WFTW Body: 

Vakiantsika ao amin'ny Apokalipsy 12:10 fa Satana ilay mpiampanga ny mpino rehetra izay miampanga azy eo anatrehan'Andriamanitra isan'andro isan'andro, andro aman'alina. Asa matihanina no iandraiketan'i Satana. Ary manana mpiara-miasa marobe izy ao amin'izany asany izany, mampalahelo fa na dia ao amin'ireo mpino aza. Betsaka ny mpino no mifanome tanana amin'i Satana amin'io asa fiampangàna olona io.

Raha vao nanota i Adama tao amin'ny saha Edena dia nampitain'i Satana tany amin'i Adama io "toetrany mpiampanga olona" io. Koa rehefa nanatona an'i Adama Andriamanitra ary nanontany azy raha nihinana tamin'ny voankazo voarara izy dia izao ny zavatra voalohany indrindra nataon'i Adama, raha tokony ho niaiky ny fahotany izy, dia niampanga ny vadiny no nataony : "Ny vadiko no nanome ahy ny voankazo hohaniko" (Genesisy 3:12).

Hatramin'ny fahazazantsika dia efa nianatra nitady ny lesoky ny hafa sy niampanga azy ireny isika. Rehefa nihalehibe isika dia niha nitombo ny fahaizantsika nanafina sy nandranitra izany toe-panahy mpitsikera sy mpiampanga izany. Ny zavatra tena mampalahelo dia hita ao amin'ny mpino maro izany fanahin'ny fiampangana olona izany na dia efa taona marobe aty aorian'ny nahaterehany indray aza.

Hoy ny 2Korintiana 5:17 "Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo".

Rehefa nateraka indray isika dia tokony ho tonga vaovao ny toe-panahintsika, tokony hitovy amin'ny toe-panahin'i Jesosy : mifona ho an'ireo olona nanota tamintsika fa tsy miampanga azy ireny. Izany fiovana izany anefa dia tsy hiseho ao anatintsika raha tsy miara-miasa amin'Andriamanitra isika. Ny Filipiana 2:12 dia mampianatra antsika "hiasa hahatanteraka ny famonjena" antsika amin'ny toe-panahy ratsy rehetra nolovaintsika tamin'i Adama. Ary satria ataon'ny olona tsirambina io didy io hoe "miasà hahatanteraka ny famonjena ho an'ny tena", dia mbola mitondra tena tahaka ny zanak'i Adama ny olona, miampanga ny hafa izy. Noho izany fitondran-tena ratsin'ny zanak'Andriamanitra izany dia ratsy laza eo anatrehan'ny olona ny Tompo sy ny Fiangonany.

Ao amin'ny Jaona 8:4 dia vakiantsika ny fomba niampangan'ireo Fariseo ny vehivavy mampalahelo anankiray tratra nijangajanga. Tsy nisy nieritreritra ny hamonjena an-dravehivavy ho afaka tamin'izany fiainam-pahotana izany izy ireo. Fa ny zavatra notadiaviny dia ny hampiharihary ny "fahamarinan'ny tenany" sy ny hampiseho fa mpanota tsy mifaditrovana io vehivavy io. Nijoro izy ireo ary natondrony an'ilay vehivavy ireo fanondrony mpiampanga olona, tahaka an'i Adama razambeny nitoroka sy nanondro an'i Eva. Nahariharin'izy ireo tamin'izany fa tao anatiny tao dia nisy firaisam-panahy tamin'i Satana, ilay Mpiampanga. Izany no nilazan'i Jesosy manokana tamin'ireo Fariseo fa Satana no rain'izy ireo (Jaona 8:44).

Tonga Jesosy mba hamonjy ireny vehivavy ireny amin'ny fahotany, fa tsy tonga hanameloka azy. Ao amin'ny Jaona 3:17 dia vakiantsika "fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao".

Samy hafa tanteraka mihitsy ny hoe fanamelohana sy ny hoe fananarana omen'Andriamanitra. Ao amin'ny Apokalipsy toko faha-2 sy faha-3 dia nomen'ny Tompo toromarika i Jaona mba hananatra ireo loholona tsy nahomby tao amin'ireo fiangonana dimy. Toy izany koa, nomen'ny Fanahy Masina toromarika i Paoly mba hananatra ireo fiangonana tao Korinto sy Galatia ary Tesalonika. Izany fananarana avy amin'Andriamanitra izany dia zavatra ara-panahy, izany hoe misy ny fotoana izay iantsoan'Andriamanitra ireo mpanompony voahosotra hananatra ny olony. Kanefa ireny fananarana ireny dia tsy maintsy omena am-pitiavana foana.

Mora fantarina ny fanahin'ny fiampangàna. Miaraka amin'ny toe-tsaina manambany ny olona tsy tiany foana izany. Tsy misy olona hanameloka ny olona tiany amin'izany fomba izany mihitsy. Ohatra, tsy hanameloka ny zanakao eny imason'olona eny mihitsy ianao. Koa hitanao amin'izany fa ny tsy fisiam-pitiavana no mampisy ny fanahin'ny fanamelohana ao anatintsika.

Ny asa fanompoana fananarana olona dia ankinin'ny Tompo amin'ireo mpanompony mahatoky irery, tahaka ny apostoly Jaona sy ny apostoly Paoly. Tsy nantsoin'ny Tompo ho amin'izany asa fanompoana izany ny olona rehetra. Koa samia mitandrina tsara. Raha mandray anjara amin'ny "asa fanamelohana" ianao dia mety hamita-tena sy hihevitra fa manao ny asan'ny fananarana avy amin'Andriamanitra.

Raha hazoninao io toe-panahy mpanameloka olona io dia azo antoka fa hotoherin'ny Tompo ianao tahaka ny nanoherany ny Fariseo. Ny asa fiampangana dia asan'i Satana ary isika mpino dia tsy mahazo mandray anjara amin'izany velively mihitsy.

Voalohany indrindra dia tsy maintsy manaiky isika fa Satana sy ny demoniany dia hamporisika antsika foana hiampanga ireo mpiara-mivavaka amintsika amin'ny zavatra azo kianina hitantsika ao aminy. Hasehon'ireo demonia ireo anao ny tsinin'ireo mpiara-mivavaka aminao mba hanosehany anao hiampanga azy. Raha resin'izany fakam-panahy izany ianao dia handairan'ny hery sy ny fahefan'i Satana. Mety ho antony anankiray mahatonga ny mpino maro hijaly amin'ny aretina isan-karazany izany.

Tsy maintsy hentitra tokoa isika manongotra hatramin'ny fakany ny toe-panahy mpiampanga eo amin'ny fiainantsika, tahaka ny ataon'ny dokotera mpandidy rehefa manala hatramin'ny fakany ny fivontosan'ny homamiadana ao amin'ny marary. Aoka ho fantatsika tsara fa ny "fanahin'ny fiampangàna" dia ratsy lavitra noho izay mety ho homamiadana.

Vao teraka isika dia efa nahazo izany fahazaran-dratsy mitady ny tsinin'ny hafa izany. Nandany toana maro isika nifosana ny hafa sy nitadiavana ny tsiny sy ny fahadisoan'ny olona mba hanamelohantsika azy.

Farany, aoka hotadidiantsika izay nolazain'i Jesosy tamin'ny Fariseo hoe, izay tsy nanota taminareo ihany no manana zo hitora-bato ny hafa. Koa tsy misy amintsika na iza na iza afaka miampanga ny hafa.

Ny Tompo anie hamonjy antsika rehetra ho afaka tanteraka amin'izany fanahin'i Satana izany.

Amena.