written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpianatra
WFTW Body: 

Araka ny hevitr'i Jesosy dia tsy mitovy lanja avokoa akory ny didy rehetra. Misy laharam-pahamehana ao amin'izy ireny. Misy manan-danja kokoa noho ny sasany. Misy didy sasany toy ny karazana sakafo tsy fihinana voalaza ao amin'ny Levitikosy 11, izay tsy dia manan-danja tahaka ny hoe aza mamono olona sy aza mijangajanga. Kanefa samy didy avokoa izy rehetra, ary izany no nahatonga an'i Daniela ho olona neken'Andriamanitra, satria efa nanapa-kevitra hitandrina ny didy madinika indrindra ao amin'ny Testamenta taloha izy.

Izao no voalaza ao amin'ny Daniela 1:8, "Ary Daniela ninia tao am-pony tsy handoto ny tenany tamin'ny anjara-hanina avy tamin'ny hanin'ny mpanjaka". Angamba nisy hena kisoa teo ambon'ilay latabatra, na nisy karazam-borona izay voararan'Andriamanitra tao amin'ny Levitikosy toko faha-11 . Mety tsy afaka nanome fanazavana feno mikasika ny antony nandraran'Andriamanitra an'ireo zavatra ireo Daniela, nefa nanapa-kevitra izy hoe "Raha toa ka ampahany amin'ny Lalàn'i Mosesy izany, na dia tsy tafiditra ao anatin'ny Didy folo aza dia hotandremako". Voasoratra fa satria tsy nandoto ny tenany izy, dia nanome voninahitra azy Andriamanitra ary nataon'Andriamanitra vavolombelona mahery vaika tao Babylona izy. Ny hitan'Andriamanitra tao amin'i Daniela dia lehilahy iray vonona ny hitandrina ny didiny rehetra.

Ary izany foana no nitranga hatramin'izay. Andriamanitra dia nitady tsy tapaka olona vonona ny hitandrina ny didiny, olona vonona ny hanao izay nampianarin'i Jesosy, fa tsy olona mitsimpona sy mifidy izay didy tiany fotsiny. Ao amin'ny Matio 5:19 dia hoy Jesosy "Na zovy na zovy no mamaha ny anankiray amin'ireo didy madinika indrindra ireo ka mampianatra ny olona toy izany dia hatao hoe kely indrindra amin'ny fanjakan'ny lanitra izy". Jesosy tsy niteny hoe ho any amin'ny helo izy, fa ho kely indrindra izy raha amin'ny resaka fankasitrahana sy fahamendrehana any an-danitra. Ny kely indrindra eto ambonin'ny tany dia tsy zava-dehibe. Tsy mampaninona mihitsy. Fa ny hoe kely indrindra any amin'ny fanjakan'ny lanitra dia midika fa tsy manisy vidiny anao loatra Andriamanitra Tsitoha. Tsy te ho anisan'ny ao amin'izany sokajy izany aho ! Tsy mampaninona ahy raha tsy miraharaha ahy izao tontolo izao, fa tena tsy sitrako kosa raha tsy miraharaha ahy Andriamanitra.

Mikasika an'i Jaona Mpanao batisa dia voalaza fa ny anjely Gabriela dia niteny tamin'ny Zakaria rainy hoe "Fa ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izy". Zavatra mendrika hotsiriritina tokoa izany hoe ho lehibe eo anatrehan'ny Tompo izany. Tsy te ho kely indrindra eo anatrehan'ny Tompo aho, tsy te ho olona tsy dia raharahian'ny Tompo. Kanefa dia voalaza eto fa hisy olona ho kely indrindra ao amin'ny fanjakan'ny lanitra, tsy noho izy ireo tsy nitandrina ny didy lehibe, fa satria natony tsinontsinona ireo didy madinika.

Efa hitako izany toe-tsaina izany eo anivon'ny kristiana maro ankehitriny. Milaza izy ireo fa kristiana ao amin'ny Testamenta Vaovao, kanefa manao an-tsirambina ny didy madinika sasany ao amin'ny Testamenta vaovao ka miteny hoe "Tsy zava-dehibe io, tsy voatery hankato an'io ianareo". Izaho tsy mametra-panontaniana ny amin'ny finoany an'i Kristy. Tsy natao hitsara azy ireo aho na ho any an-danitra izy na ho any amin'ny helo. Tsy miditra amin'izany aho. Andriamanitra no mpitsara an'izany, kanefa inoako tokoa izay nolazain'i Jesosy hoe raha misy olona manafoana ny didy madinika indrindra ao amin'ireo didy rehetra nampianarin'i Jesosy (sy izay didy rehetra nampianarin'i Jesosy tamin'ny alalan'ny Fanahy Masina tamin'ireo Apôstôliny na tao amin'ny Epistily) dia hatao hoe kely indrindra izy ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Ary ny mifanohitra amin'izany, iza no ho lehibe any amin'ny fanjakan'ny lanitra ? Ny olona mitandrina ny didy madinika indrindra sy mampianatra ny olona hitandrina ny didy madinika indrindra. Tsy misy fanazavana mihoatra noho izany mikasika ny Matio 5:19 . Mazava be izany.

Ny fihetsikao manoloana ireo didy madinika indrindra ao amin'ny Testamenta vaovao no mampiseho ny toerana misy anao eo anatrehan'Andriamanitra ao amin'ny fanjakany. Hoy Jesosy "Raha tia Ahy hianareo dia hitandrina ny didiko". Izany no mariky ny fitiavantsika. Tsy misy afaka miteny hoe "Tia an'i Jesosy aho" kanefa manao tsinontsinona ny didiny. Arakaraky ny haben'ny fanaovanao tsinontsinona ny madinika indrindra amin'ny didin'i Jesosy, arakarak'izany ny haben'ny tsy fitiavanao Azy. Mety mitandrina ireo didy lehibe ianao, kanefa ny fihetsikao manoloana ny madinika indrindra amin'ny didy no mamaritra ny toerana misy anao ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.