WFTW Body: 

Ny toriteny ny amin'ny hazo fijaliana dia misy lafiny anankiray mazava kokoa, misy lafiny tsara. Dia izao izany, ny hazo fijaliana dia tsy fiafaran'ny fiainana. Ny hazo fijaliana dia lalana mankany amin'ny fiainana misy fitsanganana amin'ny maty. Misy fifaliana napetraka eo anoloan'ny olona rehetra izay vonona hanaiky ny fiàsan'ny hazo fijaliana (Hebreo 12:2). Ny voam-bary latsaka amin'ny tany ka maty dia tsy mitoetra eo mandrakizay fa mitsimoka mitondra vokatra amin-kery. Ny mpino izay manaiky ny lalan'ny hazo fijaliana (manaiky mamono ny sitrapon'ny nofony), na inona na inona fanesoan'ny olona azy, dia tsy maintsy hohamarinin'Andriamanitra foana amin'ny farany. Ny fahazoam-bokatra dia avy amin'ny fahafatesan'ny nofo. Ny sasany amin'izany vokatra izany dia mety ho hita na dia mbola ety ambonin'ny tany aza, ny vokatra rehetra kosa dia hiseho avokoa rehefa tonga ny fitsaran'i Kristy, izay fotoana hamaliana soa ireo izay mahatoky.

Ny lalan'ny hazo fijaliana ihany no mitondra amin'ny fandresena. Izany no nahatonga an'i Satana hikaroka ny fomba rehetra hanakanana an'i Jesosy tsy handeha amin'ny lalan'ny hazo fijaliana. Izany koa no antony iezahany mafy mba tsy handehanan'ny lehilahy sy ny vehivavy amin'izany lalana izany. Tamin'ny fitiavany tokoa no nanakanan'i Petera an'i Jesosy tsy handeha amin'izany fangirifirian'ny hazo fijaliana izany, kanefa fantatr'i Jesosy avy hatrany fa feon'i Satana izany (Matio 16:21-23). Ny havana aman-tsakaizantsika dia mety hanome antsika torohevitra mitovitovy amin'izany koa, rehefa sendra sarotra ny diantsika. Kanefa tadidio fa ny feo rentsika izay mitady hampiala antsika amin'ny lalan'ny hazo fijalianana, na feo avy ao am-pontsika izany na feo avy any amin'ny hafa, dia bitsiky ny devoly foana. Tena ekenao ve fa feon'ny devoly tokoa ireny ?

Ao amin'ny bokin'ny Apokalipsy no ahitantsika an'i Jesosy Tompo tahaka ny ondry novonoina. Eo no ahitantsika ny fijerin'ny lanitra ny Kalvary. Amin'ny fijerintsika olombelona, Kalvary dia faharesena. Tsy misy filazana hoe niseho tamin'ny olona tsy mpino Jesosy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty, koa ho an'ny olona tsy mpino, Kalvary dia midika hoe faharesena. Kanefa amin'ny fijerin'ny lanitra kosa dia Kalvary no fandresena lehibe indrindra azo tety ambonin'ny tany. Tety an-tany dia nohomboan'ny olona ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, fa any an-danitra kosa dia ivavahana Izy. Rehefa manara-dia an'i Jesosy ianao ka mahafoy ny zonao dia mety lazain'ny olona fa tsy manana hazon-damosina, fa any an-danitra kosa dia hisy fifaliana satria nisy zanak'Andriamanitra anankiray nahazo fandresena. "Ary izy ireo naharesy azy (an'i Satana) … Ary tsy nankamamy ny ainy intsony izy, na dia ho faty (eo amin'ny hazo fijaliana) aza. Ary noho izany mifalia, ry lanitra " (Apokalipsy 12:11,12).

Ao amin'ny Salamo 124:7 no ahitantsika fa ny kristiana dua oharina amin'ny vorona izay afaka tamin'ny fandriky ny mpihaza. Ny vorona misavoana eny amin'ny habakabaka dia sary tonga lafatra hanehoana ilay fahafahana mahatretrika izay tian'Andriamanitra mba hiainan'ny zanany. Ny tendrombohitra sy ny renirano dia mety hanakana ny lalan'ny zavamananaina ety amin'ny tany fa tsy mba tahaka izany ny vorona. Misidina avobe eny ambonin'ireny sakantsakana rehetra ireny izy. Mba hitovy amin'ny vorona no namoronan'Andriamanitra ny olombelona, izany hoe hanana fahafahana tanteraka, hanjaka amin'ny zavatra rehetra ary hampanaiky ny zavatra rehetra ho eo ambany fifehezany (Genesisy 1:28). Saingy ny tsi-fankatoavan'ny olombelona no nahatonga azy hitovy amin'ny vorona voafandrika, tsy afaka manidina.

Ny hazo fijaliana irery ihany no afaka manapatapaka izany fandrika izany ka manafaka antsika. Tsy misy fomba hafa ankoatr'izany. Aoka ianao hanaiky ho faty ho an'izao tontolo izao sy ho an'ny tenanao, dia ho faty ho an'ny herin'ny devoly koa ianao. Ho tapaka ny fatoran'i Satana eo amin'ny fiainanao, ary tsy hisy zavatra afaka hanakana anao tsy hanidina tahaka ny vorona. Izany no tena fahafahana marina, ary izany no tian'ny Fanahy Masina entina eo amin'ny fiainantsika (2 Korintiana 3:17). Kanefa ny lalan'ny hazo fijaliana no lalana tokana mankany amin'izany fahafahana izany.

Ao amin'ny Marka 4:17 dia miresaka momba ireo kristiana izay tsy manam-paka Jesosy, Ny fivavahana kristiana arahin'izy ireo dia fivavahana ivelany fotsiny. Raha mba te-hanamafy ny fakan'izy ireo Andriamanitra ka manome azy fahafahana hitondrany hazo fijaliana teo amin'ny fiainany dia nohalavirin'izy ireo hatrany izany. Tokana ihany ny lalana afaka mitondra ny olona any amin'izany fiainana lavorary ao amin'i Kristy izany. Afaka manaraka lalana hafa isika raha tiantsika, kanefa tsy hahita ny fahatanterahan'ny tanjon'Andriamanitra mihitsy isika any.

Ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta ananantsika dia ho very maina foana raha halavirintsika ny lalan'ny hazo fijaliana eo amin'ny fiainantsika. Azontsika atao ny manaiky na ny mandà ny lalan'ny hazo fijaliana, isika no tompon-tsafidy.

Sadhu Sundar Singh dia nilaza foana hoe, rehefa tonga any an-danitra isika, dia tsy hisy hahafahantsika mitondra ny hazo fijaliana fanindroany noho ny amin'i Jesosy intsony any. Mety handà tsy hitondra izany isika ankehitriny, kanefa any amin'ny mandrakizay dia tsy misy ahafahantsika mandeha amin'ny lalana vonton-drà izay nandehanan'i Jesosy intsony. Rehefa hihaona amin'ilay Tompo Masina isika, dia mbola ho hitantsika ny diam-pantsika eo amin'ny tanany sy ny tongony. Hanao ahoana isika amin'izay rehefa manao jery todika ny fiainantsika tety an-tany ka hahita fa efa nohalavirintsika tsimoramora avokoa ny dingana rehetran'ny hazo fijaliana ? Enga anie ka tsy hisy izany fa ho ekentsika daholo kosa ny dingana rehetra mba tsy ho tratry ny nenina isika amin'izay andro izay.