WFTW Body: 

Hoy ny Apôstôly Paoly indray mandeha "Araka ny fahamarinana avy amin'ny lalàna dia hita fa tsy nanan-tsiny aho". Rehefa nandaha-teny teo anatrehan'ny mpisoronabe izy ao amin'ny Asan'ny Apostoly 23:1 hoe "Izaho nanompo an'Andriamanitra tamin'ny fieritreretana tsara mandraka androany", dia inona no tian'i Paoly nolazaina ? Ny tiany nolazaina dia izao : efa voatandriko avokoa ny didy rehetra. Inona avy ireo didy voatandrin'i Paoly ? Ireo didy sivy voalohany ihany, satria efa nitsotra ny marina izy ao amin'ny Romana 7:7-8 fa ny amin'ny didy fahafolo izay manao hoe "Aza mitsiriritra, aza maniry zavatr'olona", dia lazain'i Paoly fa nampihetsika ny "fitsiriritana rehetra tao anatiny" izany. Hitany fa nisy fitsiriritana isan-karazany tao am-pony, nisy fitsiriritana vola, fitsiriritana vadin'olona sy zanakavavin'ny olona, fitsiriritana voninahitra sy sy sisa, ary tsapany tamin'izany fa tsy voatandriny ilay didy.

Rehefa feno ny Fanahy Masina tao am-pony ny Apôstôly Paoly (toy ny tamin'ny nidinan'ny Fanahy Masina ka nameno ny olona tamin'ny andro Pentekosta) dia hoy izy ao amin'ny Romana 8:2 "Ny lalàn'ny Fanahy Masina, tsy ny didy folo, fa ny lalàn'ny aina ao amin'i Kristy Jesosy no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana izay nandavo ahy tamin'ny fahatezerana sy ny fitsiriritana ary ny zavatra hafa rehetra". Dia tohizany ao amin'ny andininy faha-4 hoe "ny fahamarinana ilain'ny lalàna, ilay hoe "aza mitsiriritra", dia efa tanteraka ao amintsika izay tsy mandeha araka ny nofo fa mandeha araka ny fitarihan'ny Fanahy Masina". Tsy nisy nahatanteraka izany tao ambanin'ny Fanekena taloha.

Rehefa noresahin'i Jesosy ny fandresena ireo fahotana voalaza ao amin'ny Matio toko faha-5 dia zavatra tsy hain'ny olombelona atao raha tsy miaraka amin'ny Fanahy Masina no nambarany. Raha vakianao ny Matio toko faha-5 sy faha-6 ary faha-7 dia ho hitanao fa amin'ny faran'ireo toko ireo dia tsy mbola voavaly ilay fanontaniana lehibe indrindra. Inona moa izay ? "Tompo ô, ahoana no hahavitako miaina an'izany fiainana izany ?". Tsy nasiany resaka momba izany akory ao amin'ny Matio toko faha-5, faha-6 sy faha-7 ! Ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia mampiseho ny fenitry ny fiainana antenain'Andriamanitra fa ho tratran'ny kristiana ao amin'ny fanekena vaovao ka efa nateraka indray. Kanefa tsy azavainy ao amin'io Toriteny io ny fomba hanatratrarana an'izany.

Koa ahoana no ahafantarantsika izay tokony atao ? Izaho mino fa ny antony nitorian'i Jesosy ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia mba hitsirian'ny faniriana ao am-pontsika hiaina izany fiainana izany. Ary raha misy olona maniry hanana izany fiainana izany dia hanatona an'Andriamanitra izy hiteny hoe "Tompo ô, atoroy ahy ny vahaolana ?" Dia hamaly azy ny Tompo hoe "Mila fenoina ny Fanahy Masina ianao. Mila hatanjahina ny teo-panahy ao anatinao".

Paoly, ilay Apôstôly lehibe izay lehilahy marina araka ny lalàna aza dia tsy nahavita nandresy ny fitsiriritana raha tsy feno ny Fanahy Masina. Ary ny Fanahin'Andriamanitra no nanafaka azy. Tahaka ny nampahiratan'i Jesosy ny mason'ilay jamba : tsy nahavita nampahiratra ny masony irery ilay jamba.

Amin'ny herin'ny Fanahy Masina ihany no ahavitana izany. Raha ny tena marina dia vitantsika ny miaina mifanaraka amin'ny zavatra rehetra resahin'i Jesosy ao amin'ny Toriteny teo an-tendrombohitra raha toa ka feno ny Fanahy Masina isika.

Izaho tsy miresaka an'ireo zavatra sandoka atao varoboba miely patrana ankehitriny izay antsoin'ny olona hoe "fahafenoan'ny fanahy". Raha toa ny fahafenoan'ny fanahy izay andramanao mampihovitrovitra anao, mampitsingidina anao eny amin'ny tany, mampihomehy anao sy mampiteny anao amin'ny fiteny tsy fantatra kanefa ianao aza mbola resin'ny fahotana tahaka ny fahatezerana sy ny fahavetavetana, ary raha mbola mivazavaza amin'ny vadinao ianao, dia tsy ny Fanahy Masina no nameno anao. Aza avela hisy olona hamitaka anao. Marobe ny olona voafitaka. Ny Fanahy Masina dia manome antsika fiteny vaovao, tsy fahaizana miteny amin'ny fiteny tsy fantatra fotsiny fa fifehezana ny fitenin-drazantsika koa. Zava-poana ny miteny amin'ny fiteny tsy fantatra ny alahady maraina ao am-piangonana raha toa ianao ka mivazavaza amin'ny vadinao amin'ny fitenin-drazanao ny alahady tolakandro. Tsy fahafenoan'ny Fanahy Masina izany.

Ny fahafenoan'ny Fanahy Masina dia ahavitantsika mifehy ny lelantsika. Ny vokatry ny Fanahy dia fahononam-po na fahafehezan-tena ary manampy antsika hamolaka ny lelantsika isan'andro mandritra ny herinandro ny Fanahy Masina. Raha tsy izany no miseho dia tokony hangatahinao amin'Andriamanitra ny tena fahafenoan'ny Fanahy Masina. Misaora an'Andriamanitra noho ny fanomezam-pahasoavana kanefa angataho Aminy ny tena fahefenoan'ny Fanahy Masina izay ambony lavitra noho ny fananana fanomezam-pahasoavana. Izay ihany no fomba tokana hahazoana fandresena. Tsy misy fomba hafa.

Lazain'i Jakoba fa ny karazam-biby rehetra dia efa voafolaky ny olombelona avokoa nefa tsy misy olona mahafolaka ny lelany (Jakoba 3:7-8). Ny Fanahy Masina irery ihany no mahay manao izany. Raha feno ny Fanahy Masina ianao dia ampiany hamolaka ny lelanao sy ny masonao. Lazain'i Jesosy fa ireo taova roa ao amin'ny tenan'ny olombelona ireo no mifandray amin'ireo fahotana resahiny ao amin'ny Matio 5:21-32. Ny manota amin'ny lela ary ny manota amin'ny maso. Tena zava-dehibe izy roa ireo.

Aza mety afa-po fotsiny amin'ny fahafenoan'ny Fanahy Masina izay sandoka sy vidiana mora raha tsy manampy anao mifehy ny lelanao sy ny masonao izany. Aoka ianao hanatona an'Andriamanitra ary hiteny hoe "Tompo ô, sandoka sy novidiana mora fotsiny hay ilay azoko. Lazaiko Aminao ny marina. Miezaka maneho amin'ny olona fotsiny aho hoe feno ny Fanahy Masina kanefa hay zava-poana. Mba iriko mafy ny hahazo ilay tena fahafenoan'ny Fanahy Masina".

Fony mbola kristiana tanora ny tenako dia resin'ny fahotana teo amin'ireo lafin-javatra anankiroa ireo aho. Rehefa nitady ny fahafenoan'ny Fanahy Masina aho dia nalefan'ny olona tany amin'ny fiangonana samy hafa kanefa tena nandiso fanantenana ahy tanteraka ny zavatra hitako tany. Nandre tabataba be aho ary niteny hoe "Tompo ô, tsy izao no notadiaviko. Hery ho entiko mandresy ny fahotana no notadiaviko. Na afaka folo taona aza vao azoko izany dia aleoko miandry ilay tena izy. Ilay zavatra azon'i Petera sy Jakoba ary Jaona tamin'ny andro pentekosta no tadiaviko fa tsy izao zavatra sandoka vidiana mora miely maneran-tany ankehitriny izao.

Tian'ny devoly ho afa-po amin'ny zavatra sandoka ny olona. Raha hividy volamena na diamondra ianao na hanakalo vola dia hitandrina be mihitsy ianao mba tsy hahazo sandoka. Raha fantatrao fa be dia be ny vola sandoka miparitaka dia hitandrina tokoa ianao ka handinika tsara ilay vola roa alina eo am-pelatananao. Tsy vao mainka ve ianao tokony hitandrina kokoa raha ny momba ny mandrakizainao no resahina : ilay tena fahafenoan'ny Fanahy Masina !

Aza afa-po fotsiny amin'ny zavatra sandoka. Raha tsy mahafa-po anao ny volamena sandoka sy ny diamondra sandoka ary ny vola sandoka dia tsy tokony ho afa po velively amin'ny fahafenoan'ny Fanahy Masina sandoka ianao. Izao no hamantaranao azy : Efa nanafaka anao tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana ve ny Fanahin'Andriamanitra (Romana 8:2) ? Izay no famantarana.