WFTW Body: 

"Fa ny làlan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro" (Ohabolana 4:18)

Izany tokoa no fampanantenana avy amin'ny Fanekena vaovao. Fantatsika fa ny atao hoe olo-marina dia olona izay nanatona an'i Kristy tamin'ny finoana ihany, olona voavela heloka sy nambaran'Andriamanitra hoe marina, olona nohamarinina satria nitafy ny fahamarinan'i Kristy. Kanefa tsy sitrapon'Andriamanitra raha tahaka ny fiposahan'ny masoandro fotsiny ny fiainan'ny olo-marina. Izao no voalaza "Ny làlan'ny marina dia tahaka ny fiposahan'ny masoandro…" Fantatsika fa rehefa miposaka ny masoandro dia misy hazavana nefa mbola tsy tonga eo amin'ny tena famirapiratany izy. Eritrereto ny masoandro miposaka eny amin'ny lanitra. Mihamazava hatrany ny masoandro ary rehefa mitataovovonana dia tonga lafatra ny hazavany. Azo lazaina hoe arakaraky ny fiakatry ny masoandro no mampihena ny aloka. Ny aloky ny fiainana anjakan'ny nofo dia hihena hatrany mandra-pahatongan'ny masoandro eo an-tampon-doha ka manjavona tanteraka ilay aloka. Izany no sitrapon'Andriamanitra ho antsika. Manomboka amin'ny fotoana iovantsika fo dia tsy sitrak'Andriamanitra ny hananan'ny zanany fiainana miaka-midina.

Ankehitriny ny fiainan'ny ankamaroan'ny kristiana dia miaka-midina ary rehefa mandre isika hoe miaka-midina ny fiainan'ny olona sasany na ny fiainan'ny mpitondra fivavahana sasany dia mampionon-tena isika ao anatin'ny tsi-fahombiazantsika. Ny mpino ara-nofo na ny mpitory ara-nofo sasany no ataontsika fenitra hotratrarina fa tsy ny tenin'Andriamanitra izay milaza hoe ny làlan'ny marina dia tsy miaka-midina. Ny làlan'ny marina dia tsy hoe mazava aloha dia maizina avy eo ary mazava indray dia maizina indray, eny an-tampon'ny hasambarana dia avy eo kivy sy ketraka, midera ny Tompo sy mifaly dia ny ampitso manjombona sy fadiranovana. Raha izany no miseho eo amin'ny fiainana dia te hilaza aminao aho fa tsy sitrak'Andriamanitra izany. Tsy làlan'ny marina izany. Raha misy olona mandeha amin'izany làlana izany dia azo antoka fa tsy mandeha amin'ny làlan'ny marina izy.

Ao amin'ny Testamenta vaovao ny làlan'ny marina dia antsoina hoe "Làlana vaovao sady velona". Tsy foto-pampianarana natao ho hain'ny olona izany fa làlan'ny marina. Ankehitriny dia maheno olona isika milaza fa mino ny Làlana vaovao sady velona. Naharay taratasy aho tamin'ity herinandro ity misy soratra hoe "Ireo rahalahy sy anabavy ao amin'ny làlana vaovao sady velona". Inona moa no dikan'izany hoe rahalahy na anabavy ao amin'ny làlana vaovao sady velona izany ? Tsy olona mankany am-piangonana. Tsy olona mahatakatra tsara ny foto pampianarana fa olona manana fiainana tsy miaka-midina. Ny olona manana fiainana miaka-midina dia tsy ao amin'ny Làlana vaovao sady velona fa ao amin'ny làlana tranainy sady maty. Ny Làlana vaovao sady velona dia mihamazava mihamazava mihamazava hatrany. Izay no Làlana TOKANA vaovao sady velona resahin'ny Testamenta vaovao : ny làlan'ny marina. Fa ity resaka "kivy sy ketraka" ity dia manaporofo fa azontsika tsara fotsiny ny foto-pampianarana fa mbola tsy andehanantsika ilay làlana.

Ny làlan'ny marina dia tahaka ny fipoaky ny andro izay mihamazava mihamazava hatrany hatrany ary ny masoandro dia tsy mandroso mihemotra. Tsy miova hevitra tampoka eo izy. Tohizany hatrany ny diany ary izany no sitrapon'Andriamanitra ho an'ny fiainantsika ry rahalahy sy anabavy.

Ny sitrapon'Andriamanitra dia mba hihatsara hihatsara hatrany ny fiainantsika. Izany hoe mahazo fahazavantsaina bebe kokoa momba ireo zavatra mitoetra ao amin'ny nofoko aho. Fahazavantsaina ahafantarako ny zavatra mitoetra ato amiko izay tsy fantatro tamin'ny enimbolana lasa. Raha tsy izany no miseho dia tsy ao amin'ny lalan'ny marina isika. Aoka hazava amintsika tsara izany mba tsy hamita-tena amin'ny fahatakarana ivelany ny foto-pampianarana fotsiny isika. Tsia, ny fahazavan'ilay làlana dia mihamamiratra hatrany hatrany ka azahoako fahazavana bebe kokoa mikasika ny nofoko. Araka izay voalazan'ny 1Jaona 1:7hoe "Raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka an'Andriamanitra eo amin'ny mazava …". Andriamanitra dia mazava ary raha mandeha eo amin'izany mazava izany aho dia vao mainka manakaiky an'Andriamanitra. Mihamamiratra hatrany ny fahazavana. Ny dikan'izany dia mitombo ny fahazavana azoko mikasika ny zavatra mitoetra ao amiko. Mitombo ny zavatra vonoiko eo amin'ny fiainako ary miha-hendry aho. Tahaka izany no nitomboan'i Jesosy tamin'ny fahendrena : nandeha tamin'ilay Làlana vaovao sady velona Izy. Voalaza ao amin'ny Lioka 2:52 fa nitombo fahendrena Jesosy. Ary izany no lazain'i Solomona (ao amin'ny Ohabolana 4:18) rehefa notsindrian'ny Fanahy Masina izy.

Voalaza ao amin'ny 2Korintiana 3:18 fa ny Fanahy Masina dia mampiseho ny voninahitr'i Jesosy amintsika. Izany voninahitra izany dia mazava miha mamirapiratra eo amin'ny fiainantsika arakaraky ny anovan'ny Fanahy Masina antsika hahazo izany endrika izany avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra . Ny Ohabolana 4:18 no andininy ao amin'ny Testamenta taloha mifanandrify amin'ny 2 Korintiana 3:18. Raha tianao ho azo tsara io andininy io dia tsy maintsy vakianao ny Testamenta vaovao, 2 Korintiana 3:18 hoe "...avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra".

Mirary taon-tsambatra 2026 feno fitahiana ho anareo rehetra mba ovain'ny Fanahy Masina ianareo hahazo ny endrik'i Jesosy avy amin'ny voninahitra ka ho amin'ny voninahitra.