Rehefa nanomboka nanao fivoriam-bavaka tao an-tokantranoko izahay tamin'ny volana aogositra 1975 dia tsy nieritreritra hanorina fiangonana vaovao velively mihitsy. Ny apôstôly ihany taloha no nanorina fiangonana, ary tsy nihevitra ny tenako ho anisan'izany aho! Rehefa nandroso anefa ny fotoana dia nihamaro hatrany ireo olona tonga niara-nivavaka taminay ary tsy nanan-tsafidy intsony izahay afa-tsy ny fanohizana ny fiaraha-mivavaka. Tsy nanasa na iza na iza izahay hiaraka aminay. Ary tsy tianay hiaraka aminay fotsiny ny olona noho izy hoe leo ny fiangonana misy azy. Fantatray mantsy fa ireny olona ireny dia ho leo anay vetivety koa! Ny olona "miasa fatratra sy mavesatra entana" ihany no nasain'i Jesosy nanatona Azy (Matio 11:28). Izany hoe, ireo olona efa leo sy tofoky ny fiainam-pahotany ka niezaka fatratra handresy fahotana . Ny olona tahaka izany ihany no tianay hiara-mivavaka aminay.
Efa nisy karazana antokom-pivavahana an-jatony taty Inde ary azonay antoka fa tsy te hanorina antokom-pivavahana vaovao amin'ny alalanay Andriamanitra. Nanomboka hatramin'ny fanavaozana ny fivavahana protestanta (na reformasiôna), ny hetsika vaovao rehetra natomboky ny Tompo dia natombony mba hanasongadinany tsara ny lafiny sasany mampiavaka ny fiainana ao amin'ny fanekena vaovao izay tsy notsindrian'ireo fiangonana teo an-toerana. Raha tsy izany dia tsy ho voatery nanomboka zava-baovao Andriamanitra.
Kanefa dia nanangana fiangonana vaovao teo anivonay ny Tompo ! Nanontany tena izahay hoe inona ny mety ho zavatra miavaka tian'ny Tompo hasongadina tamin'ny alalanay? Marina koa fa tsy olona ara-panahy nihoatra noho ny hafa izahay. Mpanota voavonjy noho fahasoavan'Andriamanitra izahay ary fantatray ny tsi-fahatanterahanay tamin'ny lafiny maro. Kanefa tsy afaka niombon-kevitra tamin'ny ankamaroan'ny fiangonana teo amin'ny faritra nisy anay izahay satria tsapanay fa efa niala tamin'ny fampianarana sy ny fanao ao amin'ny Testamenta Vaovao izy ireo. Ary rehefa nitohy ny fivoriam-bavaka nataonay dia nanomboka nipoitra tao an-tsainay ireo sehatra sasany izay tsy nitovizanay hevitra :
● Ny batisan'ny rano : manao batisa ny mpino izahay tamin'ny fandrobohana azy ao anaty rano, amin'ny Anaran'ny Telo Izay Iray. Koa tsy nitovy tamin'ireo antokom-pivavahana lehibe rehetra nanao batisa zazakely izahay.
● Ny batisan'ny Fanahy Masina : mino ny batisan'ny Fanahy Masina sy ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina rehetra izahay. Koa tsy nitovy tamin'ireo fiangonana evanjelika sy fiangonana batista izahay!! Kanefa TSY ninoanay kosa hoe ny fitenenana tamin'ny teny tsy fantatra no porofon'ny batisan'ny Fanahy Masina, fa ny porofon'ny batisan'ny Fanahy Masina dia fandraisana ny herin'Andriamanitra (Jereo Asa 1:8 & 10:38). Noho izany dia tsy nitovy tamin'ireo fiangonana pentekotista sy karismatika koa izahay !!
● Ny mpianatry ny Tompo : hitanay fa ny Tompo dia efa nandidy antsika hanao ny olona ho mpianatra (Matio 28:19), dia ireo olona nahafeno ny fepetra takiana amin'ny mpianatra napetraky ny Tompo ao amin'ny Lioka 14:26,27 & 33. Koa tsy nitovy hevitra tamin'ny ankamaroan'ireo fiangonana hafa izay tsy nifantoka afa-tsy tamin'ny fitoriana ny filazantsara fa tsy tamin'ny fanaovana ny olona ho mpianatra izahay.
● Pastera (mpiandry) : Hitanay fa ny "mpiandry" dia fanomezam-pahasoavana (Efesiana 4:11) fa tsy anjara fanompoana ao am-piangonana. Tena nampianarin'ny Testamenta Vaovao mazava tsara fa ny fiangonana dia tsy maintsy tarihin'ny "loholona" fa tsy tarihin'ny mpitandrina (Titosy 1:5). Ary tsy maintsy misy lolohona anankiroa fara-fahakeliny isam-piangonana, mba hialana amin'ny loza mety hateraky ny fitondran'olon-tokana sy mba hisian'ny fifandanjana tsara eo amin'ny fitondrana ny fiangonana. Izany faharesen-dahatra tao aminay izany dia nampihataka anay saika tamin'ireo fiangonana rehetra.
● Ny vola : tena lehibe loatra ny herin'ny vola ka nolazain'i Jesosy fa ny vola dia azo atao tompo ho solon'Andriamanitra (Lioka 16:13). Hitanay fa tsy maintsy tsara laza izahay mikasika an'io resaka io satria ny ankabeazan'ny asa fitoriana taty Inde dia nanana laza ratsy noho ny faharatsian'ny fitantanana ny ara-bola. Ny mpitory fivavahana sy ny pastera dia nangata-bola tamin'ny alalan'ny tatitra sy ny taratasy fangataham-bavaka. Jesosy sy ny apôstôliny kosa dia tsy mba nandefa tatitr'asa na tamin'iza na tamin'iza (afa-tsy tamin'ireo mpiara-miasa taminy). Ary tsy mba nangataka fanohanana ara-bola ho an'ny tenany na ho an'ny asa fanompoany. Fa ny nataony dia nahatoky ny Ray any an-danitra hikasika olona hanome izay vola nilainy tamin'ny asa fanompoany. Izahay koa dia nitoky tamin'ny Rainay tahaka izany. Noho izany dia nanapa-kevitra izahay ny tsy handefa tatitra mikasika ny asanay mihitsy (afa-tsy tany amin'ny fiangonana niaraka taminay) ary nanapa-kevitra tsy hangata-bola na tamin'iza na tamin'iza. Nanapa-kevitra koa izahay fa tsy hasiana fanatitra ao amin'ny fivoriam-bavaka fa fandatsahan-drakitra fotsiny no napetraka ho an'ny fanatitra atao an-tsitrapo. Satria ny Tompo dia efa niteny fa ny fanatitra rehetra dia tsy maintsy atao ao amin'ny mangingina (Matio 6:1-4). Koa ny fitantanam-bolanay dia samy hafa tanteraka tamin'ny an'ny ankamaroan'ny fiangonana rehetra taty inde.
● Ny fameloman-tena : ny ankamaroan'ny olona mpanao asa kristiana taty Inde dia nanao an'izany ho asa hameloman-tena fa tsy antso avy tamin'Andriamanitra. Maro tamin'izy ireny no niditra tao amin'ny fikambanana kristian'ny firenena tandrefana mba hikaramana. Amin'ireny olona ireny dia asa fandraharahana ny asa fitoriana ary nahazoan'izy ireo volabe. Ny Apôstôly Paoly kosa anefa dia namelon-tena tamin'ny asan'ny tanany mba tsy hitovizany tamin'ireo mpitory fivavahana tamin'ny androny (2 Korintiana 11:12). Marina tokoa fa tsy misy maharatsy ny fameloman'ny mpino ny loholona ao amin'ny fiangonany izay mpiasa matihanina. Kanefa noho ny toe-javatra nisy taty Inde dia tsapanay fa tokony samy hizaka tena avy ny loholom-piangonana mba hiavahany amin'ireo mpiasa hafa tahaka ny nataon'i Paoly tamin'ny androny. Tamin'io sehatra io koa dia hitanay fa ny fomba fijerinay dia hafa noho ny an'ny ankamaroan'ny fiangonana taty Inde.
● Fiankinana amin'ny firenena tandrefana : ny fiangonana marobe taty Inde dia niankin-doha be amin'ny kristiana tany amin'ny firenena tandrefana, na momba ny asa fitoriany izany na momba ny vola. Hitanay fa sakana tsy hahazoana laza tsara izany manoloana ireo olona tsi-kristiana taty Inde. Hitanay fa marobe ny mpitory fivavahana indiana no naka tahaka an-jambany ny fomba fanaon'ny amerikana sy nanaiky ny teôlôjiany tsy nisy famakafakana akory. Noho izany dia nanapa-kevitra izahay mba tsy hifandray tamin'ny fikambanana vahiny ary tsy hiankina amin'ny loharanon-karena avy any ivelany, na nikasika ny vola na nikasika ny asa fitoriana. Nirinay ny hanana asa fanompoana indiana izay tarihan'ny olona indiana, sady nisokatra ihany koa ho an'ny mpino avy any amin'ny tany rehetra. Tao amin'izany sehatra izany koa dia tsy nitovy tamin'ny ankamaroan'ny fiangonana taty Inde izahay.
Ireo no antony nananganan'Andriamanitra fiangonana vaovao taty Inde. Hitanay fa nilain'Andriamanitra mba hisy an'izany laza tsara izany taty amin'ny taninay. Noho izany dia nanaiky an'Andriamanitra izahay ary namela Azy hanao araka izay sitrapony taminay.
Ny fiangonana rehetra, any amin'ny fiantombohany, dia samy manana fitsipika mahafinaritra avokoa. Kanefa ny fotoana no hizaha toetra ireny fitsipika rehetra ireny. Inona no zava-misy rehefa afaka ampolo taonany vitsivitsy aty aoriana ? Rehefa manao jery todika izahay izao, 49 taona aty aoriana, na dia hitanay fa mbola misy tsy vitanay aza any amin'ny sehatra sasany dia misaotra an'Andriamanitra izahay fa efa narovany tsy hiroaroa fo ao amin'ireo sehatra fito voalaza etsy ambony ireo.
Ho an'ny Anarany irery anie ny voninahitra. Amena.