Ao amin'ny Apokalipsy 14:1-5 no amakiantsika ny amin'ny vondrona kely anankiray nisy mpianatra vitsivitsy nanaraka ny Tompo tamin'ny fony manontolo nandritra ny androm-piainany. Mijoro eo anilan'i Jesosy izy ireo amin'ny andro farany noho ny naha-mpandresy azy ireo satria afaka nanatontosa ny tanjony ho an'ny fiainan'izy ireo Andriamanitra.
Ireo olona izay efa nahazo famelan-keloka dia vahoaka marobe tsy hita isa, araka ny hitantsika ao amin'ny Apokalipsy 7:9,10:
"Rehefa afaka izany, dia hitako fa, indreo, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin'ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan'ny seza fiandrianana sy teo anatrehan'ny Zanak'ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany, dia niantso tamin'ny feo mahery izy nanao hoe : Ny famonjena anie ho an'Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianana, sy ho an'ny Zanak'ondry".
Fa ilay vondron'olona voalaza ao amin'ny Apokalipsy toko faha-14 kosa dia azo nisaina ny olona tao, 144 000 no isany. Na isa ara-bakiteny io na isa ara-panoharana (toy ny ankabeazan'ny ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy) dia tsy zava-dehibe. Ny zava-dehibe dia vitsy dia vitsy izany raha oharina amin'ireo vahoaka marobe tsy tambo isaina.
Ireo no sisa tavela izay nahatoky sy marina ho an'Andriamanitra tety an-tany. Efa nozahana toetra izy ireo ary nahazo ny fanamarinana hoe nankasitrahan'Andriamanitra. Andriamanitra mihitsy no nanamarina azy ireo hoe :
"... tsy voaloto tamin'ny vehivavy… manaraka ny Zanak'ondry na aiza na aiza no alehany… tsy nisy lainga (na fitaka) hita teo am-bavany, sady tsy manan-tsiny " (Apok.14:4,5).
Ireo no voaloham-bokatr'Andriamanitra. Ireo no fofombadin'i Kristy. Amin'ny andro fampakaram-badin'ny Zanak'ondry dia ho hita miharihary fa tsy hanenina ny olona nahatoky sy marina tanteraka ho an'Andriamanitra tamin'ny zavatra rehetra, na tamin'ny kely na tamin'ny lehibe.
Amin'izay andro izay dia izao no antsoantso any an-danitra :
"Aoka isika hifaly sy ho ravoravo ka hanome voninahitra Azy ; fa tonga ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry, ka efa niomana ny vadiny" (Apokalipsy 19:7).
Ireo olona nitady tombontsoa sy voninahitra tety an-tany dia tsy hahatsapa ny fahavoazany raha tsy amin'izay fotoana izay. Ireo olona nitia ny rainy na ny reniny na ny vadiny na ny zanany na ny rahalahiny na ny rahavaviny na ny ainy na ny vola aman-karena mihoatra noho ny Tompo dia hahita fa matiantoka mandrakizay izy.
Amin'izay andro izay koa dia ho hita miharihary fa ny olona nanam-pahendrena indrindra tety an-tany dia ireo izay nankato an-tsakany sy an-davany ny didin'i Jesosy Kristy ary nikatsaka tamin'ny fony rehetra mba handeha toy izay nandehanan'i Jesosy. Amin'izay dia ho hita mazava tsara fa taimboraka ny voninahitra poakaty tao amin'ny tontolo kristiana. Ny vola aman-karena dia ho hitantsika amin'izay fotoana izay fa hay nataon'Andriamanitra fitaovana fotsiny nizahany toetra antsika mba hahitany na mendrika ho anisan'ny fofombadin'i Kristy isika na tsia.
Enga anie ny masontsika mba hampahiratina izao ankehitriny izao ka hahatsinjo ireo zavamarina izay ho hitantsika miharihary amin'izay andro izay!
Ny voninahitra lehibe indrindra azon'ny olombelona rehetra ananana dia ny mahazo toerana ao amin'ny Fofombadin'i Kristy amin'izay andro izay, amin'ny maha olona efa voazaha toetra azy ka Andriamanitra mihitsy no efa nankasitraka azy !
Izay manan-tsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino. Amena.