WFTW Body: 

Ao amin'ny bokin'ny Mpanjaka voalohany, dia hitantsika fa ny boky dia manomboka amin'i Davida, ilay lehilahy araka ny fon'Andriamanitra, ary miafara amin'i Ahaba, ilay mpanjaka ratsy fanahy indrindra nanjaka tamin'ny Isiraely. Ny niantombohan'Isiraely dia firenena mahery ary ny niafarany dia firenena nizara roa ary mpanjaka ratsy fanahy marobe no nanjaka tamin'ireo firenena roa tonta, indrindra fa tamin'Isiraely.

Ny toetry ny vahoakan'Andriamanitra dia miankina be dia be amin'ny fisian'ny fiainam-bavaka na ny tsy fisian'ny fiainam-bavaka ao amin'ireo mpitondra azy. Isak'izay nanana mpitondra araka an'Andriamanitra ny vahoakan'Isiraely, dia nandroso tamin'ny fahatahorana an'Andriamanitra ny olona. Rehefa olona ara-nofo no nitondra azy, dia niala tamin'Andriamanitra izy ireo hanaraka ny sitrapon'ny nofony. Tsy maintsy ilain'ny vahoakan'Andriamanitra foana ny mpitondra manana toe-panahy araka an'Andriamanitra.

Tamin'ny andron'i Jesosy, rehefa nijery ny vahoaka Izy dia nahita fa tahaka ny ondry tsy misy mpiandry izy ireo. Koa nasainy nivavaka ny mpianany mba hampandehanan'Andriamanitra mpiandry ao afovoan'ny vahoakany ( Matio 9:36-38). Ankehitriny rehefa mijery ireo fiangonana Andriamanitra, dia mahita Izy fa mila mpitondra manana toe-panahy araka an'Andriamanitra koa ny fiangonana. Ny fanamby miandry antsika izany dia ny hanao izay hahafaly ny fon'Andriamanitra amin'izao taranaka misy antsika izao ka ho tonga lehilahy na ho tonga vehivavy mifanaraka amin'izay tadiavin'Andriamanitra.

Mila mpitondra matahotra Azy Andriamanitra isaky ny taranaka mifandimby. Tsy afaka hiantehitra amin'ny fahendren'ireo mpitondra ny taranaka tany aloha isika. Tsy afaka nanjaka mandrakizay tamin'ny Isiraely i Davida. Maty izy, ary olon-kafa no tsy maintsy nandimby azy. Ary ny niafaran'ny vahoakan'Isiraely dia niankina tamin'izay toetry ny olona nanjaka taminy tao aoriana.

Manangana olona manam-pahamasinana Andriamanitra mba hanomboka asa ao amin'ny taranaka anankiray. Miha-antitra io olona io ary maty. Moa ve ny fahalalana sy ny foto-pampianarana avy tamin'ilay olona nanomboka ny asa ihany no hananan'ireo mpitondra mandimby azy, fa tsy hananany ny fahamasinany sy ny fahalalany an'Andriamanitra ? Raha izany dia azo antoka fa ho diso lalana ny vahoaka. Mila Davida maro sy Debora maro Andriamanitra amin'izao androntsika izao.