WFTW Body: 

Alohan'ny fiverenan'i Jesosy dia hisy fitoriana ity filazantsaran'ny fanjakana ity manerana izao tontolo izao (Matio 24:14).

Inona izany filazantsaran'ny fanjakana izany ? Ny Romana 14:17 dia mampianatra mazava tsara fa filazantsaran'ny fahamarinana sy Fanahy Masina izany, fiadanana ao amin'ny Fanahy Masina ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina. Vitsy dia vitsy ny olona no mitory an'izany. Ny ankamaroan'ny olona dia mitory ny famelan-keloka, izay dingana voalohany tena tsara.

Ho ahy manokana dia ampitoviako amin'ny fanadiovana kaopy izany. Raha manatona ahy ny zanaka keliko anankiray ary miteny hoe "Dada o, azonao omena ronono iray kaopy ve aho ?", sady manolotra kaopy maloto anankiray (sarin'ny fontsika) izy. Inona no ataoko amin'ilay kaopy aloha ? Tsy avy hatrany dia handraraka ronono ao anatin'iny kaopy maloto iny aho. Alaiko aloha iny dia dioviko tsara mihitsy. Kanefa inona no antony anaovako an'izany ? Izaho akory tsy hanome azy kaopy tsy misy na inona na inona ! Hofenoiko ronono iny izay vao omeko azy.

Dia mitovy amin'izany ny fanatonantsika an'i Kristy. Ny zavatra voalohany ataon'i Kristy dia ny manadio ny fontsika aloha, tahaka ny anadiovana ny atin'ilay kaopy. Kanefa havelany eo fotsiny ve iny ? Tsia ! Hofenoiny ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny fiadanan'Andriamanitra ary ny fifalian'Andriamanitra amin'ny alalan'ny Fanahy Masina iny. Izay ilay filazantsara. Raha ity fahamarinana anankiray ity fotsiny no atolotsika ny olona hoe hodiovin'i Kristy ny fonareo, hodioviny ny kaopy, dia kaopy tsy misy na inona na inona no atolotsika ny olona. Izany no antony mampisy kristiana marobe mangetaheta. Tsy afa-po izy ireo satria mivezivezy miaraka amin'ny kaopy tsy misy na inona na inona. Marina fa madio ilay kaopy kanefa tsy misy na inona na inona ao anatiny. Ataon'ny zanako inona moa kaopy madio raha hiteny aho hoe "Inty anaka, kaopy maloto no nomenao ahy dia raiso amin'izay fa efa madio izy izao". Raha izay fotsiny no homen'Andriamanitra antsika dia ho kivy tokoa isika. Izao no havalin'ilay zanako ahy "O ry dada, ronono ange no nangatahiko".

Moa ve ianao noana sy mangetaheta ny fahamarinana ? Ny olana dia tsy noana ary tsy mangetaheta ny fahamarinana ny ankamaroan'ny kristiana, izany no antony hivezivezen'izy ireo miaraka amin'ny kaopy madio tsy misy na inona na inona.

Ny maha-samihafa ny fanekena taloha sy ny fanekena vaovao dia azo aseho an-tsary tahaka izao : ny mpino anankiray ao amin'ny fanekena taloha dia tahaka ny kaopy anankiray mihohoka eo ambony latabatra. Ny fanomezana ny Fanahy Masina izay mitondra ny fanjakan'Andriamanitra ety an-tany omena io mpino io, dia azo ampitoviana amin'ny fakana rano amin'ny siny ka mandraraka izany eo ambonin'ilay kaopy mihohoka. Izany dia sary anehoana ny filatsahan'ny Fanahy Masina. Tahaka izany no niseho tamin'ny andron'ny Testamenta taloha. Nikoriana tety ivelany ny rano. Teo ambony lohan'ny olona ny Fanahy Masina ary nikoriana nanodidina ny tenany ary voatahy tamin'izany ny olona analiny sy anapitrisany maro. Tany an-tany efitra dia olona miisa roa tapitrisa no notarihin'i Mosesy, ilay mpanompon'Andriamanitra voahosotra. Kanefa naloto ny tao anatin'ny fon'i Mosesy. Tsy vitany ny nandresy ny fahatezerana. Na dia tezitra aza izy dia nikoriana avy taminy ihany ny fitahiana ka voatahy ny vahoaka marobe.

Dia tahaka izany koa i Davida, i Samsona, i Gideona sy olona marobe tao amin'ny Testamenta taloha. Teo ambonin'izy ireo ny Fanahin'Andriamanitra. Na dia i Jaona Mpanao batisa izay nanana ny Fanahy Masina teo amboniny hatrany an-kibon-dreniny aza dia nisalasala ny amin'i Kristy rehefa tao am-pigadrana. Nanontany izy na tena Jesosy marina no ilay Mesia na dia efa nandre feo avy tany an-danitra aza izy. Nisy tsi-finoana tao aminy satria tsy mbola nofenoina finoana tao anaty kaopiny.

Fa tamin'ny andro Pentekosta kosa, dia natsimbadiky ny Tompo ny kaopy ary ny Fanahy Masina no narotsany tao anatin'ilay kaopy, dia ny fontsika izany. Ary tsy vitan'ny hoe nitobaka sy nitahy ny vahoaka tahaka ny tamin'ny andron'ny Testamenta taloha fotsiny fa mihoatr lavitra noho izany ny ao amin'ny Testamenta vaovao. Hiboiboika avy ao anaty izany. Izany ilay fanjakan'Andriamanitra miboiboika avy ao anatintsika. Izany ilay fanjakana izay nambaran'i Jesosy fa ho avy amin'ny andro Pentekosta. Izany no nahatonga an'i Jesosy nitany tamin'ny andro farany tamin'ny andro firavoravoana tao Jerosalema hoe "Hisy onin'ny rano velona hiboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan'ny Soratra Masina" (Jaona 7:38). Tsy niseho ary tsy afaka niseho izany talohan'ny andro Pentekosta. Izany no anton'ilay voalaza ao amin'ny Jaona 7:39 hoe "Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin'ny mino Azy no nolazainy tamin'izay fa ny Fanahy Masina tsy mbola nomena 'izany hoe tsy mbola nomena tamin'izany fomba izany', satria Jesosy tsy mbola niditra tamin'ny voninahiny".

Tsy maintsy maty sy nitsangana tamin'ny maty ary nanolotra ny ràny teo anatrehan'ny Rainy aloha Kristy. Izay vao azo nodiovina ny fon'ny olona. Ny ràn'osilahy sy ny ràn'ombilahy tsy afaka manadio ny fon'ny olona velively, izany no tsy nahafahan'Andriamanitra nametraka ny Fanahiny Masina tao anatin'ny olona. Tamin'ny andron'ny Testamenta taloha dia tsy afaka niditra tao anatin'ny olona ny fanjakan'Andriamanitra. Ankehitriny kosa, efa nalatsak'i Kristy ny ràny ary efa niakatra tany amin'ny Ray Izy dia azo diovina avokoa ny fahotantsika rehetra rehefa miaiky ny fahotantsika amin'ny Tompo isika.

Koa navadik'Andriamanitra ilay kaopy nihohoka ary dioviny amin'ny ràn'i Kristy isika dia ampidininy ao anatintsika aloha ny Fanahy Masina mba hampahery antsika hahavitantsika ny sitrapon'Andriamanitra. Rehefa avy eo dia hikoriana avy ao amintsika ny fiainan'i Kristy amin'ny teny sy ny asa mba hahafahantsika koa mitarika ny olona hanao ny sitrapon'Andriamanitra tahaka ny anaovantsika an'izany.

Ny Fanahy Masina dia hiboiboika avy ao an-kibontsika. Raha tsy miboiboika avy ao anaty kibontsika ny Fanahy Masina dia asa fanompoana mbola ao amin'ny fanekena taloha ihany ny antsika.