"Tafio avokoa ny fiadian'Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin'ny fanangolen'ny devoly" Efesiana 6:11.
Efa nandre an'io andininy io avokoa ny ankamaroantsika ary efa samy namaky ny teny hoe "famonjena ho fiarovan-doha" sy "rariny ho fiarovan-tratra". Saingy mety tsy fantatrao hoe Jesosy mihitsy no olona voalohany nitafy izany fiadiana izany.
"Eny, hitany fa tsy nisy olona, sady talanjona Izy, satria tsy nisy mpanalalana (tsy nisy mpanao fifonana) , ka dia ny sandriny ihany no nanao famonjena ho Azy… Niakanjo fahamarinana tahaka ny akanjo fiarovan-tratra Izy, ary fiarovan-doha famonjena no teo amin'ny lohany" (Isaia 59:16-17).
Teny faminaniana tao amin'ny Testamenta Taloha mikasika an'i Jesosy io resahin'i Paoly ao amin'ny Efesiana toko faha 6 io.
Fa ny tena mahazendana dia mampiseho an'i Jesosy mitafy ny fiadian'Andriamanitra mba hanaovany fifonana ho antsika io andininy io. Ary ankehitriny Izy dia miantso antsika hanaraka ny diany ka hanao fifonana.
Mpitondra ny fiadiana eo amin'ny fiainana andavanandro
Tao amin'ny Testamenta Taloha sy tamin'ny andro fahiny dia matetika ny olona mpiady no manana ny mpitondra ny fiadiany. Izany hoe misy olona miafinafina manampy azy, tsy fantatra anarana izay mitondra ny fiadiany, tsy mihataka raha misy loza ary manao izay hahampy tsara ny fiadiana ampiasain'ilay mpiady. Izany sary izany dia mifanaraka tsara amintsika olona mpanao fifonana ho an'ny vadintsika, ho an'ny zanatsika, ary ho an'ny fianakaviamben'ny fiangonana amin'ny fanekentsika an'i Jesosy ho modely tonga lafatra. Izy ilay mpitondra ny fiadiana sy velona manao fifonana ho antsika (Hebreo 7:25).
Mahita zavatra tahaka izao isika eo amin'ny fiainantsika andavanandro :
- vehivavy vesarin'ny hakiviana na ny famoizam-po na ny tebiteby na ny asa sarotra na ny fahasahiranana ara-bola
- ankizy mitolona amin'ny tsi-filaminana, amin'ny fahotana miafina na amin'ny toe-javatra sarotra any am-pianarana
- Rahalahy na anabavy lavon'ny fahotana na indraindray tsy mahafantatra ny fahotana manapoizina ny fiainany
Tsy mahazo manome tsiny azy ireny avy ery lavitra ery isika fa tokony ho mpitondra ny fiadiana izay hiteny hoe "Ny adinao dia adiko. Ny fahalemanao dia fahalemeko. Hiara-mijoro aminao aho tahaka an'i Jesosy niara-nijoro tamiiko".
Marika voalohan'ny fitiavana manao fifonana : Hiaraka aminao zato isan-jato aho
Ao amin'ny 1 Samoela toko faha 14 dia nandeha nanafika ny miaramilan'ny Filistina i Jonatana. Izy irery niaraka tamin'ny mpitondra ny fiadiany. Nihanika harambato kitso loha izy nanao vy very ny ainy. Tamin'ny finoana no nitenenany hoe "Angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an'i Jehovah tsy hamonjy, na amin'ny maro na amin'ny vitsy" (1Samoela 14:6). Mahavariana tokoa ny navalin'ilay mpitondra ny fiadiany : "Ataovy izay rehetra ao am-ponao ; mandrosoa ihany ; indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao" (1Samoela 14:7).
- Ry vehivavy : rehefa ao anaty ady ara-panahy ny vadinao, moa ve ny fihetsikao dia hoe "Miaraka tanteraka aminao aho" sa ianao mamafy fisalasalana sy tahotra ?
- Ry lehilahy : raha sendra ady sarotra ny vadinao, moa ve ilaozanao mitsikera sy mihataka aminy sa miditra an-tsehatra ianao ka raisinao ho fahalemenao ny fahalemeny ?
- Ry rahalahy sy anabavy : rehefa mandalo fitsapana ny loholona ary mandray fanapahan-kevitra sarotra amin'ny fahatokisana ny Tompo, moa ve ianao manohana azy ireny tahaka ny mpitondra ny fiadiany sa mitazana sy mitsikera ?
Efa nampitandrina antsika mikasika ny fanahin'ny fiampangàna i Jesosy : mahita ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahintsika isika nefa misy andrin'ny fanamelohana ao anaty masontsika. Ny tantara anefa dia tsy mifarana eo amin'ny fanesorana ny vatan-kazon'ny fanamelohana. Ny fiafaran'ny tantara dia fanesorana ny sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahinao REHEFA AVY nesorinao ny fanahin'ny fiampangàna tao anatinao. Tsy ho vitantsika izany raha tsy tsapantsika fa ohatran'ny eo amin'ny masontsika mihitsy ilay sombin-kazo eo amin'ny mason'ny rahalahintsika. "Dia aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika, mijery an'i Jesosy" (Hebreo 12:1). Ny entamavesatrao dia tsy anao irery intsony izao fa efa lasa mitambesatra amintsika.
Hoy ny Jakoba 5:20 "Fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin'ny làlan'ny fahadisoany dia hamonjy fanahy tsy ho faty sady hanarona heloka be". Izany no fomba ataon'ny fitiavana hanaronany fahotana maro (1Petera 4:8). Ny fitiavana dia tsy hoe mody tsy mahita ny fahotana. Ny fitiavana dia mitolona hisian'ny fibebahana sy amin'ny fanonerana ny tsy nety natao.
Hoy ny Joda 22:23 "Ary amindrao fo ny sasany izay miahanahana, ary ny sasany kosa sariho avy amin'ny afo no famonjy azy, ary ny sasany indray amindrao fo amin-tahotra, ka mankahalà na dia ny akanjo voapentipentin'ny nofo aza". Ny fitiavana manao fifonana dia mitandrina tsara mba tsy ho voaloton'ny fahotana, kanefa feno famindram-po ary tsy sasatra misarika ny olon-tiana hivoaka avy ao anaty fahotana izay mandoro azy.
Marika faharoan'ny fitiavana manao fifonana : Hahenako ny resaka fa ampitomboiko ny vavaka
Misy ny atao hoe "fitoriana filazantsara amin'ny fahanginana" izay asain'ny Soratra Masina ataontsika. Izao no voalaza ao amin'ny 1Petera 3:1-2 "Ary toy izany koa, hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, mba ho voataonan'ny fitondrantenan'ny vavy izy, na dia tsy amin'ny teny aza (raha tàhiny misy tsy manaiky ny teny), rehefa hitany ny fahadiovan'ny fitondrantenanareo amin'ny fahatahorana". Mba fantatrao ve fa azonao atao ny mamonjy fanahin'ny olona na dia tsy miteny akory aza ?
Rehefa milaza io andininy io hoe "Ary toy izany koa", dia hitantsika eo amin'ny andininy eo aloha kely ilay modely tokony arahina. Dia ao amin'ny 1Petera 2:23 izay milaza momba an'i Jesosy hoe "raha notevatevaina Izy, dia tsy mba nanevateva ; raha nijaly, dia tsy nandrahona, fa nanolotra ny adiny ho amin'ny Mpitsara marina".
Ny dikan'izany dia izao, ny modely tokony arahina eto dia Jesosy. Noho izany dia tsy ny vehivavy ihany no natao hanaraka azy fa isika rehetra. Ny manao fifonana amin'ny fitiavana dia izao miresaka kely amin'ny olona fa miresaka betsaka amin'Andriamanitra .
Mahaliana ny mahita ny zavatra nolazain'i Paoly rehefa avy nilazalaza momba ny fiadian'Andriamanitra izy. Manome fanazavana izy mikasika ny tanjona lehibe kokoa ho an'ireo fiadiana ireo. Vao tapitra mihitsy ny andininy mikasika ny fiadian'Andriamanitra dia hoy Paoly ao amin'ny Efesiana 6:18 "Ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amiin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra". Tena fiovan-tsaina lehibe tamiko izany hoe mahita ny tenako mitafy ny fiadian'Andriamanitra, tsy hiarovako izay an'ny tenako fotsiny fa itolomako am-bavaka ho an'ny hafa koa, manomboka amin'ny ao an-tokantranoko ka hatrany amin'ny fiangonako sy ny mpiara-monina amiko.
Sary mahafinaritra toy izany koa no omen'i Isaia mikasika ity fitolomana amin'ny vavaka fifonana ity.
Isaia 62:1 "Tsy hangina Aho noho ny amin'i Ziona, ary tsy hitsaha-miteny Aho noho ny amin'i Jerosalema, mandra-piposaky ny fahamarinany tahaka ny famirapiratry ny mazava, ary ny famonjena azy tahaka ny fanilo mirehitra".
Ny "Ziona" sy "Jerosalema" dia soloy amin'ny anaran'ny vadinao, ny anaran'ny rahalahinao, ny anaran'ny zanakao ao amin'io andininy io hoe "Tsy hangina aho noho ny amin'ny vadiko …, noho ny amin'ny zanako …, noho ny amin'ny rahalahiko…".
Izany no asa fanompoan'ny fanaovana fifonana, tsy mety sasatra, matetika dia tsy misy mpahita, kanefa sarobidy eo imason'Andriamanitra. Tsapan'i Samoela loatra izany ka hoy izy "Ary ny amiko, sanatria raha hanota amin'i Jehovah aho ka hitsahatra tsy hangataka ho anareo" (1Samoela 12:23). Amin'i Samoela, ny mitsahatra tsy mivavaka ho an'ny olona dia fahotana amin'Andriamanitra. Na dia nivily lalana aza i Saoly ka niala taminy ny hosotra dia mbola nalahelo azy foana i Samoela na dia tsy nahita an'i Saoly intsony aza izy mandra-pahafatiny (1Samoela 15:35).
Ny fitiavana manao fifonana dia mety hidika koa hoe fanohizana mivavaka na dia fotoana elabe aty aorian'ny fahatapahan'ny fifandraisana na fifanalaviran-toerana aza.
Marika fahatelon'ny fitiavana manao fifonana : Hotononiko aminao ny fahamarinan'Andriamanitra
Ao amin'ny Zakaria toko faha-3 dia nitsangana teo anatrehan'ny anjelin'ny Tompo i Josoa mpisoronabe, nitafy fitafiana maloto, ary nitsangana teo koa Satana "hiampanga azy". Izao no navalin'i Jehovah ao amin'ny Zakaria 3:2 "Hananatra anao anie Jehovah, ry Satana ; eny, Jehovah izay nifidy an'i Jerosalema anie hananatra anao ; tsy forohana nosarihana tamin'ny afo va ity ?"
Avy eo dia nandidy Andriamanitra hoe : "Esory aminy ny fitafiana maloto". Hoy Izy tamin'i Josoa "Indro efa nesoriko ny helokao, ary hampiakanjoiko akanjo fihaingoana hianao". Dia nampian'i Zakaria izany avy eo ao amin'ny andininy faha-5 hoe "Aoka hasiany hamama madio eo an-dohany".
Tahaka izany ny fon'ny Ray amin'ilay zanaka adala : raha vantany vao nisy mariky ny fibebahana fotsiny dia nihazakazaka Izy, nanoroka an-janany, nampiakanjo azy, namerina azy tamin'ny toerany sady nifaly. Ny asetrintsika an'izany (tsy atao mitovy amin'ny an'ilay zokiny lahy ao amin'ny tantara) dia tsy maintsy hoe mampiseho izany fitiavana sy fankalazana ary fanamarinana izany raha vao misy famantarana amin'ny fibebahana marina. Tsy manao hoe "Eny e, fiantombohana izany, ho hitantsika eo ny tena fahavononanao". Fa aleo miteny hoe "Efa nesorin'ny Tompo ny helokao ary efa nambarany hoe marina ianao rehefa avy nibebaka. Faly aho mamerina sy mankalaza ny didim-pitsarany hoe marina ianao".
Antso ho an'ny tokantranontsika sy ny fiangonantsika
Eritrereto hoe ao amin'ny fianakaviana anankiray, ny lahy sy ny vavy dia samy mpitondra ny fiadiana ho an'ny vadiny, ny ray aman-dreny dia mandà tsy hanameloka fa miambina sy mivavaka ho an'ireo zanany. Eritereto hoe ao amin'ny fiangonana anankiray, ny rahalahy sy ny anabavy dia samy mitolona mangina ho an'ny fahamasinan'ny namany. Eritererto hoe ao amin'ny fianakaviana sy ny fiangonana maro dia
- mitondra ny adin'ny hafa tahaka ny hoe adiny ny tsirairay
- miresaka kelikely kokoa ny olona ary mivavaka bebe kokoa
- raha vao misy mariky ny fibebahana dia samy maika hanonona ny fahamarinana nampanantenain'Andriamanitra amin'ny namany avy
Enga anie ny Tompo hanangana antsika ho mpiambina sy mpitondra ny fiadiana. Izany hoe olon'ny fitiavana manao fifonana, ao anatin'ny fanambadiana, ao anatin'ny fianakaviana ary ao anatin'ny fiangonantsika.