WFTW Body: 

Jesosy dia niresaka momba ny divay vaovao atao ao anaty siny hoditra vaovao (Lioka 5:37). Ny divay vaovao dia ny fiainan'i Jesosy ary ny siny hoditra vaovao dia ny fiangonana izay aorin'i Jesosy. Tamin'ny fampakaram-bady tao Kana, izay natrehan'i Jesosy, dia lany ny divay ela. Ny divay ela dia vokatry ny fiezahan'olombelona, nandritra ny taona maro, kanefa tsy ampy tamin'ny nilàna azy. Ity dia fanoharana ny amin'ny fiainana ao ambany lalàna, ao ambany fanekena taloha. Tapitra ny divay ela ; ary voatery miandry ny fahataperan'ny divay ela ny Tompo vao afaka manome antsika ny divay vaovao.

Moa efa lany ve ny divay ao amin'ny fiainantsika, na ao amin'ny fiainan-tokantranontsika na ao amin'ny fiainam-piangonantsika ? Raha izany dia tonga izao ny fotoana hitadiavantsika ny tavan'ny Tompo sy hiaikentsika am-pahatsorana fa lany ny divaintsika. Izy irery ihany no afaka hanome antsika ny divay vaovao ! Ny divay vaovao tao Kana dia tsy vokatry ny fiezahan'olombelona. Fa vokatry ny asa mahagaga nataon'Andriamanitra. Dia izany ihany koa no hitranga eo amin'ny fiainantsika. Hosoratan'Andriamanitra ao am-pontsika sy ao an-tsaintsika ny lalàny, hahatonga antsika hanana fikasana sy hanatanterahana ny sitrapony tonga lafatra (Heb. 8:10 ; Fil. 2:13). Hoforany ny fontsika mba hitiavantsika Azy sy hahatonga antsika handeha araka ny lalàny ( Deo. 30:6 ; Ezek. 36:27). Tena asan'Andriamanitra tokoa izany tahaka ny naha-asan'Andriamanitra ny famokarana divay vaovao tao Kana. Izany no dikan'ny hoe fahasoavana. Tsy vitantsika ny mamokatra ny fiainan'i Jesosy, na hiezaka mandritra ny androm-piainantsika aza isika. Nefa kosa raha mitondra eo amin'ny tenantsika "ny fahafatesan'i Jesosy" (ny fitondrana ny hazo fijaliana isan'andro, ny famonoana ny hambom-po sy ny sitrapon'ny nofo ary ny famoizana ny zo sy ny laza tsara) isika, dia mampanantena Andriamanitra fa hovokariny eo amintsika ilay divay vaovaon'ny fiainan'i Jesosy. (2 Kor. 4:10).

Amin'ny fahazoantsika ny divay vaovao, dia miady manohitra ny fahotana isika. Fa amin'ny fahazoantsika ny siny hoditra vaovao, dia miady manohitra ireo fombam-pivavahana maro izay efa nanafoana ny tenin'Andriamanitra isika. Ary ho an'ny ankamaroan'ny olona dia sarotra lavitra ny manafaka ny tenany amin'ny fampianarana voatolotry ny razana noho ny manafaka ny tenany amin'ny fahotana ! Kanefa, ny olona manao an-keriny ihany no haharombaka ny fanjakan'Andriamanitra ( Matio 11:12). Ny fombam-pivavahana dia tsy voaisotra raha tsy amin'ny fampiasana herisetra.

Mety hihevitra isika hoe satria efa Kristiana dia efa nariantsika ny siny hoditra tontan'ny Jiosy ary efa manana siny hoditra vaovao isika ao amin'ny fiangonana kristiana. Kanefa raha jerenareo tsara izay antsoinareo hoe fiangonana kristiana, dia mety ho gaga ianareo amin'ireo fomba amam-panaon'ny fanekena taloha hita ao. Diniho fotsiny ireto ohatra anakitelo ireto, ankoatra ny maro hafa.

Voalohany indrindra, ny Jiosy dia nanana foko manokana (ny Levita) izay mpisorona nanao ny asa fanompoana rehetra. Tsy azo natao mpisorona avokoa ny Jiosy rehetra. Ao ambany fanekena vaovao kosa anefa, dia mpisorona avokoa ny mpino rehetra (1 Pet. 2:5; Apk. 1:6). Na dia fahamarinana eken'ny sain'ny ankamaroan'ny mpino aza izany dia vitsy dia vitsy ireo mampihatra izany. Vitsy foana ny vondrona kristiana tsy manana 'mpisorona' na 'pastera' na 'mpanompon'Andriamanitra' na 'mpiasa matihanina', ireny dia tsy misy hafa tamin'ireo Levita fahiny, izay nitarika ny fanompoam-pivavahana teo amin'ny vahoakan'Andriamanitra. Ireo 'Levita' ireo ihany no afaka manao batisa ny olona vao niova fo sy mamaky ny mofo. Ary ireo 'Levita' ireo dia tohanana ara-pivelomana amin'ny ampahafolon-karena ataon'ny vahoakan'andriamanitra. Ao amin'ny fivoriana dia ireo 'Levita' ireo no tompon'ny sehatra, tsy mamela ny 'Tenan'i Kristy' hanao ny asa fanompoany. Ny sehatra dongian'olon-tokana dia anisan'ny siny hoditra tonta. Ao ambany fanekena vaovao dia mahazo misotro amin'ny divay vaovao avokoa ny mpino rehetra, azo fenoina ny Fanahy Masina avokoa ary afaka mandray ny fanomezam-panahy. Mpaminany roa na telo no hanomboka ny fivoriana, ny iray na roa amin'ireo dia mety hiteny amin'ny fiteny tsy fantatra (miaraka amin'ny fandikan-teny avy), ary ny mpino tsirairay dia afaka maminany malalaka ao anaty fivoriana ary mampandroso ny fiangonana. Izany no atao hoe siny hoditra vaovao (1 Kor. 14:26-31). Ny divay vaovao dia voalaza ao amin'ny 1 Kor. 13, fa fiainam-pitiavana. Ny siny hoditra vaovao dia voalaza ao amin'ny 1 Kor. 12 sy 14. Kanefa firifiry amin'ny mpino no te-hanao zavatra amin'ny fomban'Andriamanitra ? Indrisy, vitsy dia vitsy. Ny ankamaroany dia mionona amin'ny siny hoditra tonta ananany, sy ireo 'Levita' karamainy.

Faharoa, ny Jiosy dia nanana ny mpaminaniny izay nitady ny sitrapon'Andriamanitra ho azy ireo mikasika ny raharaha samy hafa, satria ny mpaminany irery ihany no nanana ny Fanahy Masina. Fa ao ambany fanekena vaovao, dia hafa mihitsy ny asan'ny mpaminany, mampandroso ny tenan'i Kristy (Efe. 4:11-12). Ary satria efa afaka mandray ny Fanahy Masina avokoa ny mpino rehetra, dia tsy mila mankany amin'ny mpaminany intsony izy ireo hamantarany ny sitrapon'Andriamanitra ho an'ny tenany ( Heb. 8:11 ; 1Jao. 2:27). Na izany aza dia mbola miaina ao anatin'ny siny hoditra tonta ny ankamaroan'ny mpino, manatona olon'Andriamanitra izy ireny mba hahafantarany izay zavatra tokony hataony, izay olona tokony alainy ho vady, sy ny sisa.

Fahatelo, ny Jiosy dia vahoaka marobe niparitaka nanerana ny faritra anankiray midadasika kanefa ny ivotoerana nisy ny foibeny dia tao Jerosalema ary nisy Mpisoronabe ara-nofo nitarika azy. Ao ambany fanekena vaovao, dia tsy manana Mpisoronabe afa-tsy i Jesosy isika ary tsy manana foibe afa-tsy ny seza fiandrianan'Andriamanitra. Ny jiosy dia nanana fanaovan-jiro anankiray ary nisy sampana fito niala avy teo amin'ny vatan-jiro afovoany (Eks. 25:31,32). Izany ilay siny hoditra tonta.

Ao ambany fanekena vaovao, ny fiangonana tsirairay dia fanaovan-jiro anankiray mitokana, izay tsy manana sampana. Hita mazava tsara izany ao amin'ny Apk. 1:12,20, fa ny fiangonana fito tany Asia minora dia noharina tamin'ny fanaovan-jiro fito samy hafa, tsy nitovy velively tamin'ny fanaovan-jiron'ny Jiosy. Jesosy, amin'ny maha-Lohan'ny fiangonana Azy dia mandeha eo afovoan'ireo fanaovan-jiro ireo. Tamin'izany andro izany dia tsy nisy olona natao papa, na tale jeneraly na filohan'ny antokom-pinoana na inona na inona. Tsy nisy rahalahy natao lohan'ny loholona na taiza na taiza tety an-tany, izay tompon'ny teny farany mikasika ny raharaha rehetra. Ny fiangonana tsirairay dia notarihan'ny loholona teo an-toerana. Ireo loholona ireo dia teo ambany fifehezan'ny Tompo mivantana izay Lohan'izy ireo. Kanefa ankehitriny dia marobe ireo kristiana manodidina antsika, izay manaraka ny fomban'ny antokom-pinoana (siny hoditra tonta), na mitondra anarana izy ireny na tsia, satria misy vondrona milaza fa tsy antokom-pinoana kanefa hita ao aminy avokoa ny toetra rehetra mampiavaka ny antokom-pinoana. Siny hoditra tonta avokoa izany rehetra izany.

Andriamanitra efa nandidy ny siny hoditra vaovaon'ny fiangonana mba hisorohana ny fihanaky ny fahalovana. Raha samy sampana nifandray tamin'ny namany avokoa ireo fiangonana fito tao Asia, dia ho niparitaka tamin'ireo fiangonana fito ny fampianaran-dison'i Balama sy ny an'ny nikolaita ary ny faminaniana sandok'i Jezebela (Apk. 2:14:15;20). Nefa kosa, satria fanaovan-jiro mitokantokana avy izy ireo, dia afaka nitahiry ny fahadiovany ireo fiangonana anankiroa tao Smirna sy tao Filadelfia. Esory hiala amin'izay ny siny hoditry ny fomba amam-panaon'ny antokom-pinoana, raha tianao ny hitahiry ho madio ny fiangonanao. Enga anie ny Tompo, hanangana olona maro eto amin'ny tanintsika, izay vonona hampiasa herisetra hanohitra ny fampianarana voatolotry ny razana (Matio 11:12) izay manandevo olona marobe, sy vonona hanorina ny tenan'i Kristy isan-tanàna.