Ny fiangonantsika CFC dia tsy mitory ny fomba fankanesana any an-danitra aorian'ny fahafatesana. Ny asain'i Jesosy ataontsika dia izao, mandehana ataovy mpianatra ny firenena rehetra ary mampianara azy hanao izay nandidiako anareo, fa tsy hoe torio ny fomba hialàna amin'ny helo mba hankanesana any an-danitra !!! Mampalahelo anefa fa ny fitoriana filazantsara ankehitriny dia mifantoka amin'ny hoe ahoana no hahatongavanareo any an-danitra rehefa maty ianareo. Tsy mitory an'izany filazantsara izany aho satria tsy ny fitondrana ny olona any an-danitra no imasoako. Raharahan'Andriamanitra izany. Ataoko izay hanaovana ny olona ho mpianatr'i Jesosy Kristy ety an-tany ary avy eo dia miezaka aho hampianatra azy hitandrina izay rehetra nandidian'i Jesosy. Izany no iraka mazava tsara nampanaovin'ny Tompo antsika rehetra ao amin'ny Matio 28:18-20. Ary izany no niezahan'ny fiangonantsika CFC natao tany amin'ny faritra maro maneran-tany tato anatin'ny 50 taona.
Ny filazantsara toriako dia mba hahatonga ny olona ho mpianatr'i Jesosy Kristy ety an-tany sy hanarahany Azy isan'andro. Nolazain'i Jesosy fa misy vavahady tery ary misy làlana ety mitondra any amin'ny fiainana (Matio 7:14). Afaka miditra ny vavahady tery isika rehefa mibebaka amin'ny fahotantsika sy matoky fa efa maty Kristy ary efa nitsangana tamin'ny maty. Rehefa avy eo dia asaina mizotra amin'ny lalana ety isika, izany hoe asaina mitondra ny hazofijaliantsika sy mamono ny sitrapon'ny nofontsika isan'andro ka mametraka an'i Kristy ho laharana voalohany eo amin'ny fiainantsika sy manara-dia Azy. Izany no làlana mankany amin'ny fiainana sy làlana hahatongavana ho mpianatry ny Tompo izay ampianarin'i Jesosy eo amin'io andininy io. Ary izany koa no làlana mankany amin'ny fiainana mandrakizay izay ampianarintsika any amin'ny fiangonana rehetra.
Mikasika ny fahatongavana ho mpianatra dia izao no lazain'i Jesosy ao amin'ny Lioka 14:26 : "Raha misy manaraka Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny sy ny vadiny sy ny zanany sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, eny, ary ny ainy koa aza, dia TSY AZO EKENA ho mpianatro izy". Impiry ianao no efa nandre mpitory nilaza fa tsy maintsy mankahala ny olona tianao ianao araka ny lazain'i Jesosy eto amin'ity andininy ity ? Izany anefa no Laharana Voalohany amin'ny fepetra takiana aminao raha te ho mpianatr'i Jesosy Tompo ianao. Izao anefa, any amin'ny toerana rehetra, ny nandidian'i Jesosy antsika dia hoe ataovy izay hahatonga ny olona ho mpianatra (disciples) fa tsy hoe ho olona niova fo (convertis). Ary raha tiantsika hatao mpianatra ny olona dia tsy maintsy ampianarintsika azy aloha io fepetra fototra voalohany hahatongavana ho mpianatra io izay izy vao ampianarina zavatra hafa.
Rehefa ampidirina any an-tsekoly ny ankizy dia tsy ny taranja fizika na simia no ampianarina azy voalohany. Tsia. Ny zavatra voalohany indrindra ampianarina azy dia ny alfabeta, na ny ABD. Dia torak'izany koa, ny olona tonga ao amin'ny fiangonantsika dia tsy maintsy ampianarina ny abidin'ny fahatongavana ho mpianatra aloha VOALOHANY INDRINDRA, dia ny fitiavana faratampony an'i Jesosy izany. Ny olona tsy te hameno izany fepetra izany dia tsy maintsy ampahafantarina hatrany am-boalohany fa tsy azo ekena ho mpianatr'i Jesosy Kristy Tompo izy. Ary tsy misy hoe mpianatr'i Jesosy ihany fa ambaratonga ambany. Iray ihany ny kilasy misy ny mpianatra dia ny kilasy misy an'ireo "mankahala ny ray, reny, rahalahy, anabavy, vady, zanaka ary ny aina" (Lioka 14:26).
Ahoana no fomba hampifanarahantsika an'io didin'i Jesosy io amin'ireo didy hafa ao amin'ny Soratra Masina hoe "manajà ny rainao sy ny reninao" sy ny hoe "tiava ny vadinareo tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana" ary ny hoe tiava ny ny zanakareo sy ny rahalahinareo ary ny anabavinareo ?
Matetika dia mampiasa fanoharana i Jesosy mba hampazava tsara ny toriteniny. Koa nitady fanoharana aho mba hahazoako tsara ireo didy roa toa mifanohitra ireo hoe tiava ny fianakavianao sy ny hoe mankahalà ny fianakavianao ! Ary ity ny fanoharana nampahazava azy tamiko. Ny fitiavako ny raiko, ny reniko, ny vadiko, ny zanako, ny rahalahiko ary ny anabaviko dia ampitahaiko amin'ny hazavan'ny kintana. Izany hoe hazavana mamiratra sy madio ary tsy misy aizina na kely aza. Izany no sarin'ny fitiavana tsy maintsy itiavantsika ny ankohonantsika. Fa amin'ny maraina rehefa miposaka ny masoandro dia tsy hitan'ny maso ny kintana. Mbola eo daholo ihany ny kintana kanefa tsy hitantsika. Mitovy amin'izany koa, ny fitiavako an'i Kristy dia tsy maintsy mitovy amin'ny hazavan'ny masoandro ary rehefa mitaratra izany dia tahaka ny tsy misy ny fitiavako ny ankohonako. Mbola eo foana ny fitiavako ny ankohonako (tahaka ny kintana mbola eo foana amin'ny maraina). Kanefa fatratra loatra ny fitiavako an'i Kristy ka tsy afaka mitia ny hafa aho raha tsy amin'ny alalany. Midika izany fa lehibe loatra ny fitiavako an'i Kristy ka tsy havelako hisy olona akaiky ahy hankeo afovoanay sy Kristy na ny vadiko izany na ny ray aman-dreniko na iza na iza. Manomboka izao dia amin'ny alalan'io fitiavana faratampony itiavako an'i Kristy io ihany sisa no hitiavako ny hafa.
Hoy Jesosy "haoriko ny fiangonako". Izy irery ihany no afaka manorina izany. Mpikambana ao amin'ny Tenany fotsiny isika : ny sasany tahaka ny lela, ny sasany tànana ary ny sasany ranjo. Ary ny mpino sasany izay tsy hita misehoseho dia tahaka ny taova tsy hita maso ao anatin'ny vatana. Fa Kristy no Loha Izay manorina ny Tenany. Ny hany azontsika atao dia ny manolotra ny tenantsika ho Azy mba hanjakany, mba hofeheziny ary mba hampiasainy satria momba ny Tena isika. Ny tongotra aman-tànana irery dia tsy mahay manao na inona na inona. Ny loha no miteny amin'ny tànana ny zavatra hataony sy miteny amin'ny tongotra ny làlana alehany. Izany no fomba tsy maintsy hanekentsika an'i Kristy. Izany no fomba fiàsan'ny Tenan'i Kristy sy fiorenan'ny Tenan'i Kristy. Ary izany no zavatra niezahantsika nasongadina.
Kanefa raha vao ampisain'Andriamanitra kely fotsiny ny olona anankiray ary manomboka mahita fahagagana izy fa miorina ao ny Tenan'i Kristy dia ny fireharehana ara-panahy no zava-doza indrindra mety hahazo azy. Rehefa mitahy antsika Andriamanitra dia efa mitampify ao amin'ny maizimaizina ny fireharehana. Mety manomboka mieritreritra isika fa isika no nanorina io fiangonana io ary isika no nitondra ireo olona ireo ao amin'i Kristy. Kanefa raha lasa mpirehareha ny mpanompon'Andriamanitra anankiray na ny fiangonana anankiray dia manomboka TOHERIN'Andriamanitra avy hatrany io olona io na io fiangonana io;
Enga anie isika rehetra hatahotra an'Andriamanitra ka hitady ny herin'ny Fanahy Masina isan'andro hahafahantsika manome voninahitra an'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika sy manorina ny fiangonan'Andriamanitra amin'izao andro farany izao.
Amena.