WFTW Body: 

Ao amin'ny Hebreo 4:12 no amakiantsika fa " velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo ".

Ny tenin'Andriamanitra dia mitrobaka any am-pontsika tahaka ny sabatra ka mampiharihary amintsika ny eritreritsika sy ny fisainantsika. Ao amin'ny fanekena vaovao (izay antitranterina ao amin'ny Hebreo), dia ny "eritreritra sy ny fisainan'ny fo" no loha laharana indrindra, fa tao amin'ny fanekena taloha kosa dia tsy noraharahian'ny olona ny eritreritra ratsy sy ny fisainana ratsy, satria tsy nanana ny Fanahy Masina nitoetra tao anatiny ny Zanak'Isiraely. Ny lalàna dia tsy afaka nanala baraka olona na nanasazy olona satria ratsy ny eritreriny sy ny fisainany. Rehefa tsara ivelany fotsiny ilay olona dia efa nankasitrahan'ny lalàna. Fa tsy mba toy izany kosa ao amin'ny fanekena vaovao. Fony teo ambany lalàna ny olona, dia avy ety ivelany ihany no nitsaran'ny Tenin'Andriamanitra azy, tahaka ny dokotera mijerijery avy ety ivelany fotsiny ny marary. Fa ao amin'ny fanekena vaovao, ny Tenin'Andriamanitra dia mitsofoka any anatin'ny fo, tahaka ny 'scanner' na 'rayon X'.

Ankehitriny Andriamanitra dia te hahafantatra bebe kokoa ny eritreritsika, ny toetsika, ny risipontsika ary ny fisainantsika. Indraindray, na dia tsy misy kianina aza ny zava-drehetra ety ivelany, dia mety ho fahalovana no hita ao anaty, tahaka ireo olona maro izay toa salama ety ivelany kanefa ao anatiny ao misy aretin-dratsy tahaka ny homamiadana. Koa raha mamaky ny tenin'Andriamanitra ianao anio kanefa mandresy lahatra anao amin'ireo fahotanao ety ivelany fotsiny ilay Teny, dia maneho izany fa tsy henonao avokoa izay rehetra tian'Andriamanitra nolazaina taminao. Noho izany dia aoka ianao hitsara tena foana amin'ny alalan'ny fanontaniana hoe : "Nasehon'ny tenin'Andriamanitra tamiko ve ny eritreritra sy ny fisainan'ny foko ?" Mariho tsara fa ny tiana havoitra eto dia ny fo fa tsy ny loha. Ao amin'ny fitoriana misy hosotra, ny tenin'Andriamanitra rehetra dia hanavatsava ny sainao ary hitsofoka any am-ponao ka haneho miharihary aminao ny eritreritrao sy ny fisainanao lalina miafina indrindra.

Ao amin'ny 1 Korintiana 14:25 dia vakiantsika ireto vokatra azo avy amin'ny fitoriana misy hosotra ireto. Miseho ny zavatra takona ao am-pon'ny olona, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin'Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa. Mety hitranga koa izany rehefa miresaka amin'ny olon'Andriamanitra ianao ary milaza teny faminaniana misy hosotra ho anao izy. Ny teny misy hosotra dia maneho foana ny eritreritry ny fo sy ny fisainan'ny fo satria toy ny sabatra roa lela ny Tenin'Andriamanitra. Raha te-hanompo ny Tompo ianao, dia ataovy azo antoka tsara fa maranitra ny lela-tsabatra ao am-ponao sy ao am-bavanao. Aza avela ho dombo ny lela-tsabatra. Aza manalefaka ny Tenin'Andriamanitra amin'ny fiteny lambolamboina, amin'ny fanaovana marimaritra iraisana, mba hanao izay haneken'ny olona ny Tenin'Andriamanitra moramora kokoa. Tsy hahasoa ny olona ny fanaovana izany, satria tsy hitsofoka any amin'ny tokony hitsofohany ny Teny. Efa mba nanandrana nandidy hena tamin'ny antsy dombo ve ianao ? Na handidy eo foana aza ianao dia tsy ho tapaka mihitsy ny hena. Ny mpitory fivavahana izay manimba ny haranitry ny Tenin'Andriamanitra dia hahita rehefa vita ny toriteny nataony fa tsy nisy olona naheno an'Andriamanitra akory.

Ny Tenin'Andriamanitra dia sabatra roa lela. Tsy maintsy ny fon'ilay mpitory aloha no voatrobak'ilay Teny toriany, mba hampiharihary ny eritreriny sy ny fisainany, izay vao azony toriana hanatrobaka ny fon'ny hafa iny Teny iny. Raha mbola tsy tafatsofoka tany am-ponao aloha ilay Tenin'Andriamanitra, dia aza toriana. Ny ankamaroan'ny mpitory dia mbola tsy nitsara ny tenany tamin'ny Tenin'Andriamanitra. Ny olon-kafa no tsarain'izy ireo. Miditra sy mitsara ny risipontsika koa ny tenin'Andriamanitra. Raha misokatra mandrakariva amin'ny feon'ny Fanahy Masina ao amin'ny Tenin'Andriamanitra isika, dia hadio mangarahara foana ny fontsika, satria ho hitantsika miharihary ny eritreritra sy ny fikasan'ny fontsika ka afaka hanadio ny fontsika isika. Tahaka izany foana no tokony hiainan'ny mpino isan'andro. Mitovy amin'ny nandraisan'ny Zanak'Isiraely tany an'efitra ny mana isan'andro, no tsy maintsy handraisantsika foana koa ny Teny voahosotra avy amin'Andriamanitra isan'andro.