WFTW Body: 

Na inona na inona zava-miseho dia aza avela hisy hanakivy anao, satria raha ny Tompo no ifikiranao dia hanampy anao Izy hampandresy anao amin'ny zavatra rehetra, na inona na inona izany. Ny fizahan-toetra rehetra dia ny Tompo no namolavola azy mba hahafahanao mahalala Azy bebe kokoa. Tsy vitan'ny olona tsy mpino izany, na ny olona mpino kanefa mandeha araka ny nofo. Satria raha tokony hitodika any amin'Andriamanitra izy dia aleony mitodika any amin'izao tontolo izao ka manandrana ireo zavatra voarara mba hahitany fialan-tsasatra sy filaminan-tsaina ao anatin'ny fahavoazany sy ny fahoriany. Aza mba mikasikasika ireny zavatra ireny mihitsy ianao. Tena mora foana ny mahazo fahazaran-dratsy na dia tsy mampidi-doza aza ny fijery ilay zavatra amin'ny voalohany.

Tsy ny olona tsy mety diso akory no mahatratra ny fahalavorariana fa ny olona mitsotra ny fahadisoany sy mitsangana avy hatrany raha vao lavo, ka mandroso hatrany.

Tandindomin-doza lalandava ho lasa "mpanaraka fombafomba" isika ka hihevitra fa izany no "fiainana ara-panahy". Ny mpivavaka mpanaraka fombafomba dia variana amin'ny zavatra ivelany : ireo sorona ivelany ataony ho an'ny Tompo, ireo fombafomba ivelany araka ny fahatakarany hoe inona no zavatra kely indrindra tsy maintsy atao hihazonana ny toerana tsara ao am-piangonany, ny zavatra kely indrindra tsy maintsy atao amin'ny raharaham-piiangonana, amin'ny antsipiriany ivelany amin'ny fitafiany, amin'ny fandalinana ara-tsaina ny Tenin'Andriamanitra (tsy ampihariny eo amin'ny fiainany), ary amin'ny fivoriana mampihetsipo (eritreretiny fa ireny fisehoan'ny fihetsempo ireny no porofon'ny herin'ny Fanahy Masina) sy ny sisa. Tsy misy mahadiso ireo zavatra ireo ary mety tsy azo atao tsinontsinona aza. Kanefa ho an'ny mpivavaka mpanaraka fombafomba dia ireny fihetsiketsehana ireny no zava-dehibe indrindra ary heveriny fa ireny no mariky ny maha-ara-panahy, koa izany no maha voafitaka azy.

Ny mpivavaka tena ara-panahy kosa dia maniry mafy hahalala an'Andriamanitra bebe kokoa. Hazoniny mafy ny fitiavany mirehitra ho an'i Jesosy sy ho an'ny mpiara-mivavaka aminy. Te hamantatra ny zavatra tian'Andriamanitra hataony izy (fa tsy hoe te 'hanao zavatra ho an'Andriamanitra'). Mitady ny herin'ny Fanahy Masina izy, ary manadio ny tenany ho afaka amin'ny fitiavan-tena rehefa manao zavatra. Ny mpivavaka mpanaraka fombafomba dia manangana vondron'olona. Ny mpivavaka ara-panahy kosa manorina ny Tenan'i Kristy.

Manerana izao tontolo izao dia mitady olona hijoro ho Azy Andriamanitra, tsy olona mitovy amin'ireo Fariseo izay namadika ny fahamarinana sy nanitatra izany izaitsizy anefa ka nitantavana moka sy nitelina rameva. Fa olona mijoro amin'ny fampianaran'ny Teniny no tadiavin'Andriamanitra, olona tahaka an'i Elia, Jaona Mpanao batisa sy Paoly, Martin Luther, John Wesley ary Eric Liddell, izay nijoro tamin'izay ninoany, na tamin'ny mora na tamin'ny sarotra. Andriamanitra dia efa hameno ny lanitra amin'ireo olona mijoro amin'izany fampianarana izany. Mivavaka aho mba ho anisan'izy ireny ianao. Any amin'ny oniversite dia ho betsaka ny fotoana hahafahanao hijoro ho an'ny Tompo. Enga anie hataonao izany amin'ny fotoana rehetra.

Marobe ireo olon'Andriamanitra tamin'ny taon-jato maro lasa no efa nanolotra ny ainy tamin'ny fandikana ny Baiboly, mba hitehirizana ny hafatra madion'ny filazantsara. Mampalahelo anefa fa ankehitriny dia be dia be ny mpino izay tsy mahafoy na dimy minitra aza ao an-tokantrano hamakiana Baiboly, mainka moa izay hoe ianarana Baiboly. Ireo olon'Andriamanitra marobe tamin'ny taon-jato maro lasa ireo dia mety tsy nahazo mazava tsara ny foto-pampianarana tahaka antsika ankehitriny. Kanefa nanana firaiketam-po mafy tamin'i Kristy izy ireo, izay zavatra tsy fahita firy intsony amin'izao androntsika izao, kanefa io no anisan'ny zavadehibe indrindra amin'ny fitsarana farany, fa tsy ny fananana foto-pampianarana tsy misy diso fotsiny.

Ny fanadinoana dia tsy dia tena zava-doza tahaka ny fahotana. Kanefa ny fandresena izany dia hahavonjy anao amin'ny zava-manahirana maro. Isika rehetra dia samy be fanadinoana avokoa. Ny zavatra ataoko izao mba handreseko ny fanadinoako dia ny manoratra ny zavadehibe rehetra tokony hataoko ao anaty kahie kely izay tsy misaraka amiko. Soratako ao koa ny zavatra lazain'ny Tompo amiko. Hitako fa rehefa tsy soratako avy hatrany izay nolazain'ny Tompo tamiko dia matetika hadinoko.