nahaterahan'io zaza nivavahany io dia nankalazain'ny babyloniana fahiny ny 25 desambra. Semiramis dia mpanjakavavin'ny lanitra (Jeremia 44:19), izay nivavahana taon-jato maro taty aoriana tany Efesosy tamin'ny anarana hoe Diana sy Artemisy (Asa 19:28).

Nilaza Semiramis fa nisy fotokazo maina anankiray izay naniry ka tonga hazo nandravina lehibe tao anatin'ny indray alina fotsiny. Sarin'ny fahaveloman'i Nimroda indray izany sy fanomezana avy any an-danitra ho an'ny olombelona. Tahaka izany no nanombohan'ny fikapana hazo sapin sy fanantonana fanomezana eo amboniny. Ary izany no niandohan'ny hazo noely !

Tenin'Andriamanitra sa fomba fanaon'ny olona ?

Ao ambadiky ny fankalazana ny krisimasy dia misy fitsipika mampididoza kokoa dia ny fanarahana ny fomba fanaon'ny olona na dia tsy mifototra amin'ny Tenin'Andriamanitra aza izany. Mahery loatra ny herin'io fomba fanao io ka maro ny mpino na dia manaraka ny Soratra Masina amin'ny lafiny hafa aza no mbola tsy mahafoy ny fankalazana ny krisimasy.

Mahavariana ny mahita mpino marobe tsy vonona ny hanaiky izay zavatra nazava tsara tamin'ireo mpanoratra laika (tahaka ireo mpanoratra ny Encyclopaedia Brittanica voalaza etsy ambony) hoe ny krisimasy dia tsy inona fa fetin'ny andriamani-tsi-izy.

Ny fanovana ny anarany dia tsy mahatonga azy ho fety kristiana !

Efa nolazaintsika tany am-piandohana fa Jesosy dia nifanditra tsy tapaka tamin'ny Fariseo nikasika ity resaka anankiray ity : ny fomba fanaon'ny olona mifanohitra amin'ny Tenin'Andriamanitra. Nahazo fanoherana mafy kokoa aza Jesosy tamin'ny nanoherany ireo "fampianarana voatolotry ny razana" tsy nisy dikany noho ny tamin'ny nanoherany ny fahotana. Izany koa no hihatra amintsika raha mahatoky tahaka an'i Jesosy isika.

Ny Tenin'Andriamanitra irery ihany no mpitari-dalana antsika, fa tsy ny olona na dia mpivavaka aza raha tsy manaraka ny Tenin'Andriamanitra izy. "Aoka Andriamanitra no ho marina fa ny olona rehetra kosa ho mpandainga" (Romana 3:4). Ny mponina tany Beria dia nandinika ny Soratra Masina ary namantatra na marina na tsia ny fampianaran'i Paoly, koa noderain'ny Fanahy Masina izy ireo noho izany (Asa 17:11). Modely tsara tokony harahintsika rehetra izany.

Davida dia lehilahy araka ny fon'Andriamanitra. Kanefa nandritra ny efapolo taona dia navelany nivavaka tamin'ny menarana varahina nataon'i Mosesy ny zanak'Isiraely noho ny tsi-fahafantarany fa fahavetavetana tamin'Andriamanitra izany.

Tsy nahazo fahazavan-tsaina nikasika an'izany fanompoan-tsampy niharihary be izany izy. Hezekia izay mpanjaka latsa-danja lavitra noho izy no nanondro sy nandrava izany fanompoantsampy izany (2Mpanjaka 18:1-4). Azontsika atao ny manaraka ny dian'ny olon'Andriamanitra amin'ny fahamasinam-piainany fa tsy amin'ny tsy fahampian'ny fahazavan-tsainy mikasika ny fomban-drazana. Ny fiarovana azo antoka ho antsika dia ny manaraka tsotra fotsiny ny fampianaran'ny Tenin'Andriamanitra, tsy ampiana, tsy analana.

Aza mitsara ny hafa

Farany : Inona ny fihetsika tokony asehontsika manoloana ireo mpino mahitsy fo izay mankalaza ny krisimasy ?

Tadidio sy tandremo tsara fa tsy mahatonga antsika ho olona ara-panahy ny tsy fankalazantsika ny krisimasy. Noho izany ny olona mankalaza ny krisimasy dia tsy voatery hoe olona ara-nofo. Ny olona ara-panahy dia ireo izay manaraka an'i Jesosy amin'ny fahafoizan-tenany isan'andro sady fenoin'ny Fanahy Masina isan'andro, na mankalaza ny krisimasy izy na tsia.

Noho izany rehefa mihaona amin'ny mpino izay mankalaza ireo fety ireo isika dia tsy maintsy maneho fitiavana sy hatsaram-panahy ary hieritreritra fa mety tsy fantany hoe fety ho an'ny andriamani-tsi-izy no niandohan'izany. Noho izany dia tsy manota mihitsy izy mankalaza an'izany. Etsy andanin'izany kosa dia manota isika raha mitsara azy satria fantatsika ny marina.

Ary satria ny 25 desambra matetika dia andro tsy fiasana ho an'ny olona rehetra ary andro tsy fianarana koa manodidina azy dia maro ny manararaotra an'io vanimpotoana io mba hanaovana fivoriam-pianakaviana faran'ny taona, izay zavatra tena tsara tokoa.

Ary satria misy olona tsy mankany am-piangonana raha tsy ny 25 desambra dia tsara raha asian'ny fiangonana fivoriam-bavaka amin'io andro io mba hitoriana ny filazantsara amin'ny olona tonga sy hanazavana aminy fa Jesosy dia tonga tety an-tany mba hamonjy ny olony amin'ny fahotany ary efa nandresy ny fahafatesana sy nandresy an'i Satana ho antsika Izy.

Tamin'ny fiantombohan'ny fivavahana kristiana dia nisy kristiana sasany nankalaza ny andro Sabata, izay fety ho an'ny jiosy fa tsy ho an'ny kristiana, tahaka ny krisimasy amin'izao. Dia notsindrian'ny Fanahy Masina noho izany i Paoly hanoratra epistily ho an'ny Romana toko faha-14ho fampitandremana ny kristiana sasany mba tsy hanota amin'ny fitsarana ireny olona ireny. Izany fampitandremana izany koa dia natao ho an'ireo izay mitsara ny olona mankalaza ny krisimasy.

"Ary raiso ny malemy finoana, nefa aza mandray azy hitsaranareo ny eritreriny. Iza moa hianao izay mitsara ny mpanompon'ny hafa ? Ny anankiray manao ny andro anankiray ho mihoatra noho ny andro sasany, ary ny anankiray kosa manao ny andro rehetra hitovy. Ny mitandrina ny andro dia mitandrina izany ho an'ny Tompo satria misaotra an'Andriamanitra izy, ary ny tsy mihinana kosa dia tsy mihinana ho an'ny Tompo, sady misaotra an'Andriamanitra koa izy. Aoka samy hatoky tsara ao amin'ny sainy avy izy . Fa nahoana hianao no mitsara ny rahalahinao ? Ary nahoana kosa hianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao ? Fa samy hiseho eo anoloan'ny fitsaran'Andriamanitra isika rehetra. Koa samy hampamoahin'Andriamanitra ny amin'ny tenany avy (irery tsirairay) isika rehetra" (Romana 14:1-12).

Ary izany no teny tsara indrindra entintsika mamarana ity fampianarana momba ny krisimasy ity .