written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpitarika
WFTW Body: 

Mba hanorenantsika fiangonana manana fenitra avo dia mila mpitory manana fenitra avo isika.

Hoy Jesosy "Manaraha Ahy" (Lioka 9:23).

Ary hoy Paoly "Aoka samy hanahaka (na hanaraka) ahy hianareo dia tahaka ny anahafako an'i Kristy" (1Kor.11:1 ; Fil.3:17).

Ao amin'ireo teny nolazain'ny apôstôly Paoly ireo no ahitantsika fa ny Fanahy Masina dia manantena fa ny mpitory tia vavaka rehetra dia hiteny an'ireo teny ireo koa amin'ny olona itoriany.

Maro ny mpitory no milaza hoe "Aza manaraka ahy fa manaraha an'i Kristy". Tahaka ny feno fanetren-tena izany teny izany. Kanefa fialàna fotsiny izany mba hanakonany ny fiainany resim-pahotana, ary mifanohitra tanteraka amin'ny fampianaran'ny Fanahy Masina izany.

Tsy manaja ary tsy manaraka afa-tsy ireo mpitory aho izay afaka milaza hoe "Manahafa ahy, tahaka ny anahafako an'i Kristy". Mampalahelo anefa fa tsy fahita firy ny mpitory tahaka izany amin'izao androntsika izao.

Talohan'ny niovàny fo dia tena resim-pahotana tanteraka i Paoly. Nanova azy anefa Andriamanitra ary nanao azy ho fianarana tokony hotahafintsika rehetra, na dia tsy tanteraka aza izy (Jereo Fil.3:12-14). (Na dia ny kristiana mendrika indrindra eto an-tany aza dia tsy tanteraka fa mandroso faingana hanatratra ny fahatanterahana).

Noho izany, na dia efa resim-pahotana tanteraka aza ianao tamin'ny lasa dia mbola azon'Andriamanitra atao fianarana mba hotahafin'ny hafa.

Ireto misy toe-piaina fito izay jereko voalohany indrindra ao amin'ireo mpitory alohan'ny hanajako sy hanarahako azy :

Tsy maintsy olona manetry tena sady mora hatoninaizy. Jesosy dia sady nanetry tena no mora hatonina (Matio 11:29). Afaka nanatona Azy ny olona tany amin'ny toerana rehetra sy tamin'ny fotoana rehetra. Afaka namangy Azy tao an-tranony tamin'ny misasakalina i Nikodemosy. Ary na iza na iza dia afaka niresaka tamin'i Jesosy teny amin'ny toerana falehan'ny olona tamin'ny fotoana rehetra. Ny fanetren-tenan'i Jesosy no nahatonga azy hazoto hitory ny filazan-tsara tamin'ny olona malahelo (araka ny vakiantsika ao amin'ny Lioka 4:18 ). Paoly dia olona nanetry tena ka mora niaiky ny fahadisoany sy nangataka famelana avy hatrany (Asa 23:1-5). Tsy hanaraka afa-tsy ireo mpitory izay tsy manavaka ny mpanankarena sy ny mahantra aho. Dia olona tsy "manambony tena", malaky mifona amin'ny fahadisoana nataony, ary mitoetra mandrakariva ho rahalahy tsotra fotsiny.

Tsy maintsy olona tsy mangata-bola na amin'iza na amin'iza, na ho an'ny tenany izany na ho an'ny asa fanompoany, ary miaina amin'ny fomba tsotra . Raha misy manome fanomezana maimaimpoana izy (tahaka izay azon'i Paoly indraindray Fil.4:16-18) dia tsy handray an'izany raha tsy avy amin'ny olona manankarena kokoa noho izy, fa tsy avy amin'ny olona mahantra noho izy mihitsy. Jesosy dia tsy nangata-bola na tamin'iza na tamin'iza na ho an'ny Tenany izany na ho an'ny asa fanompoany. Ary tsy nandray fanomezana afa tsy avy tamin'ireo olona nanankarena noho Izy Jesosy (Lioka 8:3). Jesosy sy Paoly dia samy niaina tamin'ny fomba tsotra. Tsy hanaraka afa-tsy ireo mpitory manana izany toe-tsaina mitovy amin'ny an'i Jesosy sy i Paoly izany aho, manoloana ny vola sy ny zavatra ara-nofo.

Tsy maintsy fantatry ny olona amin'ny maha olon'Andriamanitra azy izy. Tsy maintsy fantatra ho olona tia an'Andriamanitra izy, olona mahitsy fo, tia fahamasinana, tsy mitady ny soa ho an'ny tenany na amin'ny inona na amin'ny inona, olona mahafehy ny vavany (Jakoba 1:26; Efe.4:26-31). Olona miantra ireo izay lavo ary tsy mirehareha mihitsy ny amin'ny vavaka sy ny fifadian-kanina ary ny fanomezana ataony (Matio 6:1-18) ary olona mahay mitia na dia ny fahavalony aza (Matio 5:44). Tsy maintsy olona fantatra amin'ny fahadiovam-pitondran-tenany tanteraka manoloana ny vehivavy rehetra, na amin'ny vehivavy antitra izany na amin'ny vehivavy tanora (1Timoty 5:2). Tsy hanaraka afa-tsy ireo mpitory manana izany hanitry ny toe-panahy araka an'Andriamanitra izany eo amin'ny fiainany aho.

Tokony ho efa nitaiza ny zanany mba ho tia ny Tompo izy. Ny zanany ao an-trano dia tokony hankato azy amin'ny maha ray azy. Ny Fanahy Masina dia milaza fa tsy misy olona azo tendrena ho loholona ao am-piangonana raha tsy tia ny Tompo ny zanany na tsy mpankato (1Tim.3:4,5 ; Tit. 1:6). Ny zanatsika no mahafantatra antsika bebe kokoa noho ny olona hafa, satria mahita antsika mandrakariva ao an-tokantrano izy ireny. Ary raha mahita antsika miaina amin'ny fitiavana an'Andriamanitra izy ao an-tokantrano dia hanaraka ny Tompo koa izy. Tsy hanaraka afa-tsy ireo mpitory izay efa nitaiza ny zanany ho tonga olona manetry tena sy mpankato ary manaja ny olona rehetra aho.

Tsy maintsy olona mitory amin'ny fahasahiana ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra izy. Tokony hitory ny zavatra rehetra voasoratra ao amin'ny Testamenta vaovao izy, dia ny didy rehetra sy ny teny fampanantenana rehetra, ary tsy tokony hitady sitraka amin'olona (Asa 20:27; Gal.1:10). Raha tena voahosotry ny Fanahy Masina tsy tapaka izy dia hitovy amin'ny an'i Jesosy sy i Paoly ny toriteniny ka hamporisika ny olona sy hampahery ny olona mandrakariva. Tsy hanaraka afa-tsy ireo mpitory tahaka izany aho, izay hahatsapako ny hosotr'Andriamanitra ao aminy rehefa miteny izy.

Tokony hanam-paniriana mafy hanorina fiangonana izay maneho ny Tenan'i Kristy izy. Tsy hamonjy ny olona amin'ny fahotana rehetra fotsiny no nahatongavan'i Jesosy tety an-tany, fa hanorina ny fiangonany koa, mba ho Tena izay haneho ny fiainan'i Jesosy (Matio16:18). Ny faniriana niredareda tao anatin'i Paoly noho izany dia ny hanangana fiangonana tahaka izany hatraiza hatraiza, izay hiasa tahaka ny Tenan'i Kristy (Efe.4:15,16 ). Ary niasa mafy i Paoly ho an'izany tanjona izany (Kol.1:28,29). Tsy hanaraka afa-tsy mpitory manao tahaka izany aho (na evanjelistra izy na mpampianatra na mpaminany). Dia olona mampiasa ny fanomezam-pahasoavany mba hampandroso ny fiangonana ho tonga Tenan'i Kristy.

Tokony ho efa nanabe mpiara-miasa vitsivitsy aminy izay mitovy fijery sy mitovy fanahy aminy izy . Ny mpitory matahotra an'Andriamanitra dia tsy maintsy mihevitra mandrakariva ny hampita amin'ny taranaka manaraka ny fijoroana vavolombelona madio ho an'ny Tompo. Jesosy dia nanabe mpianatra iraikambinifolo izay nandray ny Fanahiny sy niaina araka ny fenitra napetrany mba hanohy ny asany. Paoly dia nanabe an'i Timoty sy Titosy izay niaina tamin'ny fanahin'ny fanetren-tena sy ny fiahiana ny hafa mba hanohy ny asany (Fil.2:19-21 ; 2Kor.7:13-15). Tsy hanaraka afa-tsy ireo mpitory izay efa nanabe farafaharatsiny mpiara-miasa vitsivitsy manana ireo toetra mendrika notanisaiko tetsy ambony aho.

Raha nantsoin'Andriamanitra ho mpitory ianao dia tsy maintsy mivavaka mba hanosotra anao tsy tapaka amin'ny Fanahiny Masina Andriamanitra hahafahanao manana ireo toetra mendrika rehetra notanisaina tetsy ambony ireo, mba ho fianarana hotahafin'ny hafa ianao.

Amin'izao andro izao izay isian'ny firoaroavam-po sy fitiavana izao tontolo izao ao amin'ny fivavahana kristiana dia antsoina isika mba hanandratra avo ny fenitry ny fiainantsika sy ny fenitry asa fanompoantsika ao amin'ny fiangonana.