WFTW Body: 

(tohin'ny tamin'ny herinandro ambony …)

Ny famindrampo sy ny fahasoavana

Nandritra ny taona maro naha-mpino ahy dia noheveriko fa zavatra mitovy ihany ny famindrampo sy ny fahasoavana. Saingy indray andro dia hitako fa ilay "famindrampo" dia nilazana indrindra indrindra ny famelan-keloka, fa ny "fahasoavana" kosa dia nilazana ny hery nomen'Andriamanitra antsika mba handresentsika ny fahotana sy ny fakam-panahy eo amin'ny fiainana (Hebreo 4:16 ; Romana 6:14 , 2Korintiana 12:9). Ary izany "fahasoavana" izany dia tonga tamin'ny alalan'i Kristy (Jaona 1:17) ary tsy azo nomena raha tsy taorian'ny nahatongavan'ny Fanahy Masina tao amin'ny olona tamin'ny andro Pentekosta. Tonga votoatin'ny toriteniko koa izany.

Ny maha-olombelona an'i Kristy

Rehefa mivavaka amin'i Kristy ny kristiana rehetra amin'ny maha-Andriamanitra Azy, dia vitsy dia vitsy ireo manasongadina fa Kristy koa anie dia Olona azontsika alain-tahaka. Ny olona sasany dia mampisongadina ny maha-Olona Azy fa mandà ny maha-Andriamanitra Azy kosa fony Izy tety an-tany. Tsy misy firy ny kristiana izay mitory ny fomba fijerin'ny Baiboly mifandanja tsara hoe Kristy dia sady Andriamanitra tanteraka no Olona tanteraka. Kanefa "ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra" (ny sekren'ny fiainana matahotra an'Andriamanitra) dia ny fahitana an'i Kristy ho Olona kanefa naharesy ota (1Timoty 3:16 ; Hebreo 4:15,16). Izany koa dia tonga zavadehibe tao amin'ny toriteniko.

Ny vola

Rehefa nanomboka ny asanay tamin'ny taona 1975 dia tsy dia nalaza loatra ny filazantsaran'ny fanambinana (izay fahenontsika matetika amin'izao andro izao). Kanefa dia mbola tia vola tahaka ny amin'izao andro izao ny kristiana tamin'izany. Jesosy dia efa nampianatra fa izay tia vola dia mankahala an'Andriamanitra (Lioka 16:13). Kanefa mbola tsy nandre mpitoriteny aho na iray aza nitory an'izany. Ny ankamaroan'ny fiangonana dia nampianatra ny mpiangony handoa ny ampahafolon-karena fotsiny. Kanefa ny fandoavana ampahafolon-karena dia tao anatin'ny lalànan'ny fanekena taloha izay efa nofoanana tao amin'i Kristy. Izaho dia nitory ny toritenin'ny fanekena vaovao mitondra fanafahana amin'ny fanomezana amin-kafaliana, ao amin'ny mangingina ary an-tsitrapo ho an'ny Tompo. Ny zavatra anankiray hitako koa dia saika tsy nisy fiangonana aty Inde (araka ny fahafantarako) nitory nanohitra ny fomba ratsy amin'ny fangatahana vola na fananana entin'ny zazavavy mitokantrano (dot), izay fomba tena manambany ny vehivavy manerana an'i Inde. Notoheriko mafy tao amin'ny toriteniko izany fomba ratsy izany, ary rehefa manamasina fanambadiana aho dia naka taratasy fanamarinana vita sonian'ireo mpanambady izay milaza fa tsy nisy fifampiraharahana ara-bola nataon'ny ray aman-drenin'ny roa tonta.

Ny aina sy ny fanahy (l'âme et l'esprit)

Ity koa dia lohahevitra anankiray izay tsy notorian'ny olona. Tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha dia tsy nisy fanambarana mazava tsara mikasika ny fahasamihafan'ny aina (âme) sy ny fanahin'ny olona (esprit). Fa ny Testamenta Vaovao kosa dia nanavaka tsara azy roa ireo (Hebreo 4:12). Ary satria ny ankamaroan'ny kristiana tsy nahafantatra ny mampiavaka azy ireo dia voafitaky ny tetika miharo hafetsena psykolojika ataon'ireo mpitory mahay. Sady voafitaky ny fanomezam-panahy sandoka mampihetsi-po azy izy ireo. Noho izany dia nampianariko ny olona ny fahasamihafan'ny atao hoe tena araka ny fanahy sy ny hoe araka ny ain'ny nofo fotsiny.

Ny Tenan'i Kristy eo an-toerana

Efa hitako mazava tsara fa ny tanjon'Andriamanitra faratampony dia ny hahatonga ny Zanany rehetra ho ao anatin'ny Tenan'i Kristy. Ny fiangonan'ny Testamenta Vaovao dia tokony ho Tena fa tsy ho fivondronan'olona. Ao anatin'ny Tena (tahaka ny ao anatin'ny tenan'olombelona) dia hifandray amin'ny rantsambatana hafa avokoa ny rantsambatana tsirairay ary samy hanana ny anjara asany avy izy. Kristy irery no ho Loha ary ny olona rehetra dia ho mpikambana mitovy avokoa. Efa hitako fa izany no karazana fiangonana izay tian'Andriamanitra ho hita eny amin'ny toerana rehetra eto an-tany. Koa dia nanapa-kevitra aho handany ny fiainako amin'ny fananganana izany fanehoana ny Tenan'i Kristy izany na aiza na aiza azo anaovana azy.

Ny fanekena vaovao

Ireo fahamarinana rehetra ireo dia mifandraika amin'ny fanekena vaovao izay nataon'Andriamanitra tamin'ny olona tamin'ny alalan'ny fahafatesan'i Kristy sy ny nitsanganany tamin'ny maty. Efa hitako fa ny zavatra lehibe indrindra ilain'ny mpino dia ny hampahiratana ny mason'izy ireo hahita fa lehibe kokoa ny voninahitry ny fanekena vaovao raha oharina amin'ny an'ny fanekena taloha. Koa tonga lohahevitra lehibe tao amin'ny toriteniko rehetra izany, ary mbola tohizako mandraka ankehitriny. Ireo no anisan'ny fahamarinana lehibe izay nasehon'Andriamanitra ahy ka ezahiko toriana amin'ny mpino namako amin'ny fomba rehetra, amin'ny toriteny, amin'ny boky, amin'ny horonam-peo sy ny sisa. Ny vesatra tato ampoko dia ny hampiely ireo fahamarinana ireo manerana an'i Inde. Kanefa hitan'Andriamanitra fa mendrika haely lavitra kokoa izy ireo, dia amin'ny mponina any amin'ny firenena hafa rehetra koa.

Ho an'ny Anaran'Andriamanitra irery ihany anie ny voninahitra rehetra.