Ny fiangonana dia Tenan'i Kristy fa tsy fivorian'ny mpino isan-kerinandro fotsiny. Tsy maintsy ataontsika azo antoka tsara fa io Tenan'i Kristy io no aorintsika fa tsy "antokom-pivavahana kristiana" fotsiny. Na iza na iza dia afaka mamorona antokom-pivavahana. Fa mitaky fahasoavana sy hosotra avy amin'Andriamanitra kosa ny fananganana ny Tenan'i Kristy. Koa tsy maintsy mandà sy mamono ny tenantsika isan'andro isika amin'izany sady feno ny Fanahy Masina.
Ny zanak'Isiraely teo ambanin'ny fanekena taloha dia vahoaka (congrégation) iray fa tsy vatantena iray. Ny ankamaroan'ny fiangonan-dehibe ankehitriny dia vahoaka fa tsy vatantena. Ireo fiangonana kely any an-tokantrano no tsaratsara kokoa : tarika iray (club) izy fa tsy vatantena. Jesosy kosa dia manorina ny Tenany.
Ny nahitan'ny olona ny tenan'i Kristy voalohany dia nandry tao am-pihinanam-bilona (tranon'omby). Ny latsa azo tamin'izany fahaterahana nahamenatra izany no marika nentin'ny tenan'i Kristy nitovizany tamin'ireo mpiandry ondry (JereoLioka 2:12). Dia mbola latsa ihany no nanantonana ny tenan'i Kristy teo amin'ny hazo fijalian'ny jiolahy tao Kalvary. Nanomboka tamin'ny nahaterahany ka hatramin'ny nahafatesany dia ny latsan'izao tontolo izao sy ny tontolo ara-pivavahana no nampiavaka ny tenan'i Kristy.
Na iza na iza maneho tanteraka ny tenan'i Kristy amin'izao andro izao dia hiharan'ny latsa mitovy amin'izany koa avy amin'izao tontolo izao sy avy amin'ny fivavahana kristiana babyloniana. Raha tsy mirakotra izany latsa an'i Kristy izany ny fiangonana dia mety efa tonga olona mpiroaroa fo izay mbola tsy nivoaka "hankeo ivelan'ny tobin'ny babyloniana" (Hebreo 13:13). Na izany aza dia samy hafa tanteraka ny hoe latsa nahazo an'i Kristy sy ny hoe latsa vokatry ny fahotantsika sy ny hadalantsika na noho isika matimaty. Tsy azo afangaro ireo latsa anankiroa ireo.
Izao no voasoratra momba an'i Jesosy "Tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy,...Natao tsinontsinona sy nolavin'ny olona Izy" (Isaia 53:2,3). Ny voninahiny dia tao amin'ny fiainany anaty, izany hoe feno fahasoavana sy fahamarinana, izay niafina ka tsy hitan'ny ankamaroan'ny olona (Jaona 1:14). Tokony ho izany koa ny fiangonantsika. Tokony tsy misy hanirian'izao tontolo izao ny fiangonana na hanirian'ny fivavahana kristiana babyloniana azy. Ny fiangonana dia tsy tokony hanintona afa-tsy ireo olona miditra ao mba hitady fiainana matahotra an'Andriamanitra. Ny lain'ny tabernakely dia voaravaka efitra lamba tsara tarehy tao anatiny. Fa ny rakotra nanarona azy tety ivelany kosa dia hoditr'ondrilahy mivolontany feno vovoka sy loto. Ny hatsaran-tarehy rehetra dia tao amin'ny efitra lamba tao anatiny, tao anatin'ny lay. Ny fofombadin'i Kristy koa dia "be voninahitra ao anaty trano" (Salamo 45:13). " Ary eny ambonin'ny voninahitra rehetra dia hisy eloelo (n'ny fandatsana)" (Isaia 4:5).
Eo no mila andraisan'ny mpitondra fiangonana andraikitra lehibe. Ny fomba fitarihany ny fiangonana no hamaritra na hitovy amin'i Jesosy izay nataon'ny olona tsinontsinona ny fiangonana na hoderain'izao tontolo izao sy hohajainy. Raha mitady ny fanindrahindran'izao tontolo izao sy ireo kristiana ara-nofo isika dia azo antoka fa hanangana an'i Babylona. Rehefa tonga fanta-daza sy eken'ny ankabeazan'ny kristiana ny fiangonana dia azo antoka fa efa diso lalana tsy nahita ny dian-togotr'i Jesosy.
Hoy Jesosy "Sambatra hianareo, raha haratsian'ny olona sy enjehiny ary asiany izay teny ratsy rehetra hitenenany lainga anareo noho ny amiko. Mifalia sy miravoravoa hianareo, fa lehibe ny valim-pitianareo any an-danitra, fa toy izany ihany no nanenjehany ny mpaminany izay talohanareo" (Matio 5: 11,12). Tsy andrin'i Heroda sy ny miaramilany ery ny hamono ilay tenan'i Kristy voalohany, dia i Jesosy zazakely, roa arivo taona lasa izay. Ary marobe koa ireo maika handrava ilay santatry ny Tenan'i Kristy any amin'ny toerana maro ankehitriny. Narovan'i Josefa izany tenan'i Kristy izany tamin'ny nihainoany ny feon'Andriamanitra sy nankatoavany avy hatrany ny baikon'Andriamanitra (Matio 2:13-15). Isika izay manana andraikitra ao amin'ny fiangonan'i Kristy koa dia tsy maintsy manahaka an'i Josefa. Tsy maintsy "mpihaino" isika, izany hoe mihaino sy mankato avy hatrany izay ambaran'ny Fanahy Masina amintsika. Raha tsy mihaino sy mankato isika dia hisy fahavoazana hahazo ny fiangonantsika. Ary isika no raisina ho tompon'Andraikitra amin'izany amin'ny andro farany. Tsy maintsy ataontsika zava-dehibe tokoa ny fandraisantsika andraikitra satria mbola hampamoahin'Andriamanitra isika ny amin'ireo fanahy rehetra nasainy nambenantsika (Hebreo 13:17).