written_by :   Zac Poonen categories :   Ny Fiangonana Mpianatra
WFTW Body: 

Nandritra ireo 300 taona voalohany nisian'ny fivavahana kristiana dia saika niaina tao ambany fahefan'ireo mpitondra fanjakana izay nanenjika sy namono ny ankamaroan'izy ireo ny kristiana rehetra. Tamin'ny fahendreny lehibe dia navelan'Andriamanitra hisy hanenjika ny Zanany, ho voninahitr'Andriamanitra. Na dia amin'izao fotoana izao aza dia avelan'Andriamanitra ireo Zanany mahafatra-po indrindra mba hiaina ao ambany fahefan'ireo fitondram-panjakana izay manenjika azy ireny. Miroborobo amin'ny fahamendrehana foana ny fiangonana rehefa ao anaty fanenjehana. Fa na aiza na aiza kosa no miadam-pinaritra, tsy manan-java-mahory ary ambinina ara-nofo ny fiangonana, amin'ny ankapobeny dia lasa fiangonan'izao tontolo izao izy. Raha mbola eto ambonin'ity tany ity isika dia tsy maintsy hiatrika fahoriana be sy fanenjehana ary fitsapana maro. Noho izany dia aoka isika tsy hanampo fiainana milamindamina, na any amin'ny toeram-piasantsika izany na eo amin'ny fiainantsika, fa efa akaiky ny fahataperan'izao tontolo izao.

Ho avy ireo fotoanan'ny fahasahiranana ara-bola. Koa tsy maintsy ianarantsika ny miaina amin'ny fomba tsotra dieny izao. Ny olona miaina ao anaty rendrarendra dia tsy maintsy ho tratry ny fahasahiranana mafy atsy ho atsy. Tsy maintsy manam-pahendrena isika hitahiry vola hitsinjovana ny hoavy mba tsy hiankinan-doha amin'ny hafa. Kanefa tsy mahazo miantehitra amin'izay tahirintsika isika, fa amin'ny Tompo irery ihany . Andriamanitra saro-piaro Andriamanitra ary tsy havelany hiantehitra amin'izay zavatra nohariana mihitsy isika. Andriamanitra dia hanozongozona ny rafitra ara-bolan'izao tontolo izao mba ho voaozongozona ny olona izay miantehitra amin'ny zavatra nohariana. Araka izay nolazain'i Jesosy dia ho hitantsika ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny ary ny ankohonan'ny olona ihany no ho fahavalony (Matio 10:21).

HIsy fanenjehana mafy hihatra amin'ny mpino any amin'ny birao sy any amin'ny orinasa misy azy avy. Izany rehetra izany dia hanadio antsika sy hahatonga antsika ho kristiana tsara kokoa. Milaza ny 1 Petera 3:13 fa tsy misy olona hanisy ratsy antsika raha mazoto amin'izay tsara isika. Koa tsy maintsy manapa-kevitra isika, omban'ny fahasoavan'Andriamanitra, mba hanisy soa ny olona rehetra tsirairay avy. Tsy maintsy tiavintsika ny olona izay mankahala antsika, tsy maintsy tsofintsika rano izay manozona antsika, ary tsy maintsy mivavaka isika mba hahazo famelan-keloka izay manenjika antsika. Dia tsy hisy olona afaka hanisy ratsy antsika. Satana sy ny forongony dia mety hamitaka antsika, hanahirana antsika, hampijaly antsika, handroba antsika, handratra antsika, hanagadra antsika sy hamono antsika mihitsy aza angamba. Kanefa tsy hahavita hamono antsika ara-panahy velively izy ireo.

Tsy maintsy ampiomanintsika ny kristiana rehetra manerana izao tontolo izao mba hiatrika fanenjehana noho ny finoany amin'ny andro ho avy. Misy didy efatra izay nomen'ny Tompo antsika ho an'izany andro izany

  1. "Hendre tahaka ny menarana ary morà tahaka ny voromailala" (Matio 10:16)

Tsy mahazo manaonao foana isika rehefa manao ny asa fitoriana fa tsy maintsy hendry. Ny fiainantsika dia tsy maintsy manambara an'i Kristy, na any amin'ny toeram-ponenantsika na any amin'ny toeram-piasantsika. Amin'ny fijoroantsika vavolombelona ho an'ny Tompo dia tsy maintsy ataontsika mazava tsara hoe Olona no resahintsika, izany hoe Jesosy Kristy, fa tsy ny hoe ambony noho ny fivavahana hafa ny fivavahana kristiana. Jesosy ihany no hitaona ny olona hanatona Azy rehefa asandratra Izy (Jaona 12:32). Tsy maintsy mailo koa isika mamantatra ireo mpitsikilo tsi-kristiana izay milaza fa liana amin'ny fivavahana kristiana, kanefa ny tena mahamay azy dia ny hiampanga antsika noho ireo teny sasany ampiasaintsika mba hanolorany antsika eo amin'ny fitsarana hoe "manery azy ireo hiova fo". Noho izany dia tsy maintsy hendry sy be fitiavana tahaka an'i Jesosy isika :

(a) "Fa Jesosy tsy natoky azy, satria Izy nahalalaizay tao am-pon'ny olona" (Jaona 2:23-25). Mila mamantatra ny olona tsirairay isika.

(b) "Fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy" (Jaona 7:1). Tokony hanalavitra ny loza azontsika ialàna isika.

(c) "Mivavaha ho an'izay manenjika anareo" (Matio 5:44). Aoka isika ho tsara fanahy amin'ny olona. Aza ratsy fanahy amin'ny olona satria ratsy fanahy amintsika izy.

  1. " Aoka hivelona amin'ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra" (Matio 4:4)

Amin'ny fotoanan'ny fanenjehana, ny zava-dehibe indrindra takiana amintsika dia ny mora mahafantatra ny Teny izay lazain'Andriamanitra ao am-pontsika. Tsy maintsy kolokolointsika ny fahazarana mihaino izay lazain'Andriamanitra mandritra ny tontolo andro. Ny teny izay rentsika avy amin'Andriamanitra amin'izany dia tsy maintsyinoantsika sy ankatoavintsika. Raha tsy izany dia tsy misy vidiny akory ilay izy. Koa tsy maintsy misaintsaina betsaka ny tenin'Andriamanitra isika (indrindra ny Testamenta Vaovao) satria izay ihany no fomba hahaizantsika mamantatra ny feon'Andriamanitra. Rehefa avy eo isika dia tsy maintsy "matoky sy manaiky".

  1. "Aoka ho tahaka ny nitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa. Izany no hahafantaran'ny olona rehetra fa Mpianatro hianareo, raha mifankatia" (Jaona 13:34,35)

Na ao an-tokantrano isika na any am-piangonana dia tsy maintsy mampitsahatra hatreo izay mety ho fifampiandaniana, fifosafosana, fifandirana ary fifampiahiahiana. Ny fahaiza-mamantatra dia toetran'Andriamanitra, fa ny fiahiahiana dia toetran'i Satana. Efa fotoana izao hifantohana amin'ny ady atao amin'ny fahotana sy atao amin'i Satana eo amin'ny fiainantsika. Fotoana izao hitiavantsika amin'ny zotom-po ny vady andefimandrintsika sy ireo mpiara-mivavaka amintsika.

  1. "Aty amin'izao tontolo izao no AHITANAREO fahoriana. Nefa matokia, Izaho efa naharesy izao tontolo izao" (Jaona 16:33)

Andriamanitra dia eo amin'ny seza fiandrianany ary Izy tsy hahafoy ny Azy mandrakizay . 2000 taona lasa izay no efa resy i Satana. Isika no anakandriamason'Andriamanitra, ary Andriamanitra no ho manda afo manodidina antsika (Zak. 2:9,12). Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana antsika dia tsy hisy hambinina" (Isaia 54:17). Noho izany dia aoka isika "hianina amin'izay ananantsika,satria Andriamanitra mihitsy no nilaza hoe 'Tsy handao anao na hahafoy anao Aho'. Mba hananantsika fahasahiana hilaza hoe 'Jehovah no Mpamonjy ahy, ka tsy hatahotra aho. Inona no azon'ny olona atao amiko? '" (Hebreo13:5,6).

Andeha koa isika hivavaka hoe "Avia, Jesosy Tompo" (Apok.22:20).