WFTW Body: 

Nomen'i Jesosy modely alain-tahaka mikasika ny raharaha ara-bola isika. Tokony arahin'ny fiangonana sy izay rehetra manompo Azy izany.

Fony nanao ny asan'ny mpandrafitra Jesosy, hatramin'ny faha-30 taonany, dia nanao izany asa fivelomany izany tamin'ny fahamarinana Izy. Tsy mba nanambaka olona ary tsy mba nidi-trosa mihitsy Izy.

Taorian'izany dia niditra tao anatin'ny asa fanompoana feno Izy nandritra ny 3 taona sy tapany manaraka. Nandritra ireo telo taona sy tapany ireo dia nanaraka fitsipika hentitra Izy tamin'ny fomba nitantanany vola. Ireo apostoliny koa dia nanaraka ireo fitsipika ireo an-tsakany sy an-davany. Ny fiangonana no Tenan'i Kristy ary noho izany dia tsy maintsy manaraka ireo fitsipika ireo koa ny fiangonana, fitsipika izay narahin'ilay Tenan'i Kristy voalohany (Jesosy Izy tenany mihitsy). Ny fiangonana rehetra sy ireo olona izay mirotsaka amin'ny fanompoana kristiana dia tsy maintsy manaraka ireo fitsipika ireo.

Inona avy moa izany fitsipika izany ?

Voalohany sady laharam-pahamehana , satria mpanompon'ny Rainy Jesosy, dia ny Rainy irery ihany no nitokisany mba hanome Azy izay zavatra rehetra nilainy tety an-tany. Izany dia mitovy tanteraka amin'ny mpiasan'ny orinasa anankiray izay manantena fa ny orinasa no hiandraikitra ny vola ilainy amin'ny fiainany. Noho izany Jesosy dia tsy mba niteny velively mihitsy na tamin'iza na tamin'iza afa-tsy tamin'ny Rainy ihany ny momba ny vola izay nilainy. Tsy nampideradera velively ny ministerany tetsy sy teroa Izy ary tsy nandefa tatitra mikasika ny asany mba hahazoany olona hanohana ny ministerany. Andriamanitra mihitsy no nikasika nivantana olona sasantsasany mba hanoloran'izy ireo fanomezana an-tsitrapo ho an'i Jesosy, ary Jesosy dia nanaiky ireny fanomezana ireny. Jesosy dia nanendry mpitam-bola (Jodasy) anankiray mba hitahiry izay vola azony.

Jereo Lioka 8:2,3 : « Maria atao hoe Magdalena, sy Johana (vadin'i Koza, mpitandrina ny fananan'i Heroda) mbamin'ny maro hafa koa, izay nandray anjara nanohanana an'i Jesosy sy ireo mpianany 12 tamin'ny fananany manokana » . Ary neken'i Jesosy ny fanomezana nataon'izy ireo.

Faharoa , Jesosy dia tena nitandrina indrindra tamin'ny fomba nandaniany ny vola azony. Jaona 13:29 dia ahitantsika taratra ny fomba fandanian'i Jesosy ny volany. Rehefa nanome toromarika an'i Jodasy Izy eto, dia nihevitra ireo mpianatra hafa fa nasain'i Jesosy nandany vola tahaka nyfomba fandanian'i Jesosy mahazatra i Jodasy. Dia izao izany (1) Hividy izay zavatra ilaina, ary (2) Hanome ho an'ny malahelo. Izany foana no tsy maintsy ataontsika torolalana, amin'ny fomba fandaniantsika ny volantsika.

Ireo Apostoly dia nanaraka tsara ny modely nasehon'i Jesosy. Izy ireo koa dia nahatoky ny Rainy izay any an-danitra mba hanome azy izay rehetra nilainy. Noho izany dia tsy mba nilazalaza mihitsy na tamin'iza na tamin'iza ny zavatra nilainy teo amin'ny fiainana na ny zavatra nilain'ny asa fanompoana nataony izy ireo, na tamin'ny teny izany na tamin'ny taratasy (satria ho nilaza ankolaka ny vola nilainy ihany izany). Na oviana na oviana ny apostoly no namporisika ny fiangonana hanao fanangonam-bola dia mba ho zaraina ho an'ny mpino mahantra foana no anton'izany, ary tsy natao ho an'ny antony hafa velively (Jereo 2 Kor. 8 sy 9 ary 1 Kor. 16:1-3).

Misy olona manao dika vilana ny 1 Timoty 5:17,18 ary mampianatra ireo olona ireo fa ny pastera sy ny mpanompon'i Kristy dia tsy maintsy atao tsara karama. Fa inona moa no tena lazain'ireo andininy ireo ?

« Aoka ny loholona izay mitondra tsara hatao tokony hahazo FANAJANA ROA HENY, indrindra fa izay nikely aina amin'ny teny sy ny fampianarana. Fa hoy ny Soratra Masina : 'Aza manakombona ny vavan'ny omby mively vary ianao', ary koa 'Ny mpiasa miendrika hahazo ny karamany' ».

Ireo andininy ireo dia tsy milaza na inona na inona mikasika ny vola velively . Mampianatra fotsiny ireo fa ny mpitondra izay miasa mafy amin'ny fitorian-teny dia tsy maintsy omen'ny mpiangony fanajana roa heny. Raha resaka vola no nambaran'io andininy io, dia izao no azo nandikana azy, Andriamanitra dia mandidy ny fiangonana hanarama ireo mpitondra ao aminy avo roa heny noho ny olona sasany ao amin'ny fiangonana !!! Zavatra mahatsikaiky izany ! Paoly dia tena nampianatra ny mpino eto mba hahay mankasitraka sy manaja ny loholona ao amin'ny fiangonany. Izao no tiany nolazaina tamin'izany « Omeo azy ireo ny voninahitra, tahaka ny amelanao ny omby hihinana ny vary izay veleziny ». Noho izany dia hitantsika fa ny karaman'ny mpitondra fivavahana voalohany indrindra dia fanajana (fankasitrahana sy fankatelemana) avy amin'ny mpiangony, fa tsy vola akory.

Mitovitovy amin'ny fananarana nomen'i Paoly ao amin'ny 1 Tesaloniana 5:12,13 ihany izany : « Manajà ny mpitondra anareo izay miasa fatratra ho anareo..... rakofy fankasitrahana sy fitiavana izy ireo » (Dikany malalaka).

Na dia izany aza dia niresaka momba ny fanohanana ara-bola ho an'ireo mpanompon'i Kristy ihany i Paoly ao amin'ny 1 Korintiana 9:7-18. Izao no nolazainy tamin'izany « Iza no mandeha manafika ka mivelona amin'ny haren'ny tenany ? Iza no manao tanim-boaloboka ka tsy mihinana ny vokatra ? Iza no miandry ondry aman'osy ka tsy mihinana ny rononony ? Raha izahay namafy izay zava-panahy ho anareo, dia zavatra lehibe va raha mba mijinja izay anananareo araka ny nofo kosa izahay ? »

Kanefa tohizan'i Paoly izany teniny izany hoe : « Kanefa tsy nanampatra izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin'ny zavatra rehetra, fandrao hisakana ny filazantsaran'i Kristy. Toy izany koa no nandidian'ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin'ny filazantsara. Nefa tsy nahavatra izany zavatra izany na dia kely akory aza aho fa aleoko maty toy izay hisy hahafoana ny reharehako. Fa raha mitory ny filazantsara aho dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany, fa lozako raha tsy mitory ny filazantsara aho ! Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho ; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra ahy ho andraikitro izany. Inona ary no valim-pitia azoko raha izany (ny karama azoko) ? Izao fotsiny : raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy asiako fandoavam-bola ny filazantsara , mba tsy hanampatra ny fahefako amin'ny filazantsara » .

Koa tsy nitory ho an'ny karama na ho an'ny fanomezana velively i Paoly, satria izy dia « teren'ny fitiavany an'i Kristy » ary satria « Andriamanitra efa nanolotra ny fitoriana ny filazantsara ho andraikiny ». Te hanolotra ny filazantsara maimaimpoana ho an'ny hafa izy, tsy asiana fandoavam-bola, raha tsy izany mantsy dia tahaka ny hoe ampandoavin'Andriamanitra vola ny olona te hihaino ny filazantsara. Ary nasain'i Paoly naka tahaka izany ohatra nasehony izany koa ny hafa (Jereo 1 Kor. 11:1 sy Fil. 3:17).

Noho izany dia hitantsika fa ny Testamenta vaovao dia mampianatra antsika hoe afaka mandray fanomezana hanohanana ny asany ny mpanompon'Andriamanitra (tahaka izay nataon'i Jesosy). Kanefa miaraka amin'izany koa dia hitantsika fa :

(1) Tsy nisy mpanompon'i Kristy mbola nomena karama isam-bolana . Jesosy dia tsy nampanantena karama velively ho an'ny mpianany. Tsy nisy nandray karama mihitsy ireo apostoly. Natoky ny Rainy any an-danitra izy ireo hikasika ny fon'ny olona hanohana azy ireo amin'ny ara-bola (tahaka ny nataon'Andriamanitra tamin'i Jesosy). Ny fiainam-pinoana tahaka izany dia tena zava-dehibe tokoa ho an'izy ireo mba hahazoany fahefana ho an'ny asa fanompoany. Izany koa dia niaro azy ireo tsy ho azon'ny fitiavam-karena.

(2) Tamin'ny fotoana nahitan'i Paoly fa nohararaotin'ny mpitory maro izany fanampiana ara-bola izany , dia nanapa-kevitra izy tsy handray vola na avy amin'iza na avy amin'iza fa hamelona ny tenany, mba hiarovany ny fanambaran'ny filazantsara izay notoriany. Hoy izy ao amin'ny 2 Kor. 11:7-13 (Baiboly Living) : « Nitory maimaimpoana ny Vaovao mahafalin'Andriamanitra taminareo aho, Tsy nangataka na inona na inona taminareo aho, satria nitondran'ny kristiana avy tany Makedonia fanomezana aho. Tsy mbola nangataka karama taminareo aho na iraimbilanja aza, ary tsy hanao izany mandrakizay. Ary holazaiko amin'ny olona rehetra izany ! Ataoko izany mba ho very fihinanana ireo izay mirehareha fa mba mitovy amin'ny fanaovanay ny asan'Andriamanitra koa ny fomba fanaovanay ny asa . Tsy naniraka an'ireny olona ireny velively Andriamanitra ; 'mpisoloky' ireny izay mamitaka anareo hihevitra azy ireny ho Apostolin'i Kristy ».

Hitantsika eto fa indraindray dia mandray fanomezana i Paoly, rehefa nandefa vola ho azy an-tsitrapo ireo kristiana tany Makedonia (Filipy). Kanefa tsy nandray vola avy tamin'ny kristiana tao Korinto mihitsy izy (araka izay hitantsika etsy ambony), satria tiany naseho azy ireo fa tsy mitovy amin'ireo mpitory fivavahana sandoka tao amin'izany toerana izany izy. Paoly dia tsy nangataka fanampiana ara-bola mihitsy na tamin'iza na tamin'iza ary na oviana na oviana. Ary tsy nisy olona nampahafantariny koa izay vola nilainy.

Paoly koa dia tsy nandray vola avy tamin'ireokristiana tao Tesalonika. Hoy izy ao amin'ny 2 Tesa. 3:8-10 : « Ary tsy nihinana maimaimpoana izay hanin'olona izahay, fa niasa andro aman'alina tamin'ny fikelezan'aina sy ny fisasarana mba tsy hahavaky tratra na dia iray akory aminareo aza, tsy noho ny tsy anananay fahefana hangataka aminareo hamelona anay anefa, fa mba tianay hatoro aminareo mivantana hoe ahoana no fomba fiasa tokony hamelomanareo tena » .

Paoly koa dia tsy nandray vola avy tamin'ireokristiana tao Efesosy. Hoy izy ao amin'ny Asa 20:31-35 : « Nandritra ireo telo taona niarahako nipetraka taminareo, tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban'olona aho . Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay. Efa nasehoko anareo tamin'ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin'i Jesosy Tompo, izay manao hoe : Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray » .

Tsy maintsy ataon'ny mpanompon'Andriamanitra tsirairay azo antoka fa maneho ny toetran'i Kristy izy eo amin'ny resaka vola, tahaka ny nataon'i Paoly.

Any amin'ireo fiangonana CFC rehetra izay natsangan'Andriamanitra dia manana ny fameloman-tenany avokoa ireo mpitondra/loholona rehetra miisa 150 (mihoatra aza). Tsy misy na iray aza amin'izy ireo no nahazo karama. Izany modelin'ny fanekena vaovao izany dia nahomby tanteraka nandritra izay 45 taona niorenanay izay (hatramin'ny 1975 izay nanombohan'ny fiangonana CFC ka hatramin'izao 2020 izao). Na tany amin'ireo tanàna lehibe manerana izao tontolo izao izany na tany amin'ireo tanàna ambanivohitra mahantra any Inde. Izany fenitra natsanganay izany dia namonjy anay tamin'ny fidirana antsokosoko ataon'ireo mpitory tia vola izay mampiasa ny Soratra Masina hanararaotany olona hakany vola.

Io ambony io no fenitra tokony hijoroan'ny mpanompon'ny Tompo rehetra amin'izao andron'ny Testamenta vaovao izao. Kanefa ny fivavahana kristiana dia efa niala tamin'izany fenitra izany nandritra ny taonjato maro. Ankehitriny dia marobe ireo pastera sy mpitory izay mbola manery ny olona hanome vola azy ireo sy mandefa taratasy mampihetsipo any amin'ireo mpamatsy vola azy (matetika aza disoin'izy ireo ny isan'ireo olona niova fo soratany) mba hiandrandrany famatsiana ara-bola bebe kokoa hatrany.

Noho izany toetra tsy mendrika mikasika ny ara-bola eo amin'ireo mpitondra fivavahana kristiana izany dia tsy misy hosotr'Andriamanitra any amin'ny ankamaroan'ny asa fanompoana kristiana ankehitriny ary tsy mahazo fanambarana avy any an-danitra ny ankamaroan'ny mpitory teny. Tsy misy mahay manompo an'Andriamanitra sy ny vola (Lioka 16:13).

Nolazain'ny Tompo fa ireo olona izay matoky amin'ny resaka ara-bola ihany no homena ny tena harena (Lioka 16:11), dia ny harenan'ny fanambarana avy any an-danitra sy ny haren'ny hosotry ny Fanahy Masina.

Mbola misy fitsipika lehibe anankiray koa izay tokony hataontsika an-tsaina mandrakariva : Ny mpanompon'Andriamanitra dia tsy mahazo mandray vola fanomezana avy amin'ny olona tsy mpino na avy amin'ny olona mahantra noho izy . Ny fanomezana rehetra avy amin'ny olona mahantra kokoa dia tsy maintsy arotsaka ao anaty fandatsahan-drakitry ny fiangonana fa tsy azon'ny mpanompon'Andriamanitra ampiasaina ho an'ny tenany.

Ireto misy lisitra izay napetakay eo ambonin'ny fandatsahan-drakitra ao amin'ny fiangonana CFC Bangalore :

Alohan'ny hanomezanao ny volanao dia azafady mba hamarino aloha ireto :

1- Moa zanak'Andriamanitra efa niova fo ve ianao ?

2- Manana ny ampy ilain'ny ankohonanao ve ianao ?

3- Afa-trosa tanteraka ve ianao (ankoatry ny fampindramambola nividiananao trano) ?

4- Moa mihavana amin'ny olona rehetra ve ianao ?

5- Am-pifaliana ve no anomezanao ?

Azonao jerena ny rohy etsy ambany hahitanao ny andinin-tSoratra Masina ifotoran'ireo voalaza eo ambony ireo (jereo ny pejy amin'ny teny malagasy).

http://www.cfcindia.com/our-financial-policy

Izahay tsy mitsara ny fiangonana hafa na ny pastera hafa izay tsy mitovy fanao aminay ao amin'io sehatra io. Ho tonga Fariseo izahay raha manao an'izany. Kanefa izahay dia mikatsaka ny hiarovana mafy ny fenitra izay hitanay teo amin'ny fiainan'i Jesosy sy teo amin'ny fiainan'ireo apostoly.

Izay manan-tsofina enti-mihaino, aoka izy hihaino.

Amena.