"Aza omena ny alika izay masina, ary aza atsipy eo anoloan'ny kisoa ny vatosoanareo, fandrao hanitsaka azy izy, dia hifotitra ka hamiravira anareo" (Matio 7:6). Inona no dikan'izany ? Misy fanambarana mitovitovy amin'izany koa nolazain'i Jesosy rehefa nankany Syro-foinika tany amin'ny faritanin'i Tyro Izy 15:21-28). Rehefa tonga tany Tyro i Jesosy dia nisy vehivavy anankiray nangataka taminy mba hamoaka ny demonia amin'ny zanani-vavy. Dia nitodika Jesosy namaly hoe "Tsy mety raha maka ny mofon-jaza ka manipy azy ho an'ny amboakely" (Matio 15:26). Nanohitra izany fanambarana izany ny olona sasany.
Niantso azy hoe alikavavy ve i Jesosy ? Raha ianao ve ohatra dia hahavita handeha tongotra 150 kilometatra mba hanampy olona anankiray, indrindra raha tsy tianao ilay olona ? Adiny firy no lany handehanana an-tongotra 150 kilometatra ? Andro vitsivitsy farafahakeliny. Dia hitantsika amin'izany ny haben'ny fitiavan'i Kristy an'io vehivavy io. Ary satria hitantsika izao fa lalina loatra ny fitiavany an-dravehivavy dia fantatra fa nizaha toetra an-dravehivavy ny Tompo mba hahitany na vonona ny hanetry tena izy na tsia ary vonona hiaiky fa tsy mendrika ny hahazo na inona na inona avy amin'Andriamanitra. Rehefa namaly ravehivavy hoe "Marina izany, fa na dia ny amboakely aza mba mihinana izay sombintsombiny latsaka avy amin'ny latabatry ny tompony ihany", dia hoy Jesosy "Ravehivavy, lehibe ny finoanao!" Indroa ihany Jesosy no mba nilaza an'izany teny izany tamin'ny olona, ary ireo olona roa ireo dia samy tsy jiosy. Ny voalohany dia ilay kapiteny Romana ary ny faharoa dia ity vehivavy avy any Syro-foinika ity. Jereo tsara ange izany fankasitrahany an-dravehivavy izany e!
Zava-dehibe ny hahatakarantsika fa rehefa miresaka hoe alika na kisoa i Jesosy ao amin'ny Soratra Masina dia tsy manao tsinontsinona olona Izy tsy akory. Miaiky fotsiny Izy fa tsy mendrika ny hahazo na inona na inona avy amin'Andriamanitra isika. Izay olona mieritreritra hoe "Mendrika aho ary tokony hanao zavatra ho ahy Andriamanitra" dia mbola tsy mahafantatra ny toerana misy ny olombelona eo anatrehan'Andriamanitra. Zavatra tokana ihany no mendrika ho ahy sy ho anao dia ny helo. Raha manatona an'Andriamanitra isika ka miteny hoe "Tompo o, omeo anay izay mendrika ho anay", dia tokony hanome antsika ny helo Izy. Ny zavatra rehetra tsara kokoa noho izany dia fahasoavan'Andriamanitra. Rehefa eken'ny saintsika izany dia ho hitantsika fa marobe ny zavatra tsy mendrika ho antsika nefa omen'Andriamanitra. Saingy tsy miaiky an'izany toerana misy azy izany ny ankamaroan'ny olona.
Noho izany, rehefa mahita fanambarana tahaka izao isika dia tsy hoe mihevitra ny olona tahaka ny alika akory na tahaka ny kisoa. Samy mpanota avokoa isika rehetra. Ny olombelona rehetra tsy ankanavaka na iza na iza dia mpanota avokoa. Ny sasany amintsika novonjena tamin'ny fahasoavan'Andriamanitra, navela ny fahotany fa ny sasany kosa mbola milona ao anatin'ny fahotany. Kanefa ny tena marina dia mpanota avokoa isika rehetra satria samy nandova izany tamin'i Adama. Noho izany dia tsy misy olona tokony hieritreritra fa tsara noho ny hafa izy na afaka hanambany ny hafa tahaka ny alika na tahaka ny kisoa.
Rehefa nilaza Jesosy hoe "Aza omena ny alika izay masina", ny tiany nambara dia hoe "Aza omena ny olona izay zavatra tsy ankasitrahany". Tsy maniry afa tsy taolana ny alika. Tsy maniry zavatra masina izy. Rehefa ny zavatra ara-nofo no imatimatesan'ny olona kokoa noho Andriamanitra dia azo lazaina fa tsy tsara noho ny biby izy. Inona no antony ivelomanao ? Ny hitaiza ny zanakao fotsiny ve no antony ivelomanao, ny filàna ara-nofo sy ny sakafo matsiro ve ? Hay, izany daholo koa no mahaliana ny biby rehetra ! Liana amin'ny zavatra ara-nofo foana ny biby. Miondrika mijery ny tany foana ny alika. Ny kisoa koa torak'izany. Tsy mbola nahita alika na kisoa niandrandra lanitra ianao. Ny biby dia mifantoka foana amin'ny zavatry ny tany ary izany no dikan'ny teny hoe "amboa" eto. Manondro ireo "olona mifantoka amin'ny zavatry ny tany".
Ny tena kristiana dia manandratra ny lohany. Mijery ny zavatra any ambony izy. Tsy misy tokony hanomezana ny zavatra masina ho an'ny olona tsy liana amin'ny zavatra any ambony. Mitovy amin'ny manipy perla eo anoloan'ny kisoa izany. Antontam-pako no tadiavin'ny kisoa. Izany no tiany atao sakafo. Noho izany dia tsy misy tokony hanomezana azy zavatra masina. Ny Toriteny teo an-tendrombohitra no lazain'i Jesosy amin'izany. Ny fampianarana momba ny Toriteny teo an-tendrombohitra dia tsy natao ho an'ny olona tsy mpino. Izao no tian'ny Matio 7:6 ambara : aza torina amin'ny olona tsy mbola nateraka indray ity toriteny teo an-tendrombohitra ity satria tsy ho hainy ny hankasitraka azy. Tsy maintsy fantarintsika tsara ny fahamarinana azontsika omena ny olona tsirairay. Izany no tian'i Kristy lazaina ao amin'io andininy io.
Ny zavatra tokony ho ren'ny olona mbola tsy nateraka indray dia ny toritenin'ny fibebahana. Mila mahafantatra izy ireo fa mpanota. Mila mahafantatra izy ireo fa mendrika ho any amin'ny helo. Mila mahafantatra izy ireo fa olom-bery tafasaraka amin'Andriamanitra ary mizotra mankany amin'ny fanamelohana ho any amin'ny helo mandrakizay. Izany no toriteny mila henoin'ny olona tsy kristiana sy mila henoin'ireo kristiana teraka tao anaty fianakaviana kristiana (nefa tsy mbola nateraka indray, tsy mbola manana fifandraisana velona amin'i Kristy).
Ny olona rehetra izay tsy mbola nanome ny toerana voalohany eo amin'ny fiainany ho an'Andriamanitra dia mitovy amin'ny biby. Tsy liana amin'Andriamanitra mihitsy ny biby, tsy liana amin'ny fivavahana, tsy liana amin'ny fihainoana ny teny avy amin'Andriamanitra. Raha misy olona miaina eto an-tany kanefa tsy miraharaha fivavahana, tsy miraharaha an'Andriamanitra, tsy miraharaha hihaino izay lazain'Andriamanitra aminy dia tsy tsara noho ny biby izy. Ny biby dia liana amin'ny filàna ara-nofo. Raha ny filàna ara-nofo no tena tadiavin'ny lehilahy anankiray dia mitovy amin'ny biby izy. Ny biby rehetra dia liana amin'ny filàna ara-nofo sy ny sakafo ary rehefa ny filàna ara-nofo sy ny sakafo sy ny torimaso ary ny fiterahana ihany no mahaliana ny olona dia mitovy amin'ny biby izy. Kanefa hafa ny fomba namoronan'Andriamanitra an'i Adama.
Ny vovoka nampiasan'Andriamanitra tamin'ny nanamboarany ny kisoa sy ny alika ary ny biby rehetra ihany no nanamboarany an'i Adama. Tsy vovoka samy hafa no nampiasainy.
Raha jerenao ny taova ao anatin'ny vatan'ny alika sy ny kisoa dia misy itovizana betsaka amin'ny taova ao anatin'ny olombelona. Koa tian'ny Tompo nolazaina tamin'izany fa samy namboarina avy tamin'ny akora iray ihany ny vatan'ireo. Ary izany no antony nanamboaran'Andriamananitra ny biby sy ny olona tamin'ny andro fahenina. Ny tapany voalohany tamin'ny andro fahenina dia nanamboaran'Andriamanitra ny biby, ny tapany faharoa dia nanamboarany ny olombelona. Kanefa nisy fahasamihafana lehibe tamin'ny nanamboarany ny biby. Tsy nofofoniny fofonaina mahavelona ny biby. Tonga dia nanana fofonaina ho azy ny biby raha vao voaforona avy tamin'ny vovoka. Fa raha vao nohariana kosa ny olona dia nofofonin'Andriamanitra fofonaina mahavelona izy ary tonga olombelona (Genesisy 2:7). Ary izany no nampiavaka avy hatrany ny olona tamin'ny biby, dia ilay fofonain'Andriamanitra izany.
Raha tsy nofofonin'Andriamanitra fofonaina i Adama dia mety ho nanana ny endrik'olombelona ihany izy saingy ho nitovy tamin'ny biby. Fa tamin'ny fotoana izay nifofonan'Andriamanitra fofonaina tao aminy dia tonga olombelona (fanahy velona) izy. Tonga olona (fanahy velona) mandrakizay izy, tsy mitovy amin'ny biby izay tsy mandrakizay. Rehefa maty ny biby dia miverina ho vovoka fotsiny dia izay. Fa rehefa nifofo fofonaina tao amin'ny olona Andriamanitra ka tonga olombelona izy dia velona mandrakizay ny fanahiny. Tonga olona tompon'andraikitra eo anatrehan'Andriamanitra izy. Tsy manana fiainana mandrakizay izy satria ny fiainana mandrakizay dia fiainana tsy nisy fiandohana ary Andriamanitra irery no manana an'izany. Afaka mahazo an'izany fiainana mandrakizay izany isika rehefa mibebaka amin'ny fahotantsika sy manatona an'i Kristy ary mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy. Dia ho azontsika izany fiainana mandrakizay izany. Fa raha tsy izany dia fanahy velona mandrakizay fotsiny isika ary hankany amin'ny helo sy hitoetra any mandrakizay, ho tafasaraka amin'Andriamanitra mandrakizay.
Ny tian'ny Tompo lazaina dia izao : mizara ho sokajy anankiroa miavaka tsara ny mponina eto an-tany. Ao ireo miaina tahaka ny biby (tahaka ny alika sy ny kisoa), fa ao kosa ireo miaiky fa tokony ho zanak'Andriamanitra izy, miaiky fa nataon'Andriamanitra haharitra mandrakizay sy hotsaraina izy. Rehefa nofofonin'Andriamanitra fofonaina mahavelona ny olona, na dia avy tamin'ny vovoka aza izy, dia nanana feon'ny fieritreretana izay nahatsapany fa hanadina azy Andriamanitra amin'ny asa sy ny teny ataony. Tsy manana feon'ny fieritreretana ny biby. Tsy manameloka azy ny eritreriny rehefa manao zavatra tsy mety izy. Fa ny olona kosa (na ny olona tsy nahita fianarana sy monina any anaty ala any aza) dia mahatsapa fa meloka ny tenany satria manana feon'ny fieritreretana izy.
Na dia ny olona tanala baribariana aza dia manan-javatra iankohofana sy ivavahana, mety hoe vato izany na hazo na masoandro ohatra. Mahatsapa izy fa misy Mpamorona anankiray any, misy Velona mandrakizay izay hanadina sy hitsara azy. Tsy hahita alika mpivavaka mihitsy ianao na rajako mpivavaka na kisoa mpivavaka na aiza na aiza. Ahoana no hanazavanao fa na dia ny baribariana aza dia mahatsapa ny fisian'ilay Velona mandrakizay izay hanadina azy. Satria manana feon'ny fieritreretana izy. Manana feon'ny fieritreretana avokoa ny olombelona rehetra ary izany no mampiavaka azy amin'ny kisoa sy ny alika ary ny biby hafa rehetra.