WFTW Body: 

Manoloana ny hakanton'ny filazantsara sy ny famindrampon'Andriamanitra lehibe dia lehibe dia inona no tokony avalintsika ho setrin'izany ?

Voalohany indrindra dia tsy maintsy atolotsika isan'andro ho an'Andriamanitra ny tenantsika mba ho fanatitra velona (Romana12:1). Ny tenantsika no tadiavin'Andriamanitra. Tahaka ny nanolorana ny fanatitra dorana tao amin'ny Testamenta Taloha dia tsy maintsy manolotra ny tenantsika isika sady miteny hoe "Tompo o, inty ny masoko, inty ny lelako, inty ny tanako, inty ny tongotro, inty ny sofiko, ny filàn'ny nofoko, ateriko eto ambony alitara avokoa ny zavatra rehetra". Faharoa manaraka izany dia tsy maintsy atolotsika Azy koa ny saintsika mba havaozina (Romana 12:1). Tonga izany fanavaozana izany rehefa avelantsika ho vonto ny Tenin'Andriamanitra ny saintsika. Ny ankamaroantsika mantsy dia manana olana goavana amin'ny eritreritra maloto. Satria nahoana ? Satria tamin'ny lasa dia nampiasaintsika ny saintsika hanaraka ny fitsipi-pisainan'izao tontolo izao. Ankehitriny dia tian'Andriamanitra hovaina ny fisainantsika, mba hanombohantsika misaina tahaka ny fisainan'Andriamanitra. Izany no fomba hanovàna miandalana ny saintsika.

Amin'ny andro iovantsika fo dia tsy tonga akory isika dia hisaina ny zavatra rehetra tahaka ny isainan'Andriamanitra azy. Fa manomboka amin'izay fotoana izay kosa dia tian'Andriamanitra hovaina ny fisainantsika mba hanomboka tsikelikely hijery ny zavatra rehetra tahaka ny ijeren'Andriamanitra azy. Mba efa manomboka mitovy amin'ny fijerin'Andriamanitra ve ny fijerintsika ny vola ? Mba efa manomboka mitovy amin'ny fijeren'Andriamanitra ve ny fijerintsika ny vehivavy ? Izao tontolo izao dia na manao tsinontsinona ny vehivavy na mitsiriritra vehivavy. Samy tsy misy ataon'Andriamanitra izany. Mba efa manomboka mitovy amin'ny fijerin'i Jesosy ve ny fijerintsika ny fahavalontsika ? Izao tontolo izao dia mankahala ny fahavalony fa Jesosy koa dia tia ny fahavalony. Ny sehatra rehetra ao anatin'ny saintsika dia tokony havaozina avokoa. Eo am-pamakiana ny Tenin'Andriamanitra sy eo am-pankatoavana ny Tenin'Andriamanitra dia ovain'ny Fanahy Masina hitovy endrika amin'i Kristy isika amin'ny fanavaozana ny saintsika.

Ao anatin'ny saina aloha no atomboka ny fanovàna. Ilay hoe "Aza manaraka ny fanaon'izao tontolo izao" (Romana 12:2) dia mampianatra antsika fa miantomboka ao amin'ny saina ny fanarahana ny fanaon'izao tontolo izao. Maro ny olona no mihevitra fa ny fanarahana ny fanaon'izao tontolo izao dia miantomboka eo amin'ny fomba fitafy. Tsy izany anefa no izy. Ao amin'ny saina aloha no maka toerana voalohany izany. Mety misy olona tsotra sy maotina ny fitafiny kanefa mbola tena tia vola be. Ny olona dia mijery ny ety ivelany fa Andriamanitra kosa mijery ny ao am-po. Ny tena mpianatr'i Jesosy dia mitady ny fankasitrahan'Andriamanitra. Rehefa amin'izany fomba izany ihany no anolorantsika ny tenantsika sy ny saintsika ho an'Andriamanitra, izay isika vao afaka mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra lavorary ho an'ny fiainantsika (andininy faha-2)

Dia tohizan'i Paoly ihany ny teniny ao amin'ny Romana toko faha 12 mikasika ny fananganana ny Tenan'i Kristy. Ny tanjon'ny filazantsara dia tsy famonjena ho an'ny olona tsirairay fa fahatongavana ho anisan'ny Tenan'i Kristy, izay ahafahantsika mampiasa ny fanomezam-pahasoavana nomen'Andriamanitra antsika toy ny faminaniana, ny fanompoana sy ny sisa. Tsy ao amin'ny 1 Korintiana 12 ihany no itanisana ireo fanomezana avy amin'ny Fanahy Masina fa eto ihany koa (Romana 12:6-8). Misy fanomezam-pahasoavana anankiray voalaza eto izay saika tsy misy mpitady mihitsy dia ny fanomezam-pahasoavana malala-tànana izany hoe fanomezam-pahasoavana manome vola ho an'ny mahantra ao am-piangonana sy ho an'ny asan'Andriamanitra (andininy 8).

Ny ambin'ny Romana toko faha 12 dia miresaka ny fomba fifampitondrantsika amin'ireo ao amin'ny Tenan'i Kristy. "Aza mihevitra izay hiavonavona fa manetre tena amin'ny malahelo" (Romana 12:16). Tsy maintsy mifangaro amin'ny olona rehetra ao amin'ny Tenan'i Kristy isika, indrindra indrindra amin'ireo olona malahelo sy mahantra, satria Andriamanitra efa nifidy ny malahelo amin'izao fiainana izao ho mpanan-karena amin'ny finoana. (Jakoba 2:5).

Aza mamaly ratsy, fa an'Andriamanitra ny famaliana (andininy faha-19). Tahaka ny fiankohofana sy ny voninahitra izay an'Andriamanitra irery ihany, ny valifaty koa dia an'Andriamanitra irery ihany. Tsy manana zo hamaly faty isika tahaka ny tsy fananantsika zo handray ny fiankohofana sy ny voninahitra avy amin'ny olona.

Ny Romana toko faha 13 dia miresaka momba ny fanekena ny fahefana lehibe. Ny filazantsara dia mampianatra antsika mba hanaiky an'Andriamanitra aloha voalohany indrindra (Romana 12:1,2), avy eo dia samy hifanaiky amin'ireo ao amin'ny Tenan'i Kristy (Romana 12:3-21), ary farany dia hanaiky ny fahefam-panjakana, satria ireny olona ireny dia "mpanompon'Andriamanitra" (Romana 13:4,6). Izany no antony andoavantsika ny hetram-panjakana rehetra sy ankatoavantsika ny lalàna rehetra mifehy ny firenentsika.