Nampianatra antsika hivavaka isan'andro i Jesosy hoe "Mamelà ny helokay tahaka ny namelanay ny heloky ny hafa". Fantatrao ve fa mila mivavaka mangataka famelan-keloka isan'andro isika ? Na dia tsy mamerina ny vavaka nampianarin'ny Tompo isan'andro aza isika dia farafaharatsiny tsy maintsy manaiky fa mila mangataka famelan-keloka isan'andro. Izaho dia mivavaka isan'andro hoe "Tompo ô, mamelà ny heloko". Ahoana moa no ahafantarantsika fa zavatra ilaina isan'andro ny famelan-keloka ? Satria ny andalana teo alohan'io fangatahana io dia hoe "Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay" (Matio 6:11). Noho izany dia zavatra isan'andro ilay izy. Tompo ô, mila ny hanina sahaza ahy isan'andro ho an'ny anio aho, ary ny fangatahako manaraka dia ny hamelanao ny heloko anio koa.
Mety hanontany ianao hoe "Ahoana moa no ilazanao fa maharesy ny fahotana ianao kanefa ianao milaza koa hoe manota isan'andro aho ?". Samy hafa ny hoe maharesy ny fahotana hita sy fantatra sy ny hoe manota tsy nahy any amin'ireo lafim-piainana sasany izay tsy fantatsika akory. Ny folo isan-jaton'ny fiainantsika ihany no tena hitantsika sy fantatsika. Tahaka antsika tsy mahita afa-tsy ny tendron'ny vongan-dranomandry lehibe (iceberg) dia ny tampon'ny fahotana eo amin'ny fiainantsika ihany no hitantsika. Misy lafiny maro eo amin'ny fiainantsika izay misy fahotana sy tsi-fitoviana amin'i Kristy kanefa tsy fantantsika akory. Mila mivavaka isika mba havelan'Andriamanitra ny helotsika any amin'ireny lafiny ireny.
Izany no dikan'ny hoe mangataka famelan-keloka isan'andro. Afaka miaina sy mandresy tanteraka ny fahotana hita sy fantatra isika, tahaka ny Apostoly Paoly. Hoy Paoly ao amin'ny 1Korintiana 4:4 "Fa tsy hitako izay tsiniko". Raha lazaina tsotra dia hoy Paoly "Maharesy ny fahotana hitako sy fantatro rehetra aho eo amin'ny fiainako. Mety tsy hitako izay fahotana eo amin'ny fiainako, tsy midika anefa izany fa marina aho na afaka tanteraka amin'ny fanamelohana. Fa hitsara ahy sy hampamoaka ahy ny Tompo. Izy no mahita ireo lafiny maro eo amin'ny fiainako izay tsy fantatro. Koa tsy afaka milaza fotsiny aho hoe marina. Tsy maintsy mangataka amin'Andriamanitra aho hamela ny fahotako. Rehefa toloran'Andriamanitra fahazavana mikasika an'io lafiny izay tsy fantatro teo aloha io aho dia azoko atao amin'izay ny miezaka mandresy ny fahotana ao. Izany no atao hoe fanamasinana.
Didy tsotra no nomen'ny Tompo antsika "Manaraha Ahy". Avy eo dia asehon'ny Tompo antsika ny lalana mankany amin'ny fiainana mahafinaritra mitombo amin'ny fanamasinana. Izao no lazain'ny Ohabolana 4:18 "Fa ny làlan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina izay mihamazava mandra-pitaovovonan'ny andro". Raha efa nateraka indray isika dia ambara hoe marina satria efa nisaina ho fahamarinantsika ny fahamarinan'i Kristy. Ny fotoana niovàntsika fo dia toy ny masoandro miposaka eny amin'ny faravodilanitra amin'ny maraina izay mandroaka ny aizina. Mihamazava ny masoandro rehefa miakatra tsimoramora eny amin'ny habakabaka mandra-pahatongany eo amin'ny toerana tsara indrindran'ny mitataovovonana ka mampahamiratra azy indrindra. Dia tahaka izany koa, raha marina isika dia tokony handroso amin'ny fanaovana ny marina ho amin'ny dingana ambony kokoa isan'andro. Tsy tokony hijanona eo amin'ny faravodilanitra mandritra ny androm-piainantsika ny masoandro. Tsy maintsy mitombo famirapiratana izy. Ny lalan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina izay mihamazava mihamazava hatrany mandra-pahatongan'ny andro hiverenan'i Kristy. Amin'izay dia ho tahaka Azy isika.
Tsy hitovy tanteraka amin'i Kristy isika raha tsy efa tafaverina Izy. Kanefa afaka mandeha tahaka Azy isika ankehitriny. Izao no voalaza ao amin'ny 1Jaona 3:2 "Ray malala, ankehitriny aza dia zanak'Andriamanitra isika, nefa tsy mbola naseho izay ho toetsika rahatrizay. Fantatsika fa raha hiseho Izy dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa". Mariho tsara fa misy fanavahana hita ao amin'ny 1Jaona 3:2. Efa zanak'Andriamanitra isika, kanefa mbola tsy naseho izay ho endritsika. Hitovy amin'iza moa ny endritsika rahatrizay ? Hitovy tanteraka amin'ny endrik'i Jesosy. Ny toetrantsika manontolo, ao anatin'izany ny eritreritra, ny teny, ny asa, ny fihetsika, ny antony anaovan-javatra ao ampo ary koa ny lafim-piainana mbola tsy fantatsika, dia hitovy amin'ny an'i Jesosy avokoa.
Ary rahoviana no hitranga izany ? Rehefa miverina Jesosy, ka hahita Azy araka ny tena endriny tokoa isika. Kanefa inona no tokony ataontsika mandra-pahatongan'izay andro izay ? Voalaza ao amin'ny 1Jaona 3:3 hoe raha manana izany fanantenana fa hitovy tanteraka amin'i Jesosy izany ianao indray andro dia hanadio ny tenanao isan'andro mandra-pahatraranao ny fenitry ny fahadiovan'i Jesosy. Mitovy amin'izay voasoratra eo aloha kely ao amin'ny 1Jaona 2:6 izany hoe raha milaza ny tenako ho kristiana aho dia tsy maintsy miaina tahaka ny niainan'i Kristy ary tsy maintsy mandeha tahaka ny nandehanany. Dia ho tahaka Azy aho indray andro.
Tsy mitovy ny1Jaona 2:6sy ny1Jaona 3:2. Ny toriana ao amin'ny 1Jaona 2:6 dia hoe mila mandeha araka ny fitsipi-piainana izay narahin'i Jesosy fony izy tety an-tany isika ka manaraka ny diany. Tsy maintsy mitovy amin'ny an'i Jesosy ny toe-tsaintsika mikasika ny zavatra ara-nofo, mikasika ny lehilahy, ny vehivavy, ny Fariseo, ny mpitondra fivavahana mpihatsaravelatsihy ary ny fahavalo. Ohatra, Jesosy dia nivavaka ho an'ny fahavalony izay nanombo azy teo amin'ny hazofijaliana hoe "Ray ô, mamelà ny helony fa tsy fantany izay ataony".
Ny Fanahy Masina no hanome fahafahana antsika handeha tahaka ny nandehanan'i Jesosy saingy ao amin'ny fiainantsika izay fantatsika fotsiny ihany, izay folo isan-jaton'ny fiainantsika manontolo. Ireo sivifolo isan-jato ambiny dia mbola takona. Mbola hasehon'Andriamanitra amintsika misimisy kokoa izany faritra miafina izany mba hahafahantsika mandresy ao anatin'ireny sehatra ireny sy manadio ny tenantsika bebe kokoa. Andriamanitra no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra, 1Jaona 1:7 , kanefa isika koa dia tsy maintsy manao izay hanadiovantsika tena amin'ny fanesorana ny ota amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina (1Jaona 3.3).