WFTW Body: 

Ny vavaka dia zavatra faran'izay tsotra ho an'ny olona tahaka ny zaza, satria ny vavaka dia fiaikena amin'Andriamanitra fa tsy manam-piahy sady tsy manan-kery isika. Sarotra amin'ny olon-dehibe marani-tsaina ny miaiky an'izany. Izany no antony nilazan'i Jesosy fa tsy maintsy manahaka ny zaza madinika isika. Arakaraky ny hiankinantsika be be kokoa amin'ny fahaizana amam-pahalalantsika no mampihena ny vavaka ataontsika sy vao mainka mampametra-panontaniana antsika amin'Andriamanitra ny antony anaovany zavatra amin'ny fomba tsy takatry ny saintsika.

Ny fanekena (fankatoavana) takian'Andriamanitra amintsika dia tsy ny "faneken'ny saina" tsy akory, fa ny " faneken'ny finoana" (Rom. 1:5). Tsy nolazain'Andriamanitra tamin'i Adama ny antony nandrarany azy tsy hihinana amin'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Ampy ho an'i Adama ny nahafantatra hoe tia azy Andriamanitra ary noho izany ny didin'Andriamanitra (na tsy voazavan'ny saina aza) no zavatra tsara indrindra ho azy. " Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, fa aza miankina amin'ny fahalalanao " (Oha. 3:5). Koa rehefa lavo i Adama, izany fahalavoany izany dia fahalevonan'ny finoany. Levona ny finoany ny fitiavan'Andriamanitra azy sy ny finoany ny fahendren'Andriamanitra. Ary izany koa no mahatonga antsika ho lavo.

Raha mino isika fa tia antsika loatra Andriamanitra ary fantany ny tsara indrindra ho antsika, tsara noho izay fantatsika hatramin'izay, ary mino koa isika fa manan-kery hifehy ny zava-mitranga rehetra eto ambonin'ny tany Andriamanitra, dia hitandrina am-pifaliana ny didiny rehetra isika. Hatolotsika am-pifaliana ho Azy zavatra rehetra ka tsy hanao afa-tsy ny sitrapony eo amin'ny fiainantsika isika aorian'izay. Hivavaka am-pifaliana isika na dia toa tsy mahazo valim-bavaka eo no ho eo aza. Hanaiky am-pifaliana izay tinendriny rehetra isika ka tsy hametra-panontaniana. Raha tsy manana finoana ny fahendren'Andriamanitra sy ny fitiavany ary ny heriny isika dia tsy hahavita hanao na dia iray aza amin'ireo zavatra voalaza ireo.

Raha mitovy amin'ny zaza madinika isika dia mahay manatona an'Andriamanitra amin'ny finoana tsotra sy mora mandray ny fahafenoan'ny Fanahiny Masina ao am-pontsika mandrakariva (Lioka 11:13). Tsy misy zavatra ilaintsika amin'izany afa-tsy : fieritreretana madio (ny ota fantatra rehetra dia efa nibebahana tamin'Andriamanitra sy tamin'ny olona avokoa), hanoanana sy hetaheta ny fahafenoan'ny Fanahy Masina, fampanekena Azy tanteraka ny sehatra rehetra eo amin'ny fiainantsika, ary finoana fa ilay Ray be fitiavana dia hanome tokoa izay angatahintsika. Rehefa izany dia azontsika atao ny mangataka ary mino fa Andriamanitra hanome izay angatahintsika, na tsy misy fahatsapana na fandrenesana eo no ho eo aza ao anatintsika. Hanaraka avy ao aoriana ny fisehoan'ny zavatra ivelany. Koa aoka isika ho tahaka ny zaza madinika.

Moa ny 'fandresena' ve azontsika takiana am-pinoana tahaka ny 'famonjena' ?

Izao no voalaza ao amin'ny 1Jaona 5:4 " Ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika ", ary "izao tontolo izao" dia nofaritan'ny tenin'Andriamanitra hoe " ny filàn'ny nofo sy ny filàn'ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao " (1 Jaona 2:16). Koa mampianatra antsika izany fa ny handresentsika an'ireo zavatra rehetra ireo dia amin'ny finoana. Kanefa inona moa no dikan'izany finoana izany ? Fianteherantsika manontolo sy tanteraka ary feno fahatokiana amin'Andriamanitra, amin'ny fitiavany sy ny fahendreny ary ny heriny tonga lafatra. Ny hoe mino dia mitovy amin'ny hoe mandray, araka ny fanazavan'ny Jaona 1:12. Tsy finoana avy amin'ny saina izany. Koa ny mahatoky an'Andriamanitra dia midika hoe mandray (manaiky) ny sitrapony ho zavatra tsara indrindra ho antsika. Ny dikan'izany dia misafidy isika ny handà ny sitrapontsika. Izany no dikan'ny hoe " manombo ny nofo amin'ny hazo fijaliana" (Gal. 5:24). Mba hahavitantsika manatanteraka izany (fandavana ny sitrapo izany) dia mila ny fahasoavan'Andriamanitra isika hanampy antsika.

Avy amin'ny finoana no mipoitra izany rehetra izany. Raha tsy mino isika fa ny sitrapon'Andriamanitra no zavatra tsara indrindra ho antsika dia tsy irintsika akory ny hamono ho faty ny sitrapontsika. Azo ampiharina izany ohatra amin'ny fijerena tele. Mino ve ianao fa raha Jesosy izao no eo, tsy ny zavatra tsara indrindra ve no hataony, izany hoe, tsy hijery fandaharana na sarimihetsika tsy misy ilana azy na manaitaitra ny filàn'ny nofo Izy ? Sa inoanao kosa fa izay mahafaly ny filànao no zavatra tsara indrindra ho anao ? Koa dia miankina amin'ny finoanao ny fanekenao na tsia fa ny sitrapon'Andriamanitra no zavatra tsara indrindra ho anao. Raha tsy misy finoana dia tsy mety hisy fandresena.

Eritrereto mandrakariva i Jesosy, izay tsy maintsy arahinao. Aza adino mihitsy fa malemy ny finoanao. Jesosy dia niantso vonjy tsy tapaka tamin'ny Rainy. Tsy maintsy izany koa no ataonao. Tadidio fa ny anaran'i Jesosy no tilikambo fiarovana izay ahafahanao miery rehefa tonga ny fanafihana ( Oha. 18:10). Ary amin'izany Anarana izany dia azonao angatahina amin'ny Ray na inona na inona, raha misy mahory anao, na aiza na aiza eto ambonin'ny tany.