WFTW Body: 

Raha amin'ny fijerin'Andriamanitra azy dia maro amin'ireo farany eto amin'ity izao tontolo izao ity no voalohany eo imasony.

Fahamarinana mahagaga avy tamin'ireo fanoharanafitonataon'i Jesosy izany :

  1. Ao amin'ny Matio 20:1 : ireo mpiasa nokaramaina tamin'ny ora fahiraika ambin'ny folo, izay nandanilany ny 90 isan-jaton'ny fiainany (nandanilany ireo 11 ora tao anatin'ny indray andro) no nomena karama voalohany.
  1. Ao amin'ny Lioka 15:22 : ilay zandriny izay nandany ny 50 isan-jaton'ny fananan'ny rainy (ny anjara lovany) sy nanala baraka ny anaran-drainy no mbola nahazo "ny akanjo tsara indrindra" tao an-trano sy ny "peratra", izay samy tsy nisy azon'ilay zokiny niseho azy ho marina.
  1. Ao amin'ny Lioka 7:41 : ilay anankiray izay nanota be (ary namelana heloka be) no tia indrindra (lasa akaiky indrindra ny Tompo) tamin'ny farany.
  1. Ao amin'ny Matio 21:28 : ilay zanakalahy izay nandà tamin'ny voalohany no nanao ny sitrapon'ny rainy ihany tamin'ny farany, fa tsy tahaka ilay rahalahiny.
  1. Ao amin'ny Lioka 15:3 : ilay ondry veryno nanakaiky kokoa ny Mpiandry ondry noho ireo ondry hafa satria nataon'ilay Mpiandry ondry teo an-tsorony mihitsy izy.
  1. Ao amin'ny Lioka 14:10 : ilay naka ny fitoerana aoriana indrindra tao amin'ny fampakaram-bady no nahazo ny toerana nanan-kaja indrindra .
  1. Ao amin'ny Lioka 18:9: ilay mpamory hetra mpisoloky izay ratsy lavitra noho ny Fariseo raha tombanana no efa nialoha ireo Fariseo, satria efa nohamarinin'Andriamanitra izy.

Mitovy ihany ny hafatra entin'ireo fanoharana rehetra ireo, dia izao : maro no ratsy fanombohana kanefa mahazo ny loka amin'ny farany.

Ny zava-dehibe dia ny fomba famaranantsikany hazakazaka fa tsy ny fomba fanombohantsika izany. Ny olona izay tsy mety kivy ary tsy manamelo-tena noho ny nanombohany ratsy ny fiainany (tahaka an'i Paoly) no hialoha ny olona marobe izay nanomboka tsara ny fiainany, any am-parany any. Tokony hampahery ireo rehetra izay namotika ny fiainany izany, mba tsy ho kivy na hamoy fo, fa handroso hihazakazaka hatrany.

Paoly dia namotika ireo 30 taona voalohany teo amin'ny fiainany, talohan'ny nihaonany tamin'i Jesosy. Kanefa taorian'izany dia nanapa-kevitra izy hanao "zavatra iray loha" : Miezaka hitovy amin'i Jesosy. Koa nataony izay hanadinoana ny tsi-fahombiazana rehetra tamin'ny lasa ary tsy nijery afa-tsy ny teo aloha izy, mba hitovizany tamin'i Jesosy tamin'ireo androm-piainany sisa tety ambonin'ny tany (Fil.3:13,14). Tafiditra tao anatin'izany ny fanatanterahany ny asa fanompoana izay niantsoan'Andriamanitra azy. Ary tamin'ny fiafaran'ny fiainany dia nilaza hoe : "Nahatanteraka ny fihazakazahako aho ary ankehitriny dia tehirizina ho ahy ny satroboninahitry ny fahamarinana(2Tim.4:7).

Nilaza tamin'ireo kristiana ara-nofo tao Korinto i Paoly hoe "Mihazakazaha toy izany mba hahazoanareo ny loka" (1Kor9:24).

Koa na dia ireo kristiana ara-nofo ireo aza dia mbola mety nahazo ny laharana voalohany teo amin'ny fihazakazahana kristiana, raha toa ka nibebaka izy ireo ary nihazakazaka tamin'ny fahazotoana sy ny fifehezan-tena. Izany dia fanantenana tsy maintsy omentsika loholona ny kristiana tsirairay izay resim-pahotana, raha vonona ny hibebaka sy vonona ny hiezaka hanatratra ny mariky ny fitoviana amin'i Kristy izy ireo, na ho vidiany lafo aza izany.