(Lahatsoratra famintinana ny toriteny nataon'i Joji Samuel, loholona ao amin'ny fiangonana Christian Fellowship Church any Kottayam any Inde nandritra ny fihaonamben'ny Fiangonana CFC tany Bangalore tamin'ny 2015)
(VAKIO MIADANA SY MILAMINA TSARA ITY TORITENY ITY)
Ahoana no hampaharetantsika ny voninahitr'Andriamanitra ao anatin'ny fiangonantsika mandra-piverin'i Kristy ?
Rehefa milaza isika fa te hampaharitra ny voninahitr'Andriamanitra eo anivontsika dia heverintsika izany fa efa eo anivontsika sahady ilay voninahitr'Andriamanitra amin'izao fotoana izao. Ahoana no ahazoantsika antoka an'izany ?
Tato anatin'ny taona vitsivitsy izay dia nandre fahamarinana lehibe maro isika. Nanafaka antsika tamin'ny ota ireny sady nitondra fahafahana lehibe teto amintsika. Anisan'ny amantarantsika izany fa eto anivontsika Andriamanitra. Satria nolazain'i Jesosy fa ny hahafantarana hoe manana ny fahamarinan'Andriamanitra isika dia rehefa afaka amin'ny ota (Jaona 8:32). Ankehitriny dia mila jerentsika ny fomba haharetan'izany fahafahana izany ka handrosoantsika hatrany.
Tamin'ny faramparan'ny fiainany dia nampahery an'i Timoty i Paoly hoe "Tandremo tsara ny tenanao sy ny fampianarana atolotrao ka aoka ianao hifantoka tanteraka amin'izany" (1 Timoty 4:15-16). Dia nilaza tamin'i Timoty izy hoe raha tohizanao izany dia azo antoka fa hamonjy ny tenanao sy hamonjy ny olona izay mihaino anao. Tato anatin'ny taona vitsivitsy dia efa tanteraka teo amin'ny fiainantsika ireo fahamarinana izay nanafaka antsika ireo ary efa hitantsika koa ny fanatrehan'Andriamanitra rehefa mivory isika. Anisan'ny porofon'ny voninahitr'Andriamanitra eo amintsika ireny.
Teraka tao amin'ny fianakaviana pentekotista aho ary niangona tany amin'ny fiangonana pentekotista. Saingy rehefa nandeha ny fotoana dia tsapako fa maro tamin'ireo zavatra noresahiko no tsy tanteraka akory teo amin'ny fiainako. Ary tsy hitako koa ny fahatanterahan'ireo fahamarinana ireo teo amin'ny fiainan'ny olona tao amin'ny fiangonako na tao amin'ny fiainan'ireo pastera sy mpitondra fiangonana koa aza. Tamin'izany fotoana izany no namakiako boky anankiray nitondra ny lohateny hoe "Ahoana no hiainana ilay fiainam-pandresena" (How to live the victorious life). Novakiako tao anatin'ilay boky fa hay azo atao ny miaina fiainam-pandresena. Koa nieritreritra ny hifandray tamin'ny mpanoratra an'io boky io aho kanefa ny anarana voasoratra tao dia hoe "kristiana tsy fantatra anarana". Noho io boky io dia nanomboka nitsiry ny fanantenako hiaina fiainam-pandresena. Kanefa tsy nisy afaka nanampy ahy ireo olona nanodidina ahy na iray aza.
Taorian'izay aho dia lasa mpinamana akaiky kokoa tamin'ny Rahalahy Zac Poonen ary nanomboka namaky ny bokiny. Tsy ny toriteniny mikasika ny fiainana mandresy fahotana ihany no nohainoiko taminy fa hitako tao aminy koa izany hoe fitoviana endrika na fanahafana an'i Kristy eo amin'ny fiainana. Nitory izy hoe Mpialoha làlana antsika i Jesosy Izay tonga tamin'ny nofo sady nalaim-panahy tamin'ny zavatra rehetra tahaka antsika nefa naharesy. Nanome ahy fomba fijery vaovao tanteraka mikasika ny fiainana kristiana izany ka nanomboka nandeha tao amin'ny fiangonan'ny Rahalahy Zac aho (Christiana Fellowship Church). Fotoana fohy taorian'izany dia nandray ny tena batisan'ny Fanahy Masina koa aho.
Nanomboka ho asan'Andriamanitra ny hetsika pentekotista tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20. Isika rehetra dia samy efa nahare ny fomba namerenan'i Martin Luther (tamin'ny taon-jato faha-16) ny marina mikasika ny hoe "fanamarinana azo avy amin'ny finoana", izay zavatra efa nalevina nandritra ny taon-jato maro. Taty aoriana dia nisy ny hetsiky ny Anabatista izay nampiseho ny marina mikasika ny batisan'ny rano. Avy eo John Wesley dia nitondra ny marina mikasika ny fananana fiainam-pahamasinana sy fiainana misaraka amin'izao tontolo izao. Farany dia tonga ny hetsiky ny pentekotista mba hamerina ny marina mikasika ny batisan'ny Fanahy Masina araka ny nitorian'ny apôstôly azy tamin'ny taonjato voalohany.
Rehefa jerena akaiky ny hetsiky ny pentekotista dia hita fa ny fanomezam-pahasoavana ihany no heverin'ireo mpitarika fa asan'ny Fanahy Masina. Tsy nahita mpitarika pentekotista aho naneho ny herin'ny Fanahy Masina tamin'ny fananany fiainam-pahamasinana. Ny fanomezam-pahasoavana ihany no nifantohan'izy ireo. Tsikaritro ihany koa fa na dia nitady ny herin'ny Fanahy Masina aza izy dia vola foana no notadiaviny sy toerana ambony be voninahitra. Tsy mba nisy niresaka mikasika ny fiainana maha-kristiana mpandresy tao. Nisy olona hafa koa nahita izany fifanoherana izany kanefa tsy nampihontsina azy ireo izany.
Mampahatsiaro ahy tantara anankiray henoko izany. Nisy lehilahy anankiray izay tale ambony tao amin'ny orinasa nisy azy taloha kanefa azon'ny aretin-tsaina izy rehefa nisotro ronono. Mandeha tongotra mankany amin'ny parking akaikin'ny toeram-piasany taloha izy sady mihevitra fa mitondra fiara ny tenany nefa tsy misy fiara akory. Dia ataony avokoa ny fihetsika rehetra tahaka ny hoe misy fiara mihitsy entiny : manitsaka frein izy dia mampihantsona ny fiara eo amin'izay toerana malalaka. Dia vohainy ny varavarana dia mivoaka izy dia akatony ny varavarana dia mandeha manatona ilay mpiambina izy ary miteny aminy hoe "mba ambeno ny fiarako" ! Rehefa afaka kelikely dia miverina eo amin'io parking io indray izy dia manao fihetsika tahaka ny hoe miditra ao anaty fiara, manemotra ny fiara dia mitondra an'iny mandeha. Nisy olona nahita izany fihetsiny izany dia nanontany an'ilay mpiambina indray andro hoe fa inona no ataon'iny lehilahy iny. Dia nohazavain'ilay mpiambina fa iny lehilahy iny taloha dia tonga niasa niaraka tamin'ny tena fiarany fony izy mbola tale ambony tao amin'ny orinasa saingy efa very saina izy ankehitriny. "Kanefa" hoy ilay mpiambina "tsy manelingelina na iza na iza mihitsy izy. Apetrany eto fotsiny ilay heveriny fa fiara dia lasa izy ary miverina indray izy rehefa afaka kelikely dia mitondra an'iny mandeha ! Koa avelako izy hanao izay tiany"! Dia nanontany azy ny olona hoe nahoana no tsy lazainao azy ny marina. Dia izao no navalin'ilay mpiambina parking "Fa nahoana moa aho no hilaza aminy ny marina kanefa izy mandoa ny hofan'ny parking tsy tapaka isan-kerinandro sady mbola manome ahy iray alina isan-tabapolana hanasako ny fiarany"!!
Sary maneho ny zava-mitranga ankehitriny any amin'ny fiangonana pentekotista maro izany : manao sinemà mody miseho ho feno ny Fanahy Masina ny olona ka manao fihetsika sy tabataba samy hafa. Ny pasterany mijery izany fihetsika rehetra izany dia miteny hoe "Fa nahoana moa isika no hanelingelenina azy ireo ? Mandrotsaka ny ampahafolon-karenany isam-bolana ireo sady manao fanomezana matetika ho antsika pastera. Koa nahoana moa isika no hilaza ny marina mikasika ny fiainam-pandresena sy feno ny Fanahy Masina ?" Mazava ho azy fa na ireo pastera aza tsy manana fiainam-pandresena ! Izany no fitaka lehibe misy any amin'ny fiangonana pentekotista maro.
Izany toe-javatra mampihoron-koditra any amin'ny fiangonana maro izany no antony nanirahan'Andriamanitra olona ho eo anivontsika, dia olona manana vesatra am-po sy faniriana lalina hahita ny fahamarinana hanjaka ao amin'ny fiangonan'Andriamanitra.
Ao amin'ny filazantsaran'i Lioka 12:56 dia nanarin'i Jesosy mafy ny Fariseo noho izy ireo tsy nahay namantatra ny androny. Isika koa dia mila mahay mamantatra ny androntsika ankehitriny ary mila mandinika ny toerana misy antsika ary mandroso miaraka amin'ny Tompo. Ny olona mahay mamantatra izao andro ankehitriny izao sy nandray vesatra avy amin'ny Tompo ho an'ny androny ka sady mitondra izany vesatra izany no mandroso no tena atao hoe mpaminany marina .
Betsaka ny mpaminany tao amin'ny Baiboly no nandray vesatra anaty avy tamin'ny Tompo ho an'ny fotoana niainany avy. Jaona Mpanao batisa dia mpaminany sady irak'Andriamanitra. Rehefa dinihina ny fiainany dia hita tao ireo toetra mampiavaka ny mpaminany marina.
Voalohany indrindra dia hafatra tokana ihany no notorian'i Jaona. Dia izao izany "mibebaha ianareo, mibebaha ianareo" ary notoriany tamin'ny hafanam-pony rehetra tokoa izany. Toriteny "équilibré" na mifandanja ve ny toritenin'i Jaona. Tsy izany velively. Iray ihany ny zavatra notoriany : mibebaha hianareo. Ny mpaminany marina rehetra dia manana vesatra anaty napetrak'Andriamanitra tao am-pony ary noho izany dia "mavesatra ila" na tsy équilibré mihitsy ny toriteniny. Iza moa ireo nanao toriteny "mifandanja" tamin'ny andron'i Jaona mpanao batisa ? Ny Fariseo izay nandalina fatratra ny Soratra Masina. Toriteny "mifandanja" no notoriany tao amin'ny synagoga kanefa maty ara-panahy avokoa izy rehetra! Nipetraka tao amin'ny synagoga ny olona nihaino ireo toriteny lazaina fa "mifandanja" ireo kanefa mbola maty ara-panahy foana ny olona. Nisy anefa vitsivitsy tamin'izy ireo nangetaheta an'Andriamanitra ka nivoaka nankany an'efitra mba hihaino ilay toriteny "mavesatra ila" notorian'ilay tena mpaminanin'Andriamanitra dia i Jaona mpanao batisa. Toy izany no namonjena azy ireo tamin'ny fahafatesana ara-panahy.
Ny toetra iray mampiavaka ny tena mpaminany izay hitantsika tao amin'i Jaona koa dia ny fiteny mahery vaika. Ny ankamaroan'ny mpitory rehefa manomboka ny toriteniny dia miarahaba am-panajana ny mpihaino aloha voalohany indrindra. Fa Jaona kosa nanomboka ny toriteniny tamin'ny hoe "Ry taranaky ny menarana" ! Tsy nitory teny mba hampiala voly ny olona izy fa mba hampiaiky azy ireo amin'ny fahotany.
Ny toetra fahatelo mampiavaka ny mpaminany marina dia izy tsy mba mampandefitra ny fahamarinana. Tia nihaino ny toritenin'i Jaona i Heroda mpanjaka ary tena nankasitraka ny toriteniny. Rehefa ankasitrahan'ny olona ny toritenintsika dia mety ho sarotra ny milaza amin'izy ireo ny marina mikasika ny toe-panahiny. Fa Jaona kosa tsy voasakan'izany. Nanitsy an'i Heroda mivantana izy ary nolazainy fa mpijangajanga i Heroda satria manambady ny vadin'ny rahalahiny. Tsy olona nitady marimaritra iraisana mihitsy i Jaona na nila sitraka tamin'olona. Namoy ny ainy izy vokatry ny filazany ny marina. Kanefa hatramin'ny fara fofonainy dia nohazoniny ny hafatra nasain'Andriamanitra notoriany. Toy izany avokoa ny mpaminany marina rehetra.
Ireo olona vitsy tany Isiraely izay nahafantatra fa tena mpaminany nitondra ny hafatr'Andriamanitra i Jaona no nanaraka azy tany an'efitra.
Rehefa jerentsika izao androntsika izao sy ny hetsika ataon'ny fikambanana misy antsika (Ny fiangonana CFC) dia hitantsika fa misy fitoviana maro amin'ny asa fanompoan'i Jaona Mpanao batisa ao.
Voalohany indrindra, tahaka an'i Jaona, dia tsy mitory afa-tsy zavatra anankiray ihany isika : aoka ianao hitovy endrika amin'i Kristy (hanahaka an'i Kristy) amin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina . Rehefa misy olona vaovao manatrika ny fivorianay dia misy manontany hoe nahoana no izany lohahevitra izany foana no torianareo isak'alahady isak'alahady ? Dia lazain'izy ireo fa mavesatra ila ny toriteninay ! Kanefa izany no vesatra ao am-pon'ny Tompo ho an'ny vahoakany amin'izao fotoana izao. Kanefa firy ny kristiana no manaiky fa izany no hafatra avy amin'ny Tompo ho an'izao andro izao, fa izany no vesatra ao am-pon'ny Tompo ho an'ny vahoakany ankehitriny. Ary firy ny kristiana no vonona hivoaka ho "any an'efitra" mba hiaraka amin'ny mpaminanin'ny Tompo ?
Ankoatr'izany, tahaka ny tamin'ny andron'i Jaona, ny toriteny rentsika ato amin'ny CFC koa dia mahery vaika sady tsy mampandefitra ny fahamarinana. Ary tahaka ny nataon'ireo olona natahotra an'Andriamanitra tamin'ny andron'i Jaona dia miantso ny vahoakany ankehitriny koa ny Tompo hivoaka ny toby miaraka amin'i Jesosy, sady hizaka ny latsa nihatra taminy.
Mba efa "hitanao" ve ny vesatra ao am-pon'ny Tompo ho an'ny vahoakany amin'izao fotoana izao ? Raha eny dia vonona ve ianao ny hijoro ho an'ny Tompo sy hiaraka Aminy ? Kanefa tsy maintsy misy sarany aloanao amin'izany.
Mba efa nodinihinao ve ny fanidin'ny andiam-borona ? Misy vorona anankiray eo aloha mitarika ny andiany, ary ny vorona rehetra dia manaraka avy aoriana maka ny endriky ny zana-tsipika. Ilay vorona eo aloha no mitarika ny andiany manontolo. Mety misy sakantsakana maro eo alohan'izy ireo ohatra hoe tariby sy tsatoby fampitana herinaratra na zavatra hafa. Ilay vorona mpitarika no miatrika voalohany an'ireny loza rehetra ireny ary misoroka azy ireny tsara mihitsy. Dia manaraka soa aman-tsara avy ato aoriany ny vorona rehetra koa dia voaro izy ireo. Dia tahaka izany koa isika, tombontsoa lehibe ho antsika ny miaraka sy manaraka ny olon'Andriamanitra izay mitondra ny vesatry ny Tompo sady mitarika antsika ka misoroka ny loza ara-panahy rehetra eny an-dalana.
Indray mandeha i Watchman Nee dia nilaza fa tsy maintsy mihetsika miaraka amin'ny "onjan'ny Fanahy ara-potoana" amin'ny androntsika isika. Raha ohatra isika izao niaina tamin'ny andron'i Martin Luther dia tokony ho niara-nijoro tamin'i Martin Luther isika. Kanefa raha niaina tamin'ny andron'i John Wesley isika dia tsy tokony ho nijoro fotsiny tamin'izay nijoroan'i Martin Luther. Satria tamin'izany fotoana izany dia efa nanome fanambarana bebe kokoa tamin'ny fahamarinany ho an'ny fiangonana Andriamanitra tamin'ny alalan'i John Wesley. Koa tokony ho nijoro niaraka tamin'i John Wesley isika noho ireo fahamarinana ambony kokoa ireo. Raha tsy izany dia tsy ho niara-nihetsika tamin'ny "onjan'ny Fanahy Masina" tamin'izany fotoana izany isika.
Tany am-piandohan'ny taonjato faha-20 dia nanomboka niasa ny Fanahy Masina tamin'ny alalan'ny hetsika Pentekotista izay nanasongadina ny batisan'ny Fanahy Masina. Kanefa amin'izao fotoana izao dia efa nitondra ny vahoakan'Andriamanitra handroso lasa lavitra kokoa ny Fanahin'Andriamanitra. Mitondra ny olona ho any amin'ny fiainam-pandresena sy ny fandresena fahotana. Koa tokony hiara-mihetsika amin'izany onjan'ny Fanahy Masina ankehitriny izany isika rehetra. Ary ireo olona izay manapa-kevitra fa hiara-mihetsika amin'ny fiàsan'ny Fanahy dia hijoro miaraka amin'ny mpaminanin'Andriamanitra ka ho vonona hizaka ny fandatsan'ny olona hoe lasa any ivelan'ny "tobim-pivavahan'ny kristiana" mahazatra izy ireo.
Isak'izay niasa tamin'ny fomba vaovao Andriamanitra tamin'ireo taranaka tany aloha dia nisy foana ny fanoherana nataon'ireo kristiana izay nikasa hamono ilay hetsika vaovao tamin'ny fanakianana mahery vaika. Ary ny fomba mahazatra indrindra nampiasain'ny olona hamonoany ny hetsik'Andriamanitra dia ny fiantsoany an'izany hoe "fampianaran-diso". Ary mampalahelo fa ny tahotra ny fampianaran-diso no betsaka kokoa tao amin'ny kristiana noho ny tahotra ny hanao fahotana bevava !! Koa tsy tokony ho gaga isika raha mandre Sekoly biblika sasany amin'izao fotoana izao mampiditra lohahevitra ao amin'ny fandaharam-pianarany ho an'ny mpianatra hoe "Ny fiangonana CFC dia sekta".
Tany aloha isaky ny nisy mpaminany marina nitsangana teo amin'ny tontolo kristiana ka nanomboka asa vaovao avy amin'Andriamanitra dia noheverina avy hatrany fa sekta foana izany hetsika izany. Koa tsy mahagaga raha mitranga koa izany eo amin'ny tontolo kristiana ankehitriny.
Misy boky anankiray mikasika ny finoana kristiana nosoratana tamin'ny andron'ny apôstôly Jaona (tamin'ny taona faha 100) izay miresaka momba ireo marika telo famantarana ny mpaminany sandoka (amin'ny vanim-potoanan'ny Fanekena Vaovao).
Voalohany indrindra dia voalaza ao fa ny mpaminany sandoka dia hangataka vola ho an'ny tenany foana avy amin'ireo olona mihaino azy. Rehefa niresaka mikasika ny fanangonam-bola ao am-piangonana i Paoly ao amin'ny taratasy voalohany sy faharoa ho an'ny Korintiana dia hanampiana ireo mpino mahantra any amin'ny fiangonana hafa foana izany, fa tsy ho an'i Paoly velively. Efa nolazain'i Jesosy Tompo mazava tsara fa tsy misy olona mahay manompo an'Andriamanitra sy ny vola. Tsy maintsy misafidy ny kristiana tsirairay hoe iza amin'ireo roa ireo no hotompoiny : Andriamanitra sa ny vola. Tsy maintsy tompoiny amin'ny fony manontolo ny iray ary tsy maintsy ajanony tanteraka ny fanompoana ilay iray hafa.
Isika rehetra dia samy mahafantatra fa afa-baraka ny anaran'Andriamanitra aty Inde noho ny fangataham-bola tsy misy farany ataon'ireo mpitoriteny kristiana. Ny ankamaroan'ny mpitondra fivavahana aty Inde dia nahangona harena be ho an'ny tenany tamin'ny fitoriana ny filazantsara. Mahazo vola bebe kokoa izy ireo ankehitriny raha oharina amin'izay mety ho azony raha nijanona niasa tany ivelan'ny fiangonana izy. Izany rehetra izany dia manaporofo fa misy zavatra tena tsy mety amin'ny filazantsara torian'ireny mpitory ireny. Milaza izy ireo fa amin'ny maha-zanak'ilay Mpanjakan'izao tontolo izao azy dia tsy maintsy miaina tahaka ny mpanjaka eto an-tany koa izy !! Izany dia fitaka namoaka hamaimboana manimba ny lazatsaran'i Kristy aty Inde.
Ny marika faharoa voalaza ao amin'io boky io dia izao, ny tena mpaminany (amin'ny vanim-potoanan'ny fanekena vaovao) dia hivezivezy hitory ny hafatra entiny fa tsy hijanona eo amin'ny toerana anankiray. Mifanohitra amini'zany ny an'ireo mpaminany sandoka izay hipetraka soa aman-tsara eo amin'ny toerana anankiray. Indray andro rehefa nangatahin'ny olona hijanona teo aminy Jesosy dia nilaza Izy fa tsy maintsy mandeha any amin'ny toera-kafa koa hitory ny Tenin'Andriamanitra (Lioka 4:42,43). Nolazain'i Petera fa Jesosy dia "nandehandeha nanao soa" hatrany (Asa 10:38). Izany no toetran'ny mpaminany marina rehetra. Ny vesatra napetraky ny Tompo tao aminy dia manosika azy hifindrafindra toerana, hitory sy hanambara izany hafatra izany. Tsy manana izany vesatra anaty izany ny mpaminany sandoka. Mijanona eo amin'ny toerana anankiray izy dia manangana birao foibe ngezabe eo ho an'ny asa fanompoany, lehibe hitan'izao tontolo izao !! Fa ny mpaminany marina kosa dia manaraka ny dian'ny Tompony Izay nilaza hoe "Ny fanjakako tsy avy amin'izao tontolo izao" (Jaona 18:36).
Ny marika fahatelo famantarana ny mpaminany sandoka (araka ny voalazan'ilay boky) dia izao, hisy elanelana be eo amin'ny zavatra lazainy sy ny zavatra ataony, izany hoe eo amin'ny fampianarany sy ny fomba fiainany. Tao amin'ny fiainan'i Jesosy dia nifanaraka tsara tamin'ny fiainany foana ny teny nolazainy, izany hoe nilahatra tsara foana ireo. Vakiantsika ao amin'ny Asan'ny apostoly 1:1 fa Jesosy dia nanao zavatra aloha ary avy eo vao nampianatra ny zavatra nataony. Ny fomba fiainan'ny mpaminany marina dia ho vavolombelona mahery vaika hanamafy ny toriteny ataony. Ny tena mpaminany dia hozohin'alahelo mafy isak'izay misy tsi-fahombiazana eo amin'ny fiainany. Indray mandeha dia nitaraina i Isaia mpaminany hoe "Lozako! maty aho! fa lehilahy maloto molotra fa ny Mpanjaka no efa hitan'ny masoko" (Isaia 6:5). Indray andro dia hoy koa i Paoly "Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity ?" (Romana 7:24). Ny mpaminany marina rehetra izay manaraka ny dian'i Jesosy dia hanana alahelo sy faniriana mivaivay ao am-po mba hifanaraka tokoa amin'ny zavatra toriany ny fomba fiainany. Fa tsy manelingelina ny eritreritry ny mpaminany sandoka akory ny mahita fa samy hafa tanteraka amin'ny zavatra toriany ny fomba fiainany. Raha fintinina dia toy ny milaza amin'ny olona ny mpaminany sandoka hoe "Izaho dia natao hitory ny Baiboly fa ianareo kosa natao hampihatra ny Baiboly".
Farany : na dia mahatoky ho an'Andriamanitra hatramin'ny farany aza ny mpaminany anankiray, ny hetsika natombony matetika dia hihasimba sy ho lefy rehefa ela ny ela satria ny olona niditra tao amin'ny hetsika nataony tamin'ny fahatsoram-po tany am-piandohana dia manomboka mampandefitra tsikelikely ny fahamarinana. Fantatry ny mpaminany mitarika ny hetsik'Andriamanitra izany ary hiezaka araka izay azony atao izy hisorohana izany "fihemorana" izany. Kanefa mety tsy vitany ny hisoroka an'izany. Vakiantsika fa nandao an'i Paoly i Demasy mpiara-niasa taminy (2Timoty 4:10). Fa nahoana moa no nandao an'i Paoly i Demasy ? Satria niezaka i Paoly mba hitohizan'ny asa amin'ny fahadiovana. Izany zavatra notakian'i Paoly izany dia tsapan'i Demasy fa navesatra loatra ho azy satria nanomboka nampandefitra ny fahamarinana izy. Taty aoriana dia maro koa ireo olona avy tamin'ny fiangonanana hafa tany Asia no nandao an'i Paoly (2 Timoty 1:15). Nahoana moa ireo olona niditra tao amin'ny hetsik'Andriamanitra niaraka tamin'ny mpaminany marina no mandao azy amin'ny farany ? Satria olona tsy azo ahodin-doha ilay mpaminany ka tsy manao afa-tsy izay hahafaly an'Andriamanitra na inona na inona vokatr'izany. Tsy nitady izay hahafaly ny mpanaraka azy mihitsy izy na hahafaly olon-kafa. Farany dia maro tamin'ireo mpanaraka azy no nihemotra sy niala tsikelikely satria tsy vonona ny handoa ny sarany tahaka azy.
Ny tena mpaminany dia tsy ho lany andro sy variana amin'ny fikarakarana fivoriana lehibe ary tsy manao lango malefaka misy diplomasia rehefa mitory. Ny olona manao diplomasia mazàna dia te hikarakara fivoriam-bavaka lehibe ary tsy tiany hisy olona hiala amin'ny fikambanany mihitsy. Tsy mba tahaka izany velively Jesosy. Nilaza tamin'ny olona foana Izy fa izay te handao azy dia mahazo miala rehefa te hiala. Tahaka izany koa ny fiàsan'ny mpaminany marina. Ny tena mavesatra ao am-pony dia izao tsy tokony hihena na ho simba mihitsy ny fahamendrehan'ilay asa na ilay hetsika. Tsy avy amin'izao tontolo izao ny fanjakany ka tsy misy fanjakana tokony harovany eto. Izany koa dia marika anankiray ahafahantsika mamantatra ny mpaminany marina amin'izao androntsika izao.
Tadidio fa Jesosy dia nilaza fa isak'izay mandray mpaminany marina isika dia Jesosy mihitsy no raisintsika. Koa tsy maintsy fantarintsika ny tena mpaminanin'Andriamanitra amin'izao androntsika izay ary tsy maintsy raisintsika amin'ny fontsika manontolo izy. Dia tohizan'i Jesosy ihany ny teniny hoe izay mandray mpaminany marina dia handray ny valimpitian'ny mpaminany koa (Matio 10:40,41).
Tsy nantsoiny ho mpaminany isika rehetra. Saingy rehefa mahita mpaminany marina isika dia tokony hiara-mijoro aminy ary tokony hivoaka ny toby hiaraka aminy hiara-mizaka aminy ny latsa. Amin'izay dia handray ny valim-pitian'ny mpaminany koa isika.
Aoka isika handinika tsara ireo fahamarinana ireo ka hampihatra azy eo amin'ny fiainantsika. Amin'izany dia tsy ny tenantsika ihany no ho voaro amin'ny fitaka fa ny olona maro hafa manodidina antsika koa.
Enga anie ka ho tanteraka izany.
Izay manan-tsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino.