WFTW Body: 

Andriamanitra no fahefana fara tampony manerana izao rehetra izao. Tsy isalasalana na kely aza ny amin'izany. Kanefa manendry olona omeny fahefana koa Andriamanitra. Dia ireo mpitondra fanjakana, ireo ray aman-dreny ary ireo mpitondra fiangonana izay manana fahefana eo anatin'ny fiaraha-monina, ao an-tokantrano ary ao am-piangonana.

Ny fiangonana dia tsy demôkrasia araka ny fiheveran'ny olona sasany azy akory ka tompon'andraikitra mivantana amin'Andriamanitra ny olona tsirairay. Tsia. Misy mpitondra notendren'ny Tompo ao anatin'ny Tenan'i Kristy ary izy ireny dia tsy maintsy ekentsika sy ankatoavintsika. Izany no sitrapon'Andriamanitra ary ampianarin'ny Soratra Masina mazava tsara izany.

Tahaka ny andidian'ny Tenin'Andriamanitra ny olona hanaiky ny mpitondra azy, ny vehivavy hanaiky ny vadiny, ny ankizy hanaiky ny ray aman-dreniny, ary ny mpanompo hanaiky ny tompony dia tahaka izany koa no andidian'Andriamanitra ny olona hanaiky ny fifehezana ao anatin'ny fiangonana.

Efa nanendry loholona Andriamanitra mba hitondra ny fiangonana. Raha Andriamanitra mihitsy no nametraka ny loholona ao amin'ny fiangonana anankiray dia izy ireny no solotenan'ny Tompo sy nizaran'ny Tompo ny fahefany. Izao no nolazain'ny Tompo tamin'ireo mpianatra rehefa naniraka azy Izy "Izay mihaino anareo dia mihaino Ahy, ary izay mandà anareo dia mandà Ahy" (Lioka 10:16).

Ao anatin'ny Tenin'Andriamanitra dia misy didy tahaka izao : "Maneke ny mpitondra anareo ka manoava azy, fa izy miambina ny fanahinareo araka izay tokony hataon'ny olona mbola hampamoahina, mba hanaovany izany amin'ny fifaliana, fa tsy amin'ny fisentoana, fa tsy hahasoa anareo izany" (Hebreo 13:17).

Napetrak'Andriamanitra ho mpikambana ao amin'ny Tenan'i Kristy isika ao anaty vondrom-panahy (Fiangonana na Ekipa kristiana mpiara-miasa). Ao anatin'ireny dia nantsoina isika mba hanaiky sy hanoa ny mpitondra ara-panahy izay notendren'Andriamanitra hifehy antsika, ary mba hiara-mientana aminy tahaka ny ekipa anankiray ihany. Ny andraikitry ny tsirairay dia ireo mpitondra ara-panahy no manome izany.

Raha napetrak'Andriamanitra ao anatin'ny fiombonan'ny fiangonana isika na ao anaty vondrona fiaraha-miasa kristiana dia tsy maintsy manaiky ny fitondrana izay napetrak'Andriamanitra eo ambonintsika ary manaiky izay tapak'izy ireo. Tsy maintsy ataontsika azo antoka aloha fa Andriamanitra no nametraka antsika ao anatin'io ekipa io. Rehefa izay dia fantaro tsara fa manantena anao Andriamanitra hanaiky sy hanoa ireo mpitondra. Marobe ny olana ho voavaha ao anivon'ny asa kristiana rehefa azon'ny olona tsara izany fitsipiky ny Soratra Masina izany.

Andeha raisintsika ny ohatra nasehon'Ilay Zanak'Andriamanitra. Raha mbola zazalahy kely Jesosy dia vakiantsika fa nanaiky sy nanoa an'i Josefa sy Maria (Lioka 2:51). Jesosy dia tonga lafatra. Josefa sy Maria tsy tonga lafatra. Kanefa ilay Olona tonga lafatra dia nanaiky fehezin'ny olombelona tsy tonga lafatra nandritra ny taona maro, satria izany no sitrapon'Andriamanitra ho an'ny Tenany. Ny sitrapon'ny Ray no nandidy ny raharaha rehetra mikasika an'i Jesosy. Raha hiaina eo ambany fahefan'i Josefa sy Maria no tian'ny Rainy nataony dia ho nataony izany, na hafiriana na hafiriana tian'ny Rainy hanaovany an'izany.

Koa hitantsika eto avy amin'ny fianarana navelan'ilay Zanak'Andriamanitra tonga lafatra fa ny zavadehibe indrindra dia izao, "Moa ve sitrapon'Andriamanitra ny hitoerako eto amin'ity fiombonam-panahy ity?". Raha "Eny" ny valiny dia andraikitsika ny manaiky sy manoa ny mpitondra izay notendren'Andriamanitra.

Ny fiodinana tsy hanaiky ny fahefana no fahotana voalohany indrindra teto amin'izao rehetra izao, tamin'ny fotoana izay niodinan'i Losifera lohan'ny anjely tsy hanaiky ny fahefan'Andriamanitra.

Ankehitriny dia misy fanahy anankiroa miasa eo amin'izao tontolo izao : ny Fanahin'i Kristy izay mitarika ny olona hanaiky ny fahefana voatendrin'Andriamanitra, ary ny fanahin'i Satana izay mitondra ny olona hiodina amin'ilay fahefana.

Ankehitriny dia manjaka eo amin'ny fiaraha-monina, ao an-tokantrano ary ao am-piangonana koa aza ny fanahin'ny fiodinana. Izany dia famantarana mazava fa izao tontolo izao dia manalavitra haingana an'Andriamanitra ary miha-fehezin'i Satana. Amin'ny maha mpikambana antsika ao amin'ny Tenan'i Kristy dia nantsoina isika mba hanohitra ny fitsipik'i Satana ary hanaraka ny ohatry ny fankatoavana nasehon'i Kristy.

Tsy hisy fatiantoka ho antsika mihitsy ny manaiky ny fitondrana notendren'Andriamanitra. Fa mety fahavoazana be ny hahazo antsika raha miodina Aminy.

Ny fanekena sy fanoavana ireo mpitondra izay notendren'Andriamanitra dia fomba fiasan'Andriamanitra mba hitondrana antsika amin'ny fahamatorana ara-panahy. Hijanona ho donto ara-panahy foana isika raha tsy manaiky izay iantsoan'Andriamanitra antsika.

Ny ankamaroan'ny mpino dia mbola tsy nianatra sy nahita ny maha-masimandidy an'Andriamanitra mihitsy teo amin'ny fiainany satria mbola tsy fantany izany hoe fehezina sy toherina ny fikasany noho ny fanoavany am-panetrentena ireo mpitarika azy ara-panahy. Tsy misy olona mahefa be amin'ny fanompoany an'Andriamanitra na olona azo atao mpitarika ara-panahy raha toa ka mbola tsy nanaiky hofehezin'olona mihitsy teo amin'ny fiainany.

Ny fanekena sy fanoavana dia tsy zavatra mahamenatra na mampahory, araka izay bitsihin'ny Devoly ao an-tsofintsika. Fa mifanohitra amin'izany, fomba ampiasain'Andriamanitra izany mba hiarovana ny ara-panahintsika. Ao anatin'ireo taona voalohandohany amin'ny fiainantsika kristiana dia mbola tsy haintsika ny fomban'Andriamanitra. Ao anatin'ny hafanam-pon'ny fahatanorana dia azontsika atao ny afaka amin'ireo fandrika maro sy voaaro amin'ny fitaomana ny olona havily lalana raha manaiky ireo mpitondra antsika ara-panahy isika. Ireo taona vitsy laniantsika amin'ny fankatoavana koa dia fotoana ampianaran'Andriamanitra antsika ny lalànan'ny Fanjakany sy hanaovany antsika ho tonga mpanankarena ara-panahy, mba hahafahantsika manompo ny hafa

Toy inona re ny fatiantoka rehefa miala amin'ny lalan'ny fanekena sy fanoavana isika e !