WFTW Body: 

Raha toa ka noraisinao ho tena zava-dehibe ny sakafom-panahy izay azonao tao am-piangonana nandritra ny taona maro, dia ho faly amin'ny fiangonana tokoa ianao. Jereo ange fa feno fankasitrahana ery ianao rehefa misy olona manasa anao hiara-misakafo aminy indray mandeha. Tsy tokony ho betsaka lavitra noho izany ve ny fankasitrahanao, noho ny tamin'ireo sakafo ara-panahy izay noraisinao tao am-piangonana nandritra ny taona maro ? Andeha ovaintsika indray àry ny fomba fijerintsika. Eritrereto hoe nisy olona anankiray izay nikarakara fatratra ny zanakao, niaro azy ireo tamin'ny loza, nitsabo ny aretin'izy ireo, nampahery azy ireo tsy ho azon'ny hakiviana, nanampy azy ireo tamin'ny fianarany mba hahazoany naoty tsara. Dia eritrereto hoe tsy indray andro na indroa no nanaovan'io olona io an'izany fa efa taona maromaro ihany. Tsy ho feno fankasitrahana an'izany olona izany ve ianao ? Farafaharatsiny tokony hitovy amin'izany ny fankasitrahanao ny fiangonana tamin'ny niarovany an'ireo zanakao. Antony anankiray mahatonga ny mpino marobe tsy hitombo ara-panahy ny tsy fahaizany nankasitraka izay rehetra noraisiny tao am-piangonana. Ireny olona izay niala tsy ho mpiangona ireny dia ireo izay tsy nanana fankasitrahana na dia kely akory aza, tamin'ny zavatra rehetra noraisiny maimaimpoana tao am-piangonana, nandritra ny taona maro.

Ao amin'ny Lioka 17:15, no amakiantsika ny tantaran'ireo boka folo lahy izay nositranina. Kanefa dia ny anankiray tamin'izy ireo ihany no niverina tany amin'ny Tompo mba hisaotra Azy sy hankalaza an'Andriamanitra. Fony mbola nila vonjy izy ireo dia hainy ery ny niantso mafy nangataka famindram-po. Fa rehefa avy nositranina kosa izy rehetra, ny sivy tamin'izy folo lahy dia tsy nankasitraka ny soa natao taminy. Anankiray ihany sisa no nanandratra mafy ny feony tamin'ny fisaorana sy ny fankasitrahana. Azo antoka fa olona an'arivony maro, nositranina tany Isiraely koa izao no tsy nieritreritra akory izay mba hisaotra ny Tompo. Ity lehilahy Samaritana ity kosa anefa dia niverina ary nisaotra ny Tompo. Izao angamba no teny nolazainy tamin'ny Tompo tamin'izany « Tompo ô, fiainana hafa tanteraka mihitsy izao no hiainako amin'ny ho avy, satria efa nikasika ahy Ianao. Afaka miditra ao anatin'ny tanàna amin'izay aho izao. Afaka mody any amin'ny fianakaviako. Nitondranao fifaliana teo amin'ny fiainako. Tsy hisy hamaivaniko ireo fitahiana avy aminao na dia anankiray aza. Noho ianao no nahazoako izay rehetra ananako ary fankasitrahana mitafotafo no atolotro anao noho ny nitahianao ny fianako ». Nankasitrahan'i Jesosy io lehilahy io satria naneho fanahin'ny fankasitrahana. Noho izany dia nomen'i Jesosy zavatra hafa koa izy. Nolazain'i Jesosy taminy fa ny finoany no efa nahavonjy azy. Io boka efa voadio io dia mbola nahazo zavatra avy tamin'ny Tompo koa, ankoatry ny fanasitranana. Efa azony aloha ny fanasitranana. Kanefa noho izy feno fankasitrahana, dia nahazo famonjena koa izy. Izaho dia mino fa hihaona amin'io lehilahy samaritana io any an-danitra. Tsy dia azoko antoka kosa ny fihaonana amin'ny anankiray amin'izy sivy lahy. Rehefa miverina ianao mba hisaotra ny Tompo dia hahazo mihoatra noho ny zavatra azon'ireo olona hafa.

Ny Tompo dia eo afovoan'ny Fiangonany, ary ny Fiangonany no Tenan'i Kristy ety an-tany. Ny fankasitrahantsika ny Tompo dia asehontsika amin'ny fanaovantsika ny Tenan'i Kristy ho tena zava-dehibe eo amin'ny fiainantsika. Raha tsy mahay mankasitraka ny fiangonana ianao na tsy ataonao ho zava-dehibe eo amin'ny fiainanao ny fiangonana, dia ianao ihany no ho faty antoka fa tsy ny fiangonana akory. Andriamanitra dia tena nandrotsaka betsaka ny fitahiany tamin' ireo olona izay nanao ny fiangonana ho sarobidy taminy, ka nahay nankasitraka ireo zavatra noraisiny tamin'ny fiangonana.

Tena zava-dehibe tamin'i Jesosy tokoa ny tsi-fialàn'ireo mpianany taminy. Indray mandeha Jesosy dia nilaza fa ny mpianany rehetra dia handao Azy ho irery, kanefa tsy ho irery Izy satria ny Ray no ho ao Aminy ( Jaona 16:32). Tsy nisy nilàny an'ireo mpianatra ireo. Kanefa dia izao no nolazain'i Jesosy ao amin'ny Lioka 22:28 fa tena nankasitrahany ny nitsanganan'izy ireo niaritra niaraka taminy. Izy dia efa Mpanjakan'ny voninahitra. Tsy nila na iza na iza hitsangana eo anilany Izy. Kanefa na dia tsy nilainy aza ny fanotronan'ireo mpianany Azy dia nankasitrahany ny tsi-fialàn'izy ireo taminy. Tahaka ny niteny Jesosy hoe : « Efa nivoaka avy tamin'ny fombafomba jiosy ianareo, ary efa nahafoy ny siny hoditra taloha. Efa hitanareo ny tsi-fitovian'ny fanahin'ny ampakarina sy ny fanahin'ny vehivavy janga ary efa nivoaka ianareo ka nitsangana teo anilako, na ho inona na ho inona fiantraikan'izany »

Manantena aho fa amin'ny andro farany dia afaka hiteny amintsika ny Tompo hoe : efa nitsangana teo anilako ianao, efa tsy menatra Ahy ianao, efa notiavinao ny fiangonana izay nametrahako anao, ary efa tao no nandanianao ny fiainanao, ka tsy mba nanao tahaka ireo olona maro mpitsikera fiangonana ianao. Ry rahalahy sy anabavy, andeha mba hankasitrahantsika amin'izay ny fiarovana mahafinaritra izay azontsika sy azon'ny zanatsika ao anatin'ny fiangonana. Ary ianareo tanora, tsy ho takatry ny sainareo mihitsy ny fiarovan'ny fiangonana fatratra anareo, na tamin'ny loza aman'antambo na tamin'ireo fahotana. Rehefa hitsangana eo anatrehan'ny Tompo ianao vao ho fantatrao fa ny fitsipika hentitra tao anatin'ny fiangonana no niaro anao tsy hivily lalana tany amin'izao tontolo izao ka tsy nahapotika ny fiainanao. Amin'izay andro izay, dia ho hitanao fa ny teny henonao tany am-piangonana efa taona maro lasa no niaro anao tamin'ny loza taty aoriana be. Dia hasehon'ny Tompo aminao koa amin'izay andro izay fa noho ireo teny izay henony tao am-piangonana dia voavonjy tamin'ireo loza marobe saika hanjo azy ireo ny zanakao. Na dia nahazoantsika izany rehetra izany sy fitahiana maro hafa aza ny fiangonana dia vitsy dia vitsy amintsika no mba nahay nankasitraka ny fiangonana sy nahatsapa ny hasarobidiny.

Tianao ve ny handroso eo amin'ny toerana izay hahatongavanao ho fitahiana ho an'ny hafa ? Raha eny, voalohany indrindra aloha, dia mianara mankasitraka ny Tompo noho izay rehetra nataony ho anao, ary mianara mankasitraka ny fiangonana noho izay rehetra nomeny anao. Aza tsinontsinoavina ny fiangonana. Ny ankamaroantsika dia tahaka ireo ankizy izay tsy mahatsapa ny tena hasarobidin'ny ray aman-dreniny raha tsy efa maty izy ireo. Enga anie ny Tompo hampianatra antsika, ka dieny izao dia samy hahay hifankasitraka isika tsirairay avy ato am-piangonana, sao ho tratra aoriana loatra.