WFTW Body: 

Ny fiainana mandrakizay dia ny « mahafantatra an'Andriamanitra ho Raintsika sy mahafantatra an'i Jesosy Kristy ho Tompo sy Mpamonjy ary Mpialoha lalana antsika » (Jaona 17:3). Tsy maintsy ataonao izay hampivelatra ny fifandraisanao am-po amin'ilay Rainao any an-danitra sy amin'i Jesosy raha tianao ny hanana fiainana kristiana mijoro tsara. Izany no fiarovana azo antoka indrindra tsy hampiverin-dalana anao.

Tsy ampy ny mihaino fotsiny ireo toriteny manaitra, na dia teny voahosotra avy amin'Andriamanitra aza. Na dia ny mana nilatsaka avy tany an-danitra aza mantsy dia nanomboka niteraka olitra sy maimbo tao anatin'ny 24 ora (Eks. 16:20). Moramora foana dia very ny maha-vaovao ny fiainanao ao amin'i Kristy ary ho tonga lo izany ao anatin'ny 24 ora !! Kanefa ny mana rehefa notehirizina tao anatin'ny fiaran'ny fanekena (tao amin'ny fitoerana masina indrindra amin'ny tabernakely), teo anatrehan'Andriamanitra, dia tsy niteraka olitra ary tsy maimbo nantritra ny 40 taona nandehanan'ny zanak'Isiraely tany an'efitra, eny nandritra ireo taon-jato maro taorian'izany tao amin'ny tany Kanana ( Eks. 16.33 ; Heb. 9:4). Izany no herin'ny fanatrehan'Andriamanitra izay mitahiry ho vaovao ny zavatra rehetra eo amin'ny fiainantsika. Noho izany, izay rehetra nampitaina taminao mikasika ny Tompo, tsy nivantana fa renao avy tamin'ny olon-kafa (tanaty fivoriam-bavaka na horonam-peo) dia tsy maintsy entina eo anatrehan'Andriamanitra ary avadika ho fahalalana mivantana avy amin'ny Tompo amin'ny alalan'ny Teny mivantana avy Aminy.

Ao amin'ny Matio 11:27-29 dia lazain'i Jesosy fa tsy misy amintsika mahalala tsara ny Ray raha tsy Jesosy no manambara amintsika ny Ray. Mba handraisantsika izany fanambarana izany, dia manasa antsika Jesosy hanatona Azy sy hitondra ny ziogany (ny hazo fijaliana) ary hianatra fahalemam-panahy sy fanetren-tena Aminy (Vakio miaraka ireo andininy anankitelo ireo). Ireo ihany no zavatra anankiroa izay nangatahin'i Jesosy mba hianarantsika Aminy. Noho izany dia tsy maintsy jerentsika ao amin'ny Tenin'Andriamanitra ny voninahitr'i Jesosy, indrindra indrindra ao amin'ireo sehatra ireo :

(1) Fahalemem-panahy . Voalohany indrindra, ny fahalemem-panahin'i Jesosy dia hitantsika tamin'ny niandaniany mandrakariva tamin'ny mpanota izay nifanohitra tamin'ny Fariseo. Hitantsika izany ohatra tamin'ilay vehivavy azo olan-tanana nijangajanga (Jaona 8:1-12). Ary hitantsika koa izany tamin'ilay vehivavy nanosotra diloilo ny tongotr'i Jesosy tao an-tranon'i Simona Fariseo (Lioka 7:36-50). Raha mbola tsy niloa-bava nanaratsy ilay vehivavy i Simona dia tsy niteny na inona na inona mihitsy i Jesosy. Fa raha vao hitan'i Jesosy fa nanamavo an-dravehivavy i Simona dia notenenin'i Jesosy mafy izy noho ny tsy fahalalam-pombany sy ny tsi-fitiavany an'Andriamanitra (Lioka 7:40-47). Jesosy dia tena nasiaka tamin'ireo olona izay nanaratsy ny mpanota nibebaka. Niandany tamin'ny mpanota nibebaka foana Jesosy ary nanohitra ny Fariseo mpively Baiboly. Fampaherezana lehibe ho antsika ny mahafantatra izany. Mila ianarantsika amin'i Jesosy izany fahalemam-panahiny izany.

Ny endrika faharoan'ny fahalemam-panahin'i Jesosy dia hitantsika tamin'ny namelany ny helok'ireo olona nanisy ratsy Azy. Rehefa nantsoin'ny olona hoe lohan'ny demonia Izy dia novaliany avy hatrany ireo hoe voavela ny helokareo (Matio 12:24,32). Rehefa nampijalian'ny olona Izy dia tsy mba nandrahona. Nangina fotsiny Izy (1 Pet. 2:33). Izany no endrika faharoa nisehoan'ny fahalemem-panahin'i Jesosy izay tsy maintsy ianarantsika. Tsy maintsy akifitsika hiala ao anatintsika ny sombin'eritreritra kely misy fo lentika, valifaty, lolompo, ary tsi-famelana, tahaka ny anakifihantsika ny androngo sy kadradraka latsaka eo amin'ny tanantsika

(2) Fanetren-tena . Ny andininy enina voalohany isokafan'ny filazantsaran'i Matio dia mampiseho amintsika ny fanetren-tenan'i Jesosy tamin'ny nifidianany ny fianakaviambe izay hahaterahany. Raha ny mahazatra dia tsy milaza ny anaran'ny vehivavy ny tetirazan'ny Jiosy. Kanefa misy vehivavy efatra voatonona ao amin'ny tetirazan'i Jesosy dia i Tamara, Rahaba, Rota ary Batseba. Tamara dia ilay vehivavy nanan-janaka avy tamin'ny fijangajangany tamin'i Joda rafozany (Gen. 38).Rahaba dia mpivarotena fantadaza tao Jeriko (Jos.2). Rota dia vehivavy moabita, taranak'i Moaba, ilay teraka avy tamin'ny firaisana ara-nofo tamin'ny olom-pady, dia ilay zanak'i Lota vavy nanao izay hijangajangan'ny rainy taminy (Gen. 19). Ary i Batseba dia ilay vehivavy nijangajanga tamin'i Davida. Inona moa ny antony nitanisana ny anaran'ireo vehivavy efatra ireo (izay mampahatsiaro fahavetavetana avokoa), tao amin'ireo andalan-tsoratra voalohany ao amin'ny Testamenta Vaovao ? Izany dia mba hampisehoana fa Jesosy dia nidina tety amin'izao tontolo izao mba hiombona amin'ny mpanota sy hamonjy ny mpanota. Ny fanetren-tenan'i Jesosy dia hita tamin'ny asa fivelomana tsotra kely (mpandrafitra) izay nataony tety an-tany sy tamin'ny nananany ny toetran'ny mpanompo nandritra ny androm-piainany rehetra tety an-tany. Ny toetran'ny mpanompo dia toetra izay miambina lalandava, mamantatra izay zavatra ilain'ny hafa ary manao izay hamahana haingana ny olana raha vao tsikaritra izy ireny (ohatra, Jesosy nanasa ny tongotry ny mpianany).

Ny bokin'i Andrew Murray mikasika ny « Fanetren-tena » dia manome fanamaritana ny fanetren-tena tahaka izao : « Vonona ho tonga tsinontsinona, mba hahatonga an'Andriamanitra ho zava-drehetra ». Nahafaly an'i Jesosy ny nanao an'izany. Izany no tsy maintsy ianarantsika Aminy.

Noho izany dia iambozony foana ny ziogan'i Jesosy ary mianara fahalemem-panahy sy fanetren-tena Aminy. Amin'izany no hanambarany ny Ray bebe kokoa aminao.