WFTW Body: 

Ny anisan'ny zava-doza indrindra amin'izao andro farany izao dia : "manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, nefa nandà ny heriny" (2 Tim. 3:5). Mora foana amintsika ny afa-po amin'izay hery azontsika avy tamin'ny fanomezam-pahasoavana sy ny talenta. Ny herin'ny aina dia miseho ao amin'ny herin'ny saina sy ny herin'ny fihetsem-po ary ny herin'ny sitrapo. Tsy tafiditra ao anatin'ireo ny herin'Andriamanitra, kanefa ny hanomezana antsika izany herin'Andriamanitra izany no antony nahatongavan'i Kristy sy ny Fanahy Masina.

Ny herin'ny saina dia hita ao amin'ireo olona mpahay siansa, ireo olona avara-pianarana, ary ireo mpitoriteny mahay. Ny herin'ny fihetsempo dia hita ao amin'ireo mpitendry mozika rock, sy ao amin'ireo mpitory marobe koa. Ny herin'ny sitrapo dia hita ao amin'ireo olona manam-pahaizana manokana momba ny yoga sy ny fampijalian-tena samy hafa, ary koa ao amin'ireo mpitory izay mitady hanjakazaka amin'ny hafa amin'ny alalan'ny toe-panahy maheriny. Tsy azontsika afangaro amin'ireo hery telo ireo mihitsy ny herin'ny fanahy.

Voalohany indrindra dia mahatonga antsika hankato an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra ny herin'ny fanahy. Eritrereto ny herin'Andriamanitra, miharihary eny amin'ireo planeta sy kintana maro izay miodinkodina manaraka orbita. Vitain'izy ireo ao anatin'ny fotoa-maty izany ary efa nandritra ny arivotaona maro. Ny anton'izany fahalavorariana izany dia satria ireo planeta sy kintana ireo dia fantatra fa mankato ny lalànan'Andriamanitra. Ireny tenan-javatra eny amin'ny lanitra ireny dia vavolombelona moana izay milaza marina fa ny zavatra tsara indrindra tokony atao dia ny mankato tanteraka an'Andriamanitra.

Jesosy dia tsy nandresy an'i Satana tamin'ny hery ny tanjaka, fa nandresy azy tamin'ny herim-panahy. Na dia refona mafy aza Jesosy avy nifady hanina 40 andro, ka nalain'i Satana fanahy, dia tsy nety nanova ny vato ho mofo Izy na dia hainy natao aza izany. Izany ve tsy mifanohitra tanteraka tamin'izay nataon'i Eva tao amin'ny paradisan'i Edena, izay nanome fahafaham-po avy hatrany ny fitsiriritana tao anatiny, na dia tsy noana akory aza izy ? Ny fijangajangana dia faniriana anankiray hafa koa mitoetra ao anatin'ny tenantsika, tahaka ny fitiavan-kanina. Izany faniriana izany koa dia manao izay hahazoany fahafaham-po tsy misy farany. Raha manana herim-panahy isika dia hitovy amin'i Jesosy, izay nilaza fa aleony mivelona amin'ny "teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra" toy izay hanao izay hahafaham-po ny tenany ka hanome izay tadiavin'ny tenany.

Samsona dia nanana herim-batana be nahafahany namiravira liona. Kanefa ny lionan'ny filàna ara-nofo tao anatiny no tsy nitsahatra namiravira azy. Izany dia manaporofo fa ny filàn'ny nofo dia mahery lavitra noho ny liona rehetra. Josefa kosa anefa dia lehilahy nahery kokoa noho i Samsona, satria nahavita namiravira foana ny lionan'ny fijangajangana isan'andro isan'andro izy (Gen. 39:7-13).

Izay antony manosika antsika hanao zavatra no mahatonga an'Andriamanitra hanome ny herim-panahy ho antsika na tsia. Raha toa tanjonao sy zava-kendrenao eo amin'ny fiainana ny tsy hanao afa-tsy izay hahafaly an'Andriamanitra sy hanome voninahitra Azy, dia satrin'Andriamanitra tokoa ny hanome ny herim-panahiny ho anao. "Mangataka ianareo, nefa tsy mahazo ihany, satria diso fangataka (satria antony tsy mendrika no manosika anareo hangataka)" (Jak. 4:3).

Ny asa aman-draharaha ataontsika dia tsy inona akory fa zavatra natao hamelomantsika tena fotsiny. Ny tanjom-piainantsika kosa dia tsy maintsy hoe manao izay hahafaly an'Andriamanitra irery ihany, fa tsy hoe hivelona ho an'ny tenantsika na ho tonga olona fantan-daza eto amin'izao tontolo izao. Na dia i Jesosy aza dia nalain'i Satana fanahy notolorany ny voninahitr'izao tontolo izao. Hotoloran'i Satana an'izany koa ianao. Kanefa tsy maintsy lavintsika hatrany hatrany izany (tahaka an'i Jesosy), satria tsy hahazo izany voninahitra izany isika raha tsy manao karazana fiankohofana eo amin'i Satana. Tsy maintsy mitandrina tsara isika mba tsy ho entin'ny fitiavam-bola mivily lalana ka tsy hanatanteraka ny planin'Andriamanitra ho an'ny fiainantsika. Tsy tokony hanenenantsika mihitsy rehefa afaka 2000 taona any aoriana ny safidy raisintsika androany.