WFTW Body: 

Tamin'ny herinandro ambony isika dia nanomboka nijery ny tena dikan'ny hoe manatanteraka ny Hafatra lehibe iray manontolo. Tsy amin'ny fitoriana filazantsara any amin'ireo olona mbola tsy nahare izany fotsiny fa amin'ny fanaovana ireny olona ireny ho mpianatry ny Tompo ka vonona hanao izay rehetra andidian'i Jesosy.

Hitantsika tamin'izany fa rehefa nahita vahoaka betsaka nanatona Azy i Jesosy dia nitodika ka nanao fitenenana mafy dia mafy, mbola tsy nisy olona nitenenany mafy tahaka izany hatrizay.

Ny ankamaroan'ny mpitory fivavahana sy ny pastera rehefa mahita vahoaka marobe tonga mihaino azy dia fady azy ny hanao fitenenana tahaka izany. Koa mampiseho amintsika izany fa hafa mihitsy i Jesosy. Tsy nampiraika Azy ny habetsahana. Vitsy dia vitsy ny mpitory fivavahana ankehitriny no tsy miraika amin'ny isa, fa ny hitantsika ao amin'ny Lioka toko faha-14 iray manontolo dia ny hatsarana no tena asongadin'i Jesosy.

Mpianatra ny Azy no tadiaviny, koa izany no nitodihany sy nitenenany tamin'ny olona hoe "Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia tsy azo ekena ho mpianatro izy". Izy tsy nilaza hoe azo atao mpianatra ihany izy fa tsy mpianatra raikitra, fa hoy Izy tsy azo ekena ho mpianatro hianareo, teboka.

Koa eto dia hitantsika ny fepetra voalohany maha-mpianatra. Ny Baiboly dia milaza fa tsy maintsy manaja ray sy reny isika. Koa inona no tian'i Jesosy ambara rehefa nilaza Izy hoe tsy maintsy "mankahala" isika ? Fanambarana misy fampitahanaizy io.

Indraindray Jesosy dia nilaza teny henjana be, ohatra hoe "Raha ny masonao ankavanana no manafintohina anao, dia esory hiala izy", "Raha ny tananao ankavanana no manafintohina anao dia tapaho izy", "Ho moramora kokoa ny hidiran'ny rameva amin'ny vodi-fanjaitra noho ny hidiran'ny manan-karena amin'ny fanjakan'Andriamanitra", "Raha tsy mihinana ny nofoko sy misotro ny ràko hianareo dia tsy hanana fiainana mandrakizay". Be dia be ny teny mahery nolazainy. Kanefa ny teny izay nolazainy dia fanahy sy fiainana. Koa ny tian'i Jesosy nolazaina teto dia izao, raha ampitahaina amin'ny fitiavantsika an'i Jesosy ny fitiavantsika ny havantsika ara-nofo dia tahaka ny aizina oharina amin'ny mazava.

Andeha hampiasantsika fanoharana : raha mitovy amin'ny famirapiratry ny kintana ny fitiavanao ny ray aman-dreninao, ny vadinao, ny zanakao, ny rahalahinao ary ny anabavinao dia tsy maintsy mitovy amin'ny famirapiratry ny masoandro ny fitiavanao an'i Kristy. Rehefa miposaka ny masoandro dia maizina ny fijery ny kintana. Mbola eo daholo ihany ny kintana saingy tsy hitanao izy ireny ao anatin'ny famirapiratan'ny masoandro. Noho izany, ny teny hoe "mankahala" eto dia midika fa ny fitiavanao ny rainao sy ny reninao dia zara raha hita. Mbola tianao foana izy ireo, kanefa ao anatin'ny fampirapiratan'ny fitiavanao an'i Kristy, izay mamirapiratra tahaka ny masoandro dia tahaka ny hoe maizina ny fitiavanao ny ray sy reninao.

Toy ny fankahalana ny fijery ny fitiavantsika an'ireo ankohonantsika raha oharina amin'ny fitiavantsika an'i Kristy. Midika koa izany fa tsy tokony avelantsika hanakantsakana antsika ny ankohonana amin'ny fanaovantsika izay rehetra iantsoan'ny Tompo antsika.

Noho izany, ny fepetra voalohany maha-mpianatra dia ny fitiavana faratampony an'i Kristy. Fitiavana ambony indrindra izay itiavantsika Azy mihoatra noho ny itiavantsika ny ray aman-drenitsika, ny vadintsika, ny zanatsika, ny rahalahy sy anabavintsika mpiray tampo na mpiray fiangonana ary ny fitiavantsika ny aintsika. Afaka milaza ve ianao fa ny asa misiona sy ny fitoriana filazantsara dia efa nahafahan'ny kristiana nahatratra izany toerana izany .

Moa ve ny olona rehetra izay milaza fa kristiana efa nateraka indray dia efa nahatratra izany toerana izany? Moa ianao io ve, izay milaza fa efa kristiana nateraka indray, efa tratranao ve izany toerana izany ? Afaka milaza marimarina ve ianao fa ambony indrindra miohatra amin'ny fitiavanao ny olona rehetra eto an-tany ny fitiavanao an'i Kristy ? Raha ny fandinihako ny mpino any amin'ireo firenena maro tao anatin'izay dimampolo taona farany izay dia tsy marina izany. Marobe ireo olona nanaiky an'i Kristy no mihirahira hoe "Efa voavela ny heloko ka ho any an-danitra aho", kanefa izy mbola tsy tonga mpianatra.

Amin'ny herinandro ambony dia hojerentsika ny fepetra faharoa maha-mpianatra.