WFTW Body: 

Olona anankiroa tao amin'ny Testamenta Vaovao no niteny hoe "Manaraha ahy" (na manahafa ahy). Tsy nisy na mpaminany iray aza tao amin'ny Testamenta taloha afaka niteny hoe manaraha ahy. Tsy modely tokony hotahafina ny fiainan'izy ireo. Na i Isaia izany na i Mosesy, na iza na iza. Izao ihany no azon'izy ireo nambara "Henoy izay lazain'Andriamanitra amin'ny alalako". Tsy nisy na anankiray tamin'izy ireo aza afaka niteny hoe "izaho alaina atao modely". Mosesy dia nifanditra tamin'ny vadiny sady nandika ny didin'Andriamanitra satria tsy namora ny zananilahy. Tsy modely tsara hotahafina ny fiainan'izy ireo kanefa afaka nitory tsy nisy diso ny tenin'Andriamanitra izy hoe "Izao no lazain'i Jehovah". Fa ao amin'ny fanekena vaovao kosa dia tsy milaza fotsiny isika hoe "Izao no lazain'ny Tompo". Tsy miteny fotsiny isika hoe "Avia ka henoy izay lazain'Andriamanitra".

Ao amin'ny fanekena vaovao dia izao no lazaintsika " Avia ka jereo izay nataon'Andriamanitra". Samy hafa tamin'ny nolazain'ireo mpaminany tao amin'ny Testamenta taloha hoe "Avia ka mihainoa izay lazain'Andriamanitra". Izao no lazain'ny mpaminanin'ny Testamenta vaovao "Avia ka jereo izay nataon'Andriamanitra teo amin'ny fiainako. Avia ka jereo izay nataon'Andriamanitra tao amin'ny ankohonako. Avia ka jereo izay nataon'Andriamanitra tamiko. Ankehitriny dia te hampianatra anareo aho hitandrina izay nandidian'i Jesosy mba hataony aminareo koa izay nataony teo amin'ny fiainako. Manaraha ahy".

Jesosy no niteny voalohany tao amin'ny Baiboly hoe "Manaraha Ahy". Avy eo dia vakiantsika izay nolazain'i Paoly hoe "Aoka hanahaka ahy hianareo tahaka ny anahafako an'i Kristy" (1 Korintiana 11:1). Hoy ihany i Paoly ao amin'ny Filipiana 3:17 hoe "Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy hianareo, ka diniho izay mandeha tahaka anay koa. Aoka hanahaka azy koa hianareo satria manahaka an'i Kristy aho". Kristy dia azo oharina amin'ny olona nihanika tendrombohitra 10 000 metatra. Efa tonga any an-tampony Izy ary isika manaraka azy avy ato aoriana. Paoly dia azo antoka fa eo alohantsika. Angamba efa tonga hatrany amin'ny 3 000 na 4 000 metatra izy. Hoy Paoly amin'ireo olona mbola ao aoriany "Manaraha ahy". Mety tafakatra 500 metatra fotsiny aho. Afaka miteny amin'ireo olona mbola any ambany kokoa noho izaho aho hoe "Manaraha ahy". Azoko atao modely ireo efa eo alohako izay manaraka an'i Kristy hatrany an-tampony. Ny tampony dia fitoviana tanteraka amin'i Kristy. Izany no tanjona. Ny tanjona dia tsy hoe hanasitrana ny marary rehetra eto amin'izao tontolo izao fa ny tanjona dia manahaka tanteraka an'i Jesosy eo amin'ny fiainana, ary hivoaka avy ao amin'izany fiainana izany ny asa fanompoana mitobaka.

Tsy maintsy mazava amintsika tsara izany. Tsy nandidy antsika i Jesosy hilaza amin'ny olona hanao ny asa fanompoana izay nataony. Tsy afaka manaraka an'i Paoly isika rehefa nilaza izy hoe "Manaraha ahy" raha fanompoana no noresahiny tamin'izany. Tsy nasainy tonga apostoly isika. Ahoana moa no ahatongavan'ny olona rehetra ho apostoly ? Ahoana moa no ahatongavan'ny olona rehetra ho mpaminany na evanjelistra toa an'i Paoly ? Hoy i Paoly "Aoka ianareo hanahaka ahy eo amin'ny fiainako. Manahafa ahy tahaka ny anahafako an'i Kristy". Na ny apostoly Paoly aza dia tsy afaka nanao asa fanompoana nitovy tamin'ny an'i Kristy hoe manasitrana ny marary rehetra, mandeha eny ambony rano, mamahana olona miisa 5000 tamin'ny mofo dimy. Nisy fotoana nilazan'i Paoly fa noana izy (2Korintiana 11:27). Rehefa tsy nanam-bola izy ka nangovitry ny hatsiaka dia nasainy nitondra firakotra ho azy i Timoty (2Timoty 4:13). Niharan'ny fijaliana isan-karazany ireo kristiana tany am-boalohany. Tsy voaro izy ireo rehefa natsipy tany amin'ny liona fa nanaraka an'i Jesosy izay tsy nanaiky narovana rehefa nohomboana tamin'ny hazofijaliana. Ny fiainan'i Jesosy no tsy maintsy arahintsika. Tsy afaka manaraka ny asa fanompoany isika.

Ny ohatra mazava indrindra amin'izany dia izao, anisan'ny asa fanompoan'i Kristy ny fahafatesany noho ny fahotan'izao tontolo izao. Ahoana moa no hanahafantsika azy amin'izany asa fanompoany izany ? Tsy afaka isika. Koa ny fiainany no tokony tahafintsika. Tsy maintsy avahantsika tsara ny fiainan'i Jesosy sy ny asa fanompoan'i Jesosy. Tao anatin'ny fehezan-teny anankiray no nilazan'i Jesosy fa nanao ny sitrapon'ny Rainy Izy, na teo amin'ny fiainany na teo amin'ny asa fanompoany. Afaka manao ny sitrapon'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika sy eo amin'ny asa fanompoantsika isika. Eo amin'ny fiainantsika dia tokony hataontsika modely i Jesosy. Izany no nataon'i Paoly. Eo amin'ny asa fanompoantsika dia tokony hamita ny anjara asa voatendry ho antsika ao amin'ny tenan'i Kristy isika. Raha azontsika tsara izany fahasamihafan'ny fiainan'i Jesosy amin'ny asa fanompoan'i Jesosy izany dia ho voaro amin'ny famitahana sy ny nofinofy ary ny fihatsaram-belatsihy isika. Betsaka ny fiihatsarambelatsihy ao amin'ireo kristiana izay mihambo ho mahavita ny zavatra nataon'i Jesosy.

Indraindray misy manontany hoe "Inona moa no tian'i Jesosy nolazaina tamin'ny fanasana farany hoe "Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa : izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa, ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin'ny Ray. Ary Izaho hangataka ny Fanahy Masina amin'ny Ray" (Jaona 14:12,16) ? Ny tiany nolazaina dia hoe rehefa ho avy ny Fanahy Masina dia afaka hanao ny asa nataony sy asa lehibe kokoa noho izay nataon'i Jesosy isika. Tsy maintsy azontsika tsara izany.

Raha manontany olona ianao hoe inona avy ireo asa nataon'i Jesosy, dia hiresaka avy hatrany mikasika ny fanasitranana ny marary izy, ny fananganana olona amin'ny maty, ny fandehanana teny ambony rano, ny famahanana 5000 lahy tamin'ny mofo dimy. Kanefa ireo 10 isan-jato farany tamin'ny fiainan'i Jesosy ihany no resahinareo! Ireo ny asa nataon'i Jesosy nandritra ireo telo taona sy tapany farany teo amin'ny fiainany. Izay ihany ve ny nataony ? Ahoana ny amin'ireo 90 isan-jato ambiny ? Inona no nataony tamin'ny 90 isan-jaton'ny fiainany ? Inona no nataony nandritra ny androm-piainany rehetra ? Ao anaty fehezan-teny anankiray : nanao ny sitrapon'ny Rainy Jesosy. Jesosy mihitsy no nilaza tao amin'ny Jaona 6:38 hoe "Tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanangana ny maty na hanasitrana ny marary na handeha eo ambonin'ny rano fa handà ny sitrapoko sy hanao ny sitrapon'ny Raiko".

Raha fintinina dia izany ny "asa nataon'i Jesosy" Tonga Izy mba hiteny hoe "Tsia" amin'ny sitrapon'ny tenany fa kosa hanao ny sitrapon'ny Rainy. Tao anatin'izany sitrapon'ny Rainy izany ny fitoriana ny Toriteny teo an-tendrombohitra, ny fanasitranana ny marary rehetra, indraindray fanasitranana olona anankiray tahaka ny tao amin'ny farihin'i Betesda, ny fandehanana teny ambony rano, ny fampandehanana an'i Petera teny ambony rano, ary ny famahanana 5000 lahy tamin'ny mofo dimy. Tsy tafiditra tao anatin'ny sitrapon'ny Ray ho an'i Paoly ny fandehanana teny ambony rano sy ny famahanana olona 5000 tamin'ny mofo dimy ary ny fananganana olona efa maty nandritra ny 4 andro tahaka an'i Lazarosy fa ny tafiditra tao dia ny fanaovan'i Paoly ny sitrapon'ny Ray.

Izay no tena zava-dehibe. Ny asa nataon'i Jesosy raha bangoina dia ny sitrapon'Andriamanitra. Izany koa no nataon'i Paoly. Ny sitrapon'Andriamanitra ho an'i Paoly dia handehandeha hivezivezy, hananganana fiangonana ary hanoratra ny Soratra Masina. Tsy nanoratra Soratra Masina mihitsy i Jesosy. Isika rehetra kosa dia nantsoina hanao ny sitrapon'ny Raintsika. Ireo no asa nataon'i Jesosy. Tao anatin'izany ny fankatoavany an'i Josefa sy Maria tao an-tokantrano. Raha nasain'i Maria nantsaka rano Izy dia nitondra siny feno rano. Ireo ny asa nataon'i Jesosy : fankatoavana ny Ray na tamin'ny zavatra kely na tamin'ny zavatra lehibe. Afaka manao izany isika rehetra.