WFTW Body: 

"Ary nitady OLONA teo aminy Aho hanao manda sy hijanona eo amin'ny banga eo anatrehako ... kanjo tsy nahita" (Ezek. 22:30) . Ao amin'ny tantaran'izao tontolo izao, sy ao amin'ny tantaran'ny Isiraely ary ao amin'ny tantaran'ny fiangonana, dia mahita ohatra marobe isika fa matetika dia ankinin'Andriamanitra amin'ny olona ANANKIRAY ny fanatanterahany ny tanjony eo amin'ny toe-javatra iray. Kanefa ny olona anankiray omban'Andriamanitra dia lasa maro an'isa foana.

Noa : Rehefa feno faharatsiana sy fiodinana tamin'Andriamanitra izao tontolo izao, tamin'ny andron'i Noa, ary na dia nisy olona valo natahotra an'Andriamanitra aza tety ambonin'ny tany, dia niankina tanteraka tamin'ny fahamarinan'ny olona anankiray irery ihany ny fahatanterahan'ny tanjon'Andriamanitra, dia i Noa izany. Noa irery no olona nahita fitia teo imason'Andriamanitra tamin'izany fotoana izany (Gen. 6:8). Raha toa ka tsy nifikitra tamin'Andriamanitra io olona anankiray io dia efa ringana tsy nisy ny zanak'olombelona rehetra, ary tsy ho nisy velona na iray aza isika ankehitriny !! Tokony hisaotra an'Andriamanitra tokoa isika satria nifikitra tamin'Andriamanitra i Noa.

Mosesy : Raha mbola nitoetra tany Egypta ny zanak'Isiraely, dia tsy afaka nanafaka azy ireo tamin'ny fanandevozana Andriamanitra mandra-pahitany olona anankiray izay mendrika hisolo tena Azy. Koa efa nivonona Andriamanitra ny hiandry mandra-pahavonon'izany olona izany. Indray mandeha raha niala tsy ho eo amin'ny zanak'Isiraely nandritra ny 40 andro monja Mosesy, dia nivily lalana avokoa ireo olona 2 tapitrisa mahery (Eks. 32). Andro vitsy fotsiny dia ampy hamoizan'ny firenena iray manontolo Ilay Andriamanitra Marina sy andehanany manompo sampy, rehefa sendra tsy eo ilay olon'Andriamanitra.

Josoa : Vakiantsika fa ny zanak'Isiraely dia " nanompo an'i Jehovah tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa, sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa " (Mpitsara 2:7). Nahery vaika loatra ny hery tao amin'i Josoa nahataona ny zanak'Isiraely ka tsy sahy nanompo sampy izy ireo nandritra ny andro niainan'i Josoa sy nandritra ny andro niainan'ireo loholona niara-belona taminy. Fa raha vao maty kosa Josoa dia nihemotra izaitsizy ny zanak'isiraely. Izany dia vokatry ny fiainan'ny olon'Andriamanitra anankiray.

Elia : Milaza ny Baiboly momba an'i Elia fa "ny fiàsan'ny fivavaky ny marina dia mahery indrindra" ( Jak. 5:17,16). Asan'olon-tokana no nampiverina ny firenena iray manontolo ho any amin'Andriamanitra, nampandositra ny miaramilan'ilay ratsy sy namono ny mpaminanin'i Bala rehetra.

Elisa : Nisy dimampolo lahy "zanaky ny mpaminany" (Mpianatry ny sekoly teolojika) tamin'ny andron'i Elia, izay samy nanatena fa indray andro any dia ho tonga mpaminany ao amin'ny Isiraely. Kanefa ny Fanahin'Andriamanitra dia nandalo azy ireny fotsiny ary nipetraka tamin'i Elisa, izay tsy isan'ny "zanaky ny mpaminany" ( 2 Mpanjaka 2 : 7,15). Ny nahafantarana an'i Elisa tao amin'ny Isiraely dia mpanompo fotsiny, " ilay mpanondra-drano ny tànan'i Elia" (2 Mpanjaka 3:11).

Daniela : Rehefa tian'Andriamanitra ny hitondra ny jiosy hivoaka avy tany Babylona ho any Jerosalema dia nila olona anankiray Izy. Nahita an'i Daniela Izy. Daniela dia efa nifikitra tamin'Andriamanitra hatramin'ny fahazazany ary efa naharesy mora foana ireo fitsapana rehetra nandalovany. Fony mbola tovolahy tany Babylona i Daniela dia efa nisafidy ny hitoetra tsara ho an'ny Tompo. "Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany" (Daniela 1:8), andininy tsara ho tadiddian'ny tanora rehetra izany. Raha nihinana ny sakafo naroso teo amin'ny latabatry ny mpanjaka ireo tanora jiosy hafa rehetra, noho ny fahatahorana ny mpanjaka (sakafo efa noraràn'Andriamanitra tao amin'ny Levitikosy), dia i Daniela irery no nandà tsy hihinana izany. Nisy tovolahy anankitelo hafa teo amin'ny latabatra tamin'io andro io, ary raha nahita an'i Daniela nitsangana izy ireo dia nitambatra taminy. Ary Daniela sy ireo telo lahy ireo dia tonga hery nahataona olona ho an'Andriamanitra tokoa tao Babylona.

Paoly : Paoly dia nandany fotoana elaela kokoa tao Efesosy noho ny tany amin'ny fiangonana hafa. Isan'andro isan'andro, nandritra ny 3 taona, dia nitory ny saina rehetra natolotr'Andriamanitra tamin'ny olona tao izy ( Asa 20:31). Ny fiangonana tao Efesosy no tena nahazo tombony indrindra raha oharina tamin'ny fiangonana hafa rehetra. Ireo fampianarana avo lenta ao amin'ny taratasy nosoratan'i Paoly ho azy ireo, dia mampiseho fa tena nifantoka tamin'ny ara-panahy koa io fiangonana io. Noho izany, raha nisy fiangonana izay tokony ho nanana mpino betsaka tafiditra tao amin'ny fiainan'ny fanekena vaovao, dia tokony ho ny fiangonana tao Efesosy. Kanefa indrisy, fa tsy izany no niseho. Na dia ny loholona tao aza dia tsy tafiditra tao amin'izany fiainana izany. Izao no nolazain'i Paoly tamin'ireo loholona ireo talohan'ny nisarahany taminy " Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. Ary avy aminareo no hiposahan'ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy " (Asa 20:29,30). Raha mbola nitoetra tao amin'ny fiangonana tao Efesosy ny vatan-tenan'i Paoly, dia tsy nisy amboadia afaka niditra tao, satria i Paoly dia mpiandry ondry nahery niambina sady mpiandry hentitra ny vavahadin'ny tranon'Andriamanitra.

Mila fijoroana vavolombelona madio ho an'ny Anarany Andriamanitra ISAKY ny taranaka mifandimby rehetra. Ary tsy havelany raha tsy misy vavolombelona ho Azy koa amin'izao taranaka misy antsika izao. Vonona ve ianao ny hanolotra ny tenanao manontolo ho an'Andriamanitra na inona na inona hitranga ?