WFTW Body: 

FANETREN-TENA :

Izao no vakiantsika ao amin'ny Efesiana 4:1-2 " Ary noho izany, izaho, mpifatotra noho ny amin'ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo, amin'ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin'ny fahari-po mifandefitra amin'ny fitiavana ". Efa nambarako matetika fa ny tsiambaratelo anankitelon'ny fiainana kristiana dia ireto avy : fanetren-tena, fanetren-tena ary fanetren-tena. Eo ny zavatra rehetra no miantomboka. Jesosy dia nanetry tena ary izao no lazainy ao amin'ny Matio 11:29 " Ento ny ziogako, ka mianara amiko ; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po (na manetry tena) Aho ". Zavatra roa loha ihany no nasain'i Jesosy ianarantsika Aminy dia fanetren-tena sy fahalemem-panahy. Satria nahoana ? Satria amin'ny maha-zanak'i Adama antsika dia be fireharehana sady masiaka avokoa isika rehetra. Raha tianao ny haneho ny fiainan-danitra ety an-tany, dia tsy amin'ny alalan'ny asa fitoriana ankalamanjana na amin'ny toriteny na amin'ny fampianarana Baiboly na amin'ny fanaovana asa soa aloha no hanehoanao izany. Voalohany indrindra dia amin'ny alalan'ny toetra feno fanetren-tena sy fahalemem-panahy no ahafahanao maneho izany. Ny tadiavin'Andriamanitra dia fanetren-tena sy fahalemem-panahy ary fahari-po mifandefitra. Ny Efesiana 4:2 (Baiboly Living) dia milaza hoe " Samia mandefitra ny fahadisoan'ny namany avy noho ny fifankatiavanareo ". Tsy misy olona tonga lafatra ao am-piangonana, na aiza na aiza. Samy manao fahadisoana avokoa ny olona rehetra. Noho izany, ao amin'ny fiangonantsika dia tsy maintsy miaritra ny fahadisoan'ny namany avy isika. Tsy maintsy mahalefitra ny fahadisoan'ny namantsika avy isika satria mifankatia. "Raha manao fahadisoana ianao dia hosaronako izany. Raha lasa ianao nefa misy asa tsy vita, dia izaho no hamita azy". Toy izany no tsy maintsy atao hampandrosoana ny Tenan'i Kristy.

FIRAISANA :

Izao no vakiantsika ao amin'ny Efesiana 4:3 " Mazotoa mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy amin'ny fehim-pihavanana ". Ny firaisana no lohahevitra lehibe ao amin'ny ankamaroan'ireo taratasy nosoratan'i Paoly. Ary ny firaisana koa no vesatra ataon'ny Tompo ao am-pon'ny fiangonany. Rehefa maty ny vatan'olombelona, dia manomboka ny fisaratsarahana. Ny vatantsika dia natao tamin'ny vovoka, ary ny vovoka rehetra ao dia voahazona hitambatambatra satria misy aina ao anatin'ilay vatana. Raha vantany vao tsy ao ny aina, dia manomboka ny faharavàna ; ary rehefa ela ny ela dia hiverina ho vovoka avokoa ilay vatana rehetra. Dia tsy misy hafa amin'izany ao amin'ny fiombonan'ny mpino. Rehefa misara-bazana ny mpino ao amin'ny fiangonana anankiray, dia azo antoka fa efa tafiditra ao ny fahafatesana. Rehefa misara-tsaina ny mpivady, dia fantatrao fa efa tafatsofoka ny fahafatesana, na dia tsy misara-panambadiana mihitsy aza izy ireo. Ny fisaratsarahana dia mety hanomboka ao amin'ny fanambadiana ny ampitson'ny andro nanaovana ny mariazy, vokatry ny tsi-fifankazahoan-kevitra, na ny fihenjanana, na ny fifandirana sy ny sisa. Mety hitranga ao amin'ny fiangonana koa izany. Matetika ny fiantombohan'ny fiangonana dia rahalahy mafana fo vitsivitsy izay mifanatona amin-kafanam-po lehibe mba hanangana asa tsy misy tsiny ho an'ny Tompo. Vetivety foana aorian'izany dia tonga ny fisaraham-bazana ary miditra ny fahafatesana. Tsy maintsy mitolona mandrakariva isika mba hitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy, na ao amin'ny fanambadiana izany na ao am-piangonana.

Ny fiangonana aorin'Andriamanitra dia tsy vondron'olona masina samy maka ho azy. Tena iray no aorin'Andriamanitra. Izany no resahan'i Paoly ao amin'ny Efesiana 4:1-2. Mitaona antsika izy mba "hitana izany firaisana avy amin'ny fanahy izany satria iray ny tena". Rahoviana isika no afaka hilaza fa misy firaisana ao amin'ny tena anankiray ? Rehefa misy "fehim-pihavanana (na fiadanana)" (Efesiana 4:3). "Fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiadanana" (Romana 8:6).