Ny fivavahana amin'Andriamanitra dia mitondra antsika ao anatin'ny fifandraisana akaiky amin'ilay Raintsika any an-danitra, ary ny fivavahana dia tsy vitan'ny hoe teny aloaky ny vava na zavatra lazaina amin'Andriamanitra fotsiny. Mamelà ahy hanazava aminao ny fahadisoan-kevitra anankiray ananan'ny 90 isan-jaton'ny olona. Misy fitenenana mahazatra ampiasain'ny fiangonana maro ankehitriny amin'ny fivoriana alahady maraina, dia izay antsoiny hoe "fanompoam-pivavahana". Any amin'ny fiangonana karismatika sy pentekotista dia "fiderana sy fiankohofana" no iantsoany an'izany. Raha te ho araka ny Soratra Masina sy ara-Baiboly tanteraka ianao dia tena diso tokoa izany fomba fiteny izany. Tsy mivavaka no ataon'izy ireo ao ny alahady maraina. Raha henoinao tsara ny tononkira hirainy dia midera sy misaotra no ataony. Tsy mivavaka velively. Raha tsy mino ahy hianao dia afaka maka konkordansy sy mijery ny teny hoe mivavaka ao anatin'ny Testamenta vaovao iray manontolo. Tao amin'ny Testamenta taloha dia izany no hany fomba nanehoan'izy ireo ny fivavahany tamin'Andriamanitra : nitehaka sy nihira ary nampiasa zavamaneno hanaovana fihirana ho an'Andriamanitra. Fa ao amin'ny Fanekena vaovao kosa, dia hoy Jesosy tamin'ilay vehivavy samaritana ao amin'ny Jaona 4:23-24 "Fa avy ny andro, sady tonga ankehitriny, raha ny tena mpivavaka hivavaka amin'ny Ray amin'ny fanahy sy ny fahamarinana ; fa ny Ray koa mitady ny mpivavaka aminy ho tahaka izany. Andriamanitra dia Fanahy ; ary izay mivavaka aminy tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana".
Jesosy dia miresaka mikasika an'ny andro izay "avy". Ny andro Pentekosta, izay mbola tsy tonga, no noresahiny tamin'izany. Hoy koa Jesosy ao amin'ny Jaona 4:23 "efa tonga ankehitriny", izany dia midika fa efa tanteraka ao amin'i Jesosy ilay andro, satria Jesosy no lahimatoa amin'ny rahalahy maro ao amin'ny Fanekena vaovao. Izy no nanokatra ny Fanekena vaovao ho antsika, koa azo lazaina fa Izy no voalohany sady Izy koa no Mpitarika antsika. Koa efa tonga ny andro satria efa nisy olona anankiray amin'izay, olona izay naina teto an-tany kanefa nivavaka tamin'ny Ray tamin'ny fanahy sy ny fahamarinana. Izay tsy iza fa Jesosy mihitsy. Tsy mbola nisy olona nanao izany talohany.
Voalaza ao amin'ny 1 Tesaloniana 5:23fa ny olona dia fanahy sy aina (âme) ary tena. Mampiseho izany fa rehefa mampiasa ny teny hoe fanahy Jesosy eto dia milaza Izy fa ny fivavahana rehetra tao amin'ny Testamenta taloha hatramin'io fotoana io dia fivavahana tamin'ny tena sy ny aina fotsiny ihany. Izany hoe nivavaka tamin'Andriamanitra tamin'ny tanany ny olona, nanandra-tanana, nitehaka tamin'ny tanana. Nivavaka tamin'Andriamanitra tamin'ny ainy izy ireo, izany hoe nampiasa ny sainy, ny lohany, ny fihetsem-pony. Nahatsapa hafaliana sy fihetsempo izy ireo tahaka anao rehefa manao hira fiderana sy fisaorana mandritra ny fivoriana. Izany no velaran'ny fivavahana ao amin'ny aina sy ny tena. Kanefa hoy Jesosy, "Manomboka izao dia efa misy fivavahana lalindalina kokoa azonareo atao rehefa mitoetra ao aminareo ny Fanahy Masina tahaka ny Fanahy Masina mitoetra ato amiko". Ny tian'i Jesosy nolazaina dia hoe "Afaka mivavaka amin'ny fanahy sy ny fahamarinana koa ianareo fa tsy amin'ny tena sy ny aina (âme) fotsiny ihany".
Inona ary no tokony ataontsika izao ? Mbola mitehaka sy manandra-tanana ihany isika, mbola mahatsapa fihetsempo sy mampiasa ny saintsika ihany isika rehefa midera an'Andriamanitra. Kanefa ambonin'izany rehetra izany dia tsy maintsy mivavaka amin'ny fanahy isika. Ary midika izany fa mitsofoka ao anatin'ny efitra lamba izay fampisarahana ny aina sy ny fanahy ianao ka tafiditra ao anatin'ny tontolo anankiray izay tsy misy afa-tsy ianao sy Andriamanitra irery ihany. Tao amin'ny tabernakelin'ny Testamenta taloha dia nisy fizarana anankitelo, nifanandrify tamin'ny tena, ny aina ary ny fanahy. Ary io fizarana farany io, izay nikatona voasaron'ny efitra lamba no fitoerana masina indrindra. Andriamanitra irery no nitoetra tao. Tety amin'ny kianja ivelany no nisy ny korana maro nomban'ny fanaterana fanatitra. Tao amin'ny fitoerana masina dia nahitana mpisorona maro somebiseby nanatitra ditin-kazo manitra sy nandrehitra jiro sy ny sisa. Fa tao amin'ny fitoerana masina indrindra kosa dia tsy nisy afa-tsy Andriamanitra. Koa rehefa niditra tao amin'ny fitoerana masina indrindra ny olona anankiray dia Andriamanitra irery no niaraka taminy tao. Tsy mahatsapa fanatrehan'ny olona hafa izy. Tsy nisy olona afa-tsy izy sy Andriamanitra irery tao. Izany no atao hoe mivavaka amin'ny fanahy, izay tsy misy afa-tsy ianao sy Andriamanitra irery. Ary zavatra azonao atao ao an'efitranonao izany, fa tsy voatery ataonao amin'ny teny aloaky ny vava.
Ny anisan'ny teny faran'izay tsara indrindra lazain'ny mpivavaka manoloana an'Andriamanitra dia izay hitantsika ao amin'nySalamo 73:25. Raha vitanao ny milaza marina an'izany amin'Andriamanitra avy amin'ny ati-fonao manontolo dia mpivavaka ianao. Fa raha tsy izany dia tsy mivavaka amin'ny fanahy ianao. Izao no voalaza " Andriamanitra ô, Iza no ahy any an-danitra fa tsy ianao ?". Raha lazaina tsotra dia izao "Rehefa tonga any an-danitra any aho, dia tsy hitady lalambe volamena na lapa soa na satroboninahitra. Andriamanitra irery dia hahasambatra ahy sy hahafapo ahy. Tsy mila olona ary tsy mila zavatra hafa aho fa Andriamanitra irery ihany". Izany hoe "mety manana rahalahy sy anabavy ary fianakaviana mahafinaritra aho any an-danitra any, kanefa Ianao irery ihany no ho zava-drehetra amiko. 'Ary tsy misy ety ambonin'ny tany iriko tahaka Anao'. Izany hoe "Tsy any an-danitra ihany, fa alohan'ny hahatongavako any an-danitra, mbola eto ambonin'ity tany ity dia tsy misy iriko ankoatra Anao. Tsy mila harena mihoatra noho izay efa nomenao ahy aho. Tena afa-po aho'. Ny toe-panahy araka an'Andriamanitra omban'ny fianinana dia misy tombony lehibe tokoa . Ny tena mpivavaka dia tsy manan-javatra itarainana na inona na inona eto an-tany. Mahafapo azy tanteraka ny toe-javatra rehetra efa nomanin'Andriamanitra ho azy. Mianina amin'ny fianakaviana napetrak'Andriamanitra hanabe azy izy, mianina amin'ny asa fivelomany, mianina amin'izay rehetra ananany. Afa-po tanteraka izy. Tsy maniry na inona na inona afa-tsy Andriamanitra izy. Araka ilay fomba fiteny taloha hoe, raha tonga ny fotoana eo amin'ny fiainanao ka tsy manana afa-tsy Andriamanitra sisa ianao fa efa very avokoa ny zavatra hafa rehetra, dia ho hitanao fa manana amby ampy ianao manana an'Andriamanitra.
Izany no atao hoe mpivavaka marina, rehefa manana toe-po tsy maniry na inona na inona ety ambonin'ny tany afa-tsy Andriamanitra. Raha tsy manana izany toe-po izany ianao, na toy inona na toy inona fihetsemponao rehefa midera sy misaotra an'Andriamanitra ny alahady maraina dia tsy mpivavaka ianao. Azonao lazaina hoe fivavahana sy fiderana izany, kanefa mamita-tena foana ianao, ary faly aminao mihitsy i Satana amin'ny fanaovanao an'izany satria mihevitra ianao fa mivavaka amin'Andriamanitra kanefa tsy izany no izy. Jesosy kosa dia nilaza tao amin'ny Jaona 4:23 fa ny Ray dia mitady olona mivavaka aminy amin'ny fanahy. Ary izany no hetaheta ao anatin'ny Ray.
Mba faniriana mafy hanao izay hahafapo izany hetahetampon'ny Rainao izany ve ianao, ka ho tonga mpivavaka amin'ny fanahy ? Raha izany dia mankanesa ao amin'ny Salamo 73:25ary aza amelana raha tsy tonga vokatry ny fonao ireo teny ireo, ka tsy misy irinao afa-tsy Jesosy Kristy ety ambonin'ny tany. Tsy misy na asa fanompoana aza. Aza mitady fahafaham-po ao amin'ny asa fitoriana na ny fampianarana ataonao na ny fanamboarana trano fiangonana na asa fanompoana, na ao amin'ny volanao na fanananao na inona na inona. "Tompo o, manana Anao aho ary tsy misy iriko afa-tsy Ianao".