WFTW Body: 

Jesosy irery no olona tokana izay nateraka kanefa afaka nifidy ny fianakaviana hahaterahany. Tsy nisy tamintsika nanana izany safidy izany.

Iza àry ny fianakaviana nofidian'i Jesosy ? Fianakaviana mpandrafitra tsy nisy mpahalala tao amin'ny toerana nantsoina hoe Nazareta, izay tanàna nilazàn'ny olona hoe "Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta" (Jaona 1:46). Josefa sy Maria dia tena sahirana ka tsy nanam-bola hividianana zanak'ondry akory hatao fanatitra dorana ho an'Andriamanitra

( Lioka 2:22-24 ampiaraho Levitikosy 12:8).

Fanampin'izany, dia Jesosy irery no olona nateraka afaka nifidy tsara ny toerana anankiray tiany hahaterahana. Raha afaka nisafidy izay toerana tiany hahaterahana izy dia taiza no niantefa ny safidiny ? Tany amin'ny fisakafoanan'ny biby tao anaty tranonomby kely !

Mariho koa ankoatr'izany ny fianakaviambe izay nofidin'i Jesosy hihaviana. Vehivavy efatra no voatonona anarana ao amin'ny lisitry ny razambe nihavian'i Jesosy, voalaza ao amin'ny Matio 1:3-6. Ny vehivavy voalohany dia Tamara, ilay vehivavy nanan-janaka tamin'ny fijangajangana niaraka tamin'i Joda rafozan-dahiny. Ny vehivavy faharoa, Rahaba, dia vehivavy janga fanta-bahoaka tao Jeriko. Ny fahatelo, Rota, dia taranaky ny Moabita, izay avy tamin'ny fijangajangan'i Lota tamin'ny zananivavy naterany. Ny fahefatra dia ny vadin'i Oria, Batseba, izay nijangajanga tamin'i Davida.

Nahoana moa Jesosy no nifidy izany taranaka mahamenatra be izany hahatongavana ety an-tany ? Mba hahafahan'i Jesosy mampitovy tanteraka ny Tenany amin'ny taranak'i Adama efa lavo. Hitantsika amin'izany ny fanetren-tenan'i Jesosy. Tsy nitady fianakaviana na tetiarana hireharehana Izy.

Jesosy dia nampitovy tanteraka ny Tenany tamin'ny olombelona. Nino ny fitovian'ny olombelona rehetra tsy ankanavaka Izy, na inona na inona firazanany na fianakaviany na toerany eo amin'ny fiaraha-monina, sy ny sisa. Ary anisan'ny olona kely indrindra teo anatin'ny fiaraha-monina ambany indrindra Izy. Nidina tao ambanin'ny olona rehetra Izy, mba ho mpanompon'ny olona rehetra. Izay midina ao ambanin'ny olona ihany no afaka manandratra ny olona. Ary tahaka izany no nahatongavan'i Jesosy.

Ny Fanahy Masina dia manova antsika amin'ny fanavaozana ny saina (Romana 12:2). Ao anatin'ny eritreritsika no amafazana ny voan'ny tena fanetren-tena mitovy amin'ny an'i Kristy. Tsy avy amin'ny ataontsika na avy amin'ny fitondran-tenantsika no ahafantarana fa efa voaova hitovy amin'ny sain'i Kristy ny saintsika, fa avy amin'ny eritreritsika (rehefa tsy misy afa-tsy isika irery iny). Ny eritreritsika mikasika ny tenantsika sy ny eritreritsika mikasika ny fomba fampitahantsika ny tenantsika amin'ny hafa.

Rehefa kely sy bitika ny fiheverantsika ny tenantsika ao anatin'ny eritreritsika ao dia izay isika vao tena afaka "hanao ny namantsika ho lehibe noho ny tenantsika" (Filipiana 2:3) sy hihevitra antsika ho "kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra" (Efesiana 3:8).

Jesosy dia nihevitra ny Tenany ho olona tsinontsinona mandrakariva teo anatrehan'ny Rainy. Koa tamin'ny alalan'i Jesosy dia niseho tamin'ny fahafenoany rehetra ny voninahitry ny Ray.

Nandritra ny telopolo taona i Jesosy dia nankato an'i Josefa (rainy nanangana Azy) sy ny reniny izay samy olona tsy tonga lafatra, satria izany no sitrapon'ny Rainy. Nahafantatra zavatra maro mihoatra lavitra noho Josefa sy Maria Izy. Tsy nanana ota Izy. Tsy tahaka azy ireo Izy. Kanefa dia nankato azy ireo Izy.

Tsy mora ho an'ny olona anankiray ny mankato an'ireo izay ambany kokoa noho izy ara-pahaizana na ara-panahy. Kanefa tsy mampaninona ny tena mpanetry tena izany, satria mora foana amin'ny olona mahita ny tenany fa tsinontsinona eo imason'Andriamanitra ny manaiky izay olona tendren'Andriamanitra ho eo amboniny.

Nifidy asa tsy dia manaitra i Jesosy, dia asa fandrafetana. Ary taty aoriana rehefa niditra tao anatin'ny asa fanompoany Izy dia tsy nampiany tovona na tovana ny Anarany. Tsy "Pastera Jesosy" Izy. Mainka moa izay hoe "Reverà Dokotera Jesosy"! Tsy mba nitady na naniry toerana ambony sy anaram-boninahitra teto amin'izao tontolo izao Izy hisandratany eo ambonin'ny sarambabem-bahoaka izay notompoiny.

Satria nandray izany toerana maha-tsinontsinona teo anatrehan'ny Rainy izany Jesosy, dia tamin-kafaliana no nanekeny izay notendren'ny Ray ho an'ny fiainany ary nankatoavany tamin'ny fony manontolo ny didy rehetra napetraky ny Ray.

"Ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana" (Filipiana 2:8)

Izany fankatoavana feno sy mitafotafo an'Andriamanitra izany no marika tsy azo ihodivirana hamantarana ny tena fanetren-tena. Tsy misy fitsapana mazava kokoa mihoatra noho izany.

Izay manan-tsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino.