WFTW Body: 

Izao no voasoratra ao amin'ny bokin'i Jona 3:1 " Ary tonga fanindroany tamin'i Jona ny tenin'i Jehovah". Deraina ny Tompo fa rehefa nandà ny baikony indray mandeha isika dia miala nenina amintsika fanindroany Izy. Izany no anisan'ny hafatra lehibe indrindra izay azontsika avy amin'ny bokin'i Jona. Efa nandà ny baikon'ny Tompo ve ianao ? Miandry Andriamanitra mba hiala nenina aminao fanindroany. Mbola nandà ny baikony fanindroany indray ve ianao ? Mbola hiala nenina fanintelony aminao Izy. Tsy Andriamanitry ny ala-nenina fanindroany fotsiny Izy, satria ny ankamaroantsika efa tsy niraharaha ny ala nenina faharoan'Andriamanitra hatry ny ela. Andriamanitra dia Andriamanitry ny ala-nenina anankiray hafa indray, na impiry na impiry no efa nandavanao ! Ny Tompo dia afaka mandray anao indray na dia izao ankehitriny izao aza ary hataony izay hahatanterahanao ny asa fanompoana nibaikoany anao, raha mibebaka amin'ny fonao manontolo ianao.

Naharitra telo andro ny dian'i Jona nanavatsava ity tanàna midadasika be ity. Notoriany teny amin'ny lalambe rehetra fa horavàna Ninive rehefa afaka 40 andro. Nahagaga fa nibebaka avy hatrany ny mponina tao Ninive. Izany no fifohazam-panahy lehibe indrindra sy nalaky indrindra nitranga teto amin'ny tantaran'izao tontolo izao. Ny anisan'ny zavatra anankiray mampahery ahy eto dia izao, na dia tanàna ratsy dia ratsy tahaka an'i Ninive aza no nibebaka dia namindran'Andriamanitra fo. Efa fantatr'Andriamanitra fa taona vitsy aorian'izany dia ho ratsy loatra ny tanàna ka tsy maintsy horavàna ihany. Kanefa rehefa mijery ny olona Andriamanitra dia ny toetran'ny olona anio no iasàn'Andriamanitra aminy fa tsy ny toetrany tamin'ny lasa na izay ho toetrany amin'ny ho avy. Ny Anarany dia "IZAHO IZAY IZY" fa tsy hoe "IZAHO IZAY IZY TALOHA" na "IZAHO IZAY HO IZY", Andriamanitra dia be fiantràna kokoa noho isika.

Rehefa namindran'Andriamanitra fo Ninive, dia mety nihevitra ny olona hoe dibo-kafaliana be izay i Jona. Kanefa tsy izany no niseho. Mba hanomezana lesona an'i Jona dia navelan'ny Tompo hisy zavamaniry hanalokaloka ny lohan'i Jona. Faly dia faly i Jona noho ilay zavamaniry. Kanefa ny ampitson'iny dia nanao fositra Andriamanitra hihinana ilay zavamaniry, ary dia nalazo izany. Dia tezitra be indray i Jona satria nodanian'ny hainandro izy dia niteny hoe "Aleoko ho faty toy izay ho velona". Dia hoy Andriamanitra tamin'i Jona : " Hianao malahelo ny tanatanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa, ka moa Izaho tsy mba halahelo an'i Ninive, ilay tanàna lehibe va izay misy olona tsy omby 120 000, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa ?" (Jona 3:10-11).

Ao amin'io andininy Jonah 4:11 io, mihoatra noho ny andininy hafa rehetra ao amin'ny Testamenta taloha, no ahitantsika ny fangorahan'Andriamanitra fatratra ireo fanahy very. Fa tian'Andriamanitra loatra izao tontolo izao ka nomeny ny Zanany lahy tokana mba tsy hisy olona ho very. Toa tsy tafiditra tamin'ny firaisam-po tanteraka tamin'Andriamanitra i Jona tamin'io zava-nitranga io. Ankehitriny koa dia marobe ireo mpitory izay mitory teny sy mahita fifohazam-panahy (tahaka an'i Jona), kanefa tahaka ny nataon'i Jona, dia tsy manana firaisam-po amin'ny fon'Andriamaintra izay feno fangorahana. Ireny mpitory ireny dia tsy manatanteraka ny asa fanompoany araka izay itiavan'Andriamanitra azy. Mety mitory sy mahavonjy olona ianao, kanefa ny fiafaran'izany, tahaka ny tamin'i Jona, dia mety tsy manana firaisam-po amin'Andriamanitra akory ianao na kely aza. Ny tena fototra iorenan'ny asa fitoriana ny filazantsara dia firaisana amin'ny fon'Andriamanitra. Lehibe loatra mantsy ny alahelon'Andriamanitra an'ireo olona izay tsy manana ny fahazavana. Ny Baiboly dia milaza fa tian'Andriamanitra mba hibebaka ny olona rehetra, tian'Andriamanitra ho voavonjy ary ho tonga amin'ny fahalalana ny fahamarinana. Izany no irin'Andriamanitra fatratra. Arakaraky ny firaisantsika betsaka kokoa amin'ny fon'Andriamanitra no hizarantsika bebe kokoa Aminy ny vesatry ny fony. Raha nantsoin'Andriamanitra ho tonga evanjelistra ianao, dia homeny fo onena ireo fanahy very. Raha nantsoin'Andriamanitra ho tonga mpampianatra ianao, dia homeny fo onena ireo mpino jamba sy voafitaka, dia ireo tsy tafiditra ao anatin'ny fiainam-pandresena. Ny firaisana amin'ny fon'Andriamanitra ifampizarana Aminy ny fangorahany dia zava-dehibe tena ilaina tokoa raha tiantsika ny hanatanteraka amin'ny fomba mahomby ny asa fanompoana ataontsika.