WFTW Body: 

Ny hafatra mifanentana omen'ny filazantsara dia izay hita ao amin'ny taratasy nosoratan'i Paoly ho an'ny Efesiana. Ao amin'ny Efesiana toko voalohany ka hatramin'ny toko faha-3 dia tsy ahitana na dia fananarana anankiray aza. Ireo toko ireo dia tsy mitantara afa-tsy izay zavatra nataon'Andriamanitra ho antsika. Ireo toko anankitelo manarakaraka ao amin'ny bokin'ny Efesiana kosa dia feno fananarana momba izay zavatra tsy maintsy ataontsika ho an'Andriamanitra. Ireo no lafiny anankiroa amin'ny vola vy-n'ny filazantsara. Raha toa ka tsy ao ny lafiny anankiray, dia vola vy (filazantsara) sandoka izy izay. Voatonona ao amin'ny Galatiana toko 1 ny ozona izay mahazo ireo olona mitory « filazantsara hafa ». Noho izany dia tsy maintsy mitandrina tsara isika mitory filazantsara feno, sy filazantsara tsy misy diso.

Andriamanitra dia efa nitahy antsika tao amin'i Kristy tamin'ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra (Efe. 1:3). Ny fiainantsika ao amin'i Kristy dia tsy maintsy atomboka amin' izay zavatra nataon'Andriamanitra. Tia Azy isika satria Izy efa tia antsika taloha. Manompo Azy isika, satria Izy efa nanompo antsika taloha. Efa fantatr'Andriamanitra isika talohan'ny nahariany izao tontolo izao (Efe. 1:4). Tsy takatry ny saintsika izany satria isika dia manana ny lasa, ny ankehitriny ary ny ho avy, fa ny anaran'Andriamanitra kosa dia hoe « Izaho Izay Izy » ( Exo. 3:14). Andriamanitra dia mitoetra eo amin'ny ankehitriny mandrakizay. Hatramin'ny elabe raha mbola tsy namorona na inona na inona Andriamanitra dia efa fantany isika tsirairay sy ny anarantsika. Efa napetrany tao amin'i Kristy isika fony tsy mbola àry ny fanorenan'izao tontolo izao.

Ity misy fanehoana an-tsary manazava ny dikan'ny hoe « ao amin'i Kristy ». Makà ianao taratasy anankiray dia apetrao ao anatin'ny boky anankiray iny, dia dory ilay boky, ho may ao koa ilay taratasy. Raha alevinao ao ambanin'ny tany ilay boky, dia ho voalevina ao koa ilay taratasy. Raha alefanao manidina any amin'ny volana ilay boky, dia handeha any amin'ny volana koa ilay taratasy. Dia tsy misy valaka amin'izany koa ny mitranga rehefa napetraka tao amin'i Kristy isika ( tany amin'ny fotoana lasa mandrakizay tany, tao anatin'ny sain'Andriamanitra ). Noho izany àry, rehefa nohomboana tamin'ny hazo fijaliana Kristy tamin'ny taona 29, dia nohomboana niaraka taminy isika. Rehefa nalevina Izy dia nalevina isika. Rehefa nitsangana tamin'ny maty Izy ary niakatra ho any an-danitra, dia « niara-natsangan'Andriamanitra isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin'i Kristy Jesosy » koa (Efe. 2:6). Fahamarinana mahatalanjona izany. Kanefa azontsika andramana eo amin'ny fiainana ny fahatanterahan'izany, raha tena inoantsika tokoa ny tenin'Andriamanitra, izay ihany. « Tongava aminareo araka ny finoanareo » (Matio 2:29), izany no lalàn'Andriamanitra.

Isika dia tsy maintsy miorina tsara eo amin' izay zavatra nataon'Andriamanitra ho antsika ao amin'i Kristy. Rehefa voapetraka izany fanorenana izany, izay isika vao afaka hanangana ny vatan-trano, mampihatra ireo fananarana ao amin'ny Efesiana toko faha-4 hatramin'ny faha-6, mikasika ny fomba vaovao tokony andehanantsika, mikasika ny fanoherantsika an'i Satana sy ny fandresentsika azy sns… Fa raha tsy izany dia hahazo antsika matetika ny mihosina ao anatin'ny fota-mandrevon'ny fahakiviana sy ny fanamelohan-tena. Voalohany indrindra dia aoka ianao hisaintsaina lalina ny Efesiana toko voalohany hatramin'ny faha-3.

Marobe ny kristiana no mihady fototra manao fanorenana eo amin'ny toerana iray ary avy eo dia any amin'ny toerana iray hafa izy no mandrafitra ny vatan-trano !! Izany no mampirodana ny trano. Ny fananarana rehetra hita ao amin'ireo toko 3 farany ao amin'ny bokin'ny Efesiana dia mifototra amin'ny fitiavan'Andriamanitra antsika sy ny fanekeny antsika tanteraka (efa nolazaina tao amin'ireo toko telo voalohany). Izany no fototra tsy maintsy iaingàna. Kanefa dia miha-adinontsika izany. Misy andro anankiray hiheverantsika fa heken'Andriamanitra kokoa isika satria mamaky Baiboly adiny iray latsaka fahefany isan'andro. Misy andro anankiray indray hiheverantsika fa mikentrona toa tsy faly amintsika Andriamanitra ary tsy hamaly ny vavaka ataontsika satria tsy nanana fotoana na dia iray minitra aza isika namakiana ny Soratra Masina. Ary raha misy zavatra tsy mandeha araka ny tokony ho izy dia hatahorantsika fa ny anton'izany dia satria tsy namaky ny Baiboly isika tamin'io andro io. Izany no atao hoe finoanoam-poana, izany dia finoana fa ny faneken'Andriamanitra antsika dia mifototra amin'ny famakiana Baiboly fa tsy mifototra amin'izay nataon'i Kristy ho antsika. Azo antoka fa zava-dehibe tokoa tokoa ny famakiana Baiboly. Kanefa tsy izany no fototra iorenan'ny faneken'Andriamanitra antsika. Ny famakiana Baiboly dia ampahany amin'ny vatan-trano. Tena zava-dehibe tokoa tokoa tokoa ho anao ny miorim-paka amin'izany fahamarinana izany. Fa raha tsy izany dia ny olona no ho lasa ivon'ny filazantsara, ary dia ao anaty fototra ao ianao no hanisy varavarambe sy varavarankely !! Ny olona izay manao tsinontsinona na manamavo ireo fahamarinana ireo (hita ao amin'ny Efesiana toko 1 hatramin'ny 3) dia tsy maintsy lasa fariseo ny iafarany.

Mazava ho azy mantsy fa ny antony anaovana ny fototra fanorenana dia ny mba handrafetana ny trano. Noho izany dia aza mijanona eo amin'ny fanaovana fototra fotsiny. Tsy maintsy manohy manangana ny vatan-trano isika.

« Ny fahasoavana » dia Andriamanitra manatsotra ny tanany sy manome antsika ny fitahian'ny lanitra rehetra. « Ny finoana » dia ny tanantsika mitsotra manakatra sy maka ireo fitahiana avy amin'ny tanan'Andriamanitra. Noho izany dia mahazo afa-tsy izay angatahintsika am-pinoana amin'ny anaran'i Jesosy isika. Andriamanitra dia efa namory fitahiana analinkisa ao amin'ny bankin'ny lanitra ary Izy dia efa nanome antsika solovola na seky marobe efa voasonia tamin'ny anaran'i Jesosy. Tsy misy zavatra ataontsika intsony afa-tsy ny mameno ny tarehimarika sy mankany amin'ny banky mitaky ny lovantsika.