"Ary raha mivavaka hianareo, aza mba ho tahaka ny mpihatsaravelatsihy…" (Matio 6:5). Alohan'ny ampianaran'i Jesosy antsika ny fomba fivavaka dia manome fampitandremana maromaro Izy mikasika ny vavaka.
Voalohany indrindra, ny mpihatsaravelatsihy dia te ho hitan'ny olona rehefa mivavaka. "Fa izy tia ny mivavaka mitsangana eo amin'ny synagoga sy eo an-joron-dàlana hahitan'ny olona azy. Lazaiko aminareo marina tokoa fa efa azony ny valim-pitiany". Ny fitsipika eto dia izao : raha mivavaka eny imason'olona ianao ka ny tanjonao dia ny hankasitrahan'ny olona ny vavaka ataonao dia fitadiavam-boninahitra izany. Saika ny ankamaroan'ny olona manomboka mivavaka ampahibemaso dia tsy maintsy miaiky fa mitady voninahitra izy rehefa mivavaka.
Anontanio ny tenanao, mitovy amin'ny fomba fivavakao eny imason'olona ve ny fomba fivavakao rehefa irery ianao ? Rehefa ianao irery no mandohalika eo anilan'ny fandriana dia ahoana ny fomba fivavakao ? Inona no teneninao amin'Andriamanitra ? Izany koa ve no lazainao rehefa mivavaka ampahibemaso ianao ? Sa hangolenao ny fomba fiteninao ary somary ampangovitinao ny feonao tahaka ny an'ny mpilalao sarimihetsika, tahaka ny ataon'ny ankamaroan'ny mpivavaka ampahibemaso, mba hiaiky ny olona fa tena mahatoky sady mampihetsi-po ianao ?
Fihatsarambelatsihy izany rehetra izany. Halan'Andriamanitra izany. Maniry aho mba ho tsapanareo fa izany karazana vavaka ampahibemaso izany dia maharikoriko an'Andriamanitra. Halan'Andriamanitra izany ary tsy hohenoiny akory. Ny ankamaroan'ny vavaka ampahibemaso ataon'ny olona any am-piangonana dia tafiditra ao anatin'izany sokajy izany. Mivavaka ny olona mba hampisehoany ny fahaizany mivavaka eo anatrehan'ny hafa. Tena mifanohitra tanteraka amin'ny fampianarana nomen'i Jesosy izany kanefa ataon'ny olona satria mbola tsy nampianarina azy izay rehetra nandidian'i Jesosy.
Ahoana ny fomba hialàntsika amin'izany ? Tokony hitsara tena isika isak'izay mivavaka. Tadidiko ny nivavahako voalohany teny imason'olona tamin'ny naha kristiana ahy. Tena miaiky aho fa nitady voninahitra teo am-pivavahana teo. Rehefa nody tany an-trano aho ary nitsara tena dia niteny hoe "Tompo o, tsy fomba fivavaka tahaka izany no tokony nataoko". Taorian'io rehefa nitsangana sy nivavaka ampahibemaso indray aho dia mbola nitady voninahitra ihany. Rehefa nody tany an-trano aho dia nitsara tena indray. Taona maromaro mihitsy vao afaka tamin'ny faniriana te hahazo voninahitra amin'ny vavaka ataoko ampahibemaso aho. Fa farany, rehefa ela ny ela dia nianarako ny nivavaka tamin'ilay Andriamanitra Tsitoha irery, tamin'ilay Raiko Izay any an-danitra. Efa tojo eo amin'izany ve ianao ? Raha tsia dia te hampahery anao aho mba hilofo ho afaka amin'ny fitadiavam-boninahitra.
Dia hoy ihany Jesosy "Fa hianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina". Ahoana no fanaovana izany rehefa eny imason'olona ? Vitantsika ny manao izany eny imason'olona raha misy varavarana azontsika arindrina ao anatin'ny saintsika. Na dia mijoro eo afovoan'ny olona zato aza aho dia misy varavarana ato anatiko. Arindriko io dia miteny aho hoe "Mijoro irery eto anatrehan'Andriamanitra Tsitoha, Raiko aho". Mety misy olona manodidina ahy kanefa tsy tiako ho eritreretina izy ireo. Izany no anisan'ny antony anakimpiana ny maso rehefa mivavaka. Tsy misy lalàna mandidy antsika hanakimpy ny masontsika rehefa mivavaka. Azo atao ny mivavaka tsy manakimpy maso satria na Jesosy aza nanao izany indraindray.
Akimpintsika ny maso mba tsy ho varimbariana amin'ny manodidina antsika isika ary amin'izay dia tsy mitady voninahitra amin'ireo olona manodidina. Azo lazaina hoe manidy ny olona any alà-trano ny manakimpy ny maso. Tsy maintsy arindrintsika koa ny saintsika ary miteny isika hoe "Ray o, efa narindriko izao ny varavarana ary mivavaka Aminao aho". Izany no fomba fivavaka, ary afaka manao izany isika na eny imason'olona aza. Ao amin'ny mangingina no ivavahantsika amin'ilay Raintsika ary ny Raintsika, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly soa antsika. Azo antoka tanteraka fa raha mivavaka amin'Andriamanitra Rainao ianao ary tsy mitady voninahitra dia tena hamaly fitia anao sy hamaly vavaka anao Izy.
Manome torohevitra antsika misimisy kokoa mikasika ny fomba tsy fivavaka i Jesosy ao amin'ny Matio 6:7 "Aza mba manao teny maro foana tahaka ny jentilisa, fa ataony ho ny hamaroan'ny teniny no hihainoana azy". Anisan'ny fahadisoana ataon'ny jentilisa mihitsy ny manao teny foana miverimberina. Ny antokom-pivavahana sasany dia manana fahazarana manao kalo misesisesy. Mamerimberina fiteny ara-pivavahana izy ka tsy fantatra intsony izay tena dikany.
Azo atao ny mindrana fiteny ara-panahy sy mamerina izany. Azo atao ohatra ny miteny hoe "Haleloia, Haleloia, Haleloia" nefa rehefa elaela dia very ny hevitr'ilay teny. Lasa fombafomba fotsiny. Tahaka izany koa ohatra ilay fiteny hoe "Deraina ny Tompo, deraina ny Tompo, deraina ny Tompo". Hoy Jesosy "Aza manao teny maro foana". Raha mamaky ny Testamenta Vaovao ianao dia ho hitanao fa ny teny hoe Haleloia dia tsy hita raha tsy ao amin'ny Apokalipsy toko faha 19 ary izao no voalaza ao "Haleloia (satria) …", ary aorian'izany dia voalaza indray hoe "Haleloia (satria) …". Tsy maintsy misy antony matoa deraintsika ny Tompo ary noho izany dia tsy tokony hisy olona hiteny hoe Haleloia amin'izao fotsiny. Tsy maintsy misaotra amin'ny zavatra rehetra isika kanefa raha averimberina fotsiny ilay fiteny dia tena hadalana ary tsy misy dikany amin'Andriamanitra. Vao mainka aza ianao amin'izany mety manonona foana ny anaran'i Jehovah satria ny tapany farany amin'ny teny hoe Halleluyah (Haleloia), ny hoe "yah" dia fanafohezana ny Jehovah, ary ny Jiosy dia matahotra mafy ny hanonona izany anarana izany, fandrao manonona foana ny anaran'i Jehovah. Izaho dia mino fa maro ny kristiana no manonona foana ny anaran'i Jehovah rehefa miteniteny fotsiny hoe Haleloia. Miteny matetika hoe Haleloia aho rehefa midera ny Tompo kanefa isaky ny milaza an'izany aho dia ezahiko ho misy antony. Tsy manohitra ny fampiasana io teny io aho, Andriamanitra koa tsy manohitra, kanefa tsy maintsy asiana antony fa tsy ampiasampiasaina fotsiny amin'izao.
Hitanao ve fa ataon'ny kristiana tsirambina ny didy tsotra tahaka an'izany ? Nolazain'i Jesosy fa ny olona tsy kristiana no mamerimberina teny tahaka ny manao fibedibedena ary tokony tsy hisy an'izany mihitsy eo amin'ny fiainantsika. Tsy maintsy feno fanajana an'Andriamanitra isika ary izay tena ao am-po no ambara. Tsy afaka mijoro eo anatrehan'ny mpanjaka anankiray na filoham-pirenena anankiray na ny praiminisitra indiana ianao ka mamerin-teny fotsiny nefa tsy fantatrao akory izay lazainao. Tsy maintsy lehibe lavitra noho izany ny fanajantsika an'Andriamanitra. Fadio ny mamerimberina teny maro foana.
Hoy koa Jesosy "Aza mihevitra fa ny hamaroan'ny teny atao no hihainoana anareo". Izany koa dia fahadisoana anankiray ataon'ny olona rehefa mivavaka izy. Maro ny olona no mihevitra fa rehefa mivavaka elabe izy dia tsy maintsy mihaino azy Andriamanitra. "Nivavaka nandritra ny adiny telo aho, azoko antoka fa nihaino ahy Andriamanitra". Hadalana be izany ary ny olona tsy kristiana no mieritreritra hoe raha mivavaka elabe dia azo antoka fa hohenoin'Andriamanitra. Diso tanteraka izany.
Teo an-tendrombohitra Karmela dia nivavaka nandritra ny ora maro ny mpaminanin'i Bala, mety hoe adiny enina na mihoatra aza kanefa tsy nisy zavatra nitranga. Dia nitsangana i Elia nivavaka nandritra ny telopolo segondra dia latsaka ny afo. Tsy ny halavan'ny vavaka no mahatonga ny Tompo hihaino. Tena zava-dehibe ny hahatakarantsika an'izany.
Ny ankamaroan'ny olona dia mieritreritra fa hohenoina izy rehefa mivavaka mandritra ny alina. "Halina manontolo aho no nivavaka, mazava ho azy fa hamaly ny vavaka nataoko Andriamanitra". Iza no nilaza an'izany ? Ny finoana sy ny fo afa-pahotana no antoky ny valim-bavaka. Ireo no zava-dehibe indrindra. "Raha nankasitraka ota tao am-poko aho" hoy ny Salamo 66:18 "dia tsy mba hihaino ahy ny Tompo".
Na mivavaka mandritra ny alina ianao na mahafinaritra be ny fomba fivavakao dia tsy izany no zava-dehibe. Raha misy fahotana anankiray mbola tsy voavela, raha misy fahotana mbola tsy nibebahanao ao am-ponao, raha tapaka ny fihavananao amin'ny rahalahinao, raha nanisy ratsy olona ianao nefa manatona an'Andriamanitra mivavaka dia tsy hihaino ny vavakao Andriamanitra. Mandehana aloha mihavana amin'ny rahalahinao. Raha misy fahotana nataonao tamin'Andriamanitra na tamin'ny rahalahinao ka tsy mbola nibebahanao ary tsy mbola voavela, dia matokia fa very maina fotsiny ny fotoana laninao amin'ny vavaka na maharitra iray minitra izany na maharitra adiny folo.