WFTW Body: 

Tena mahazendana tokoa ireo teny nataon'i Jesosy tamin'i Marta ao amin'ny Lioka 10:42 manao hoe : « Zavatra iray loha no ilaina !». Misy zavatra tsara maro tokony atao ary misy zavatra maro heverintsika fa tena ilaina. Kanefa amafisin'i Jesosy eto fa ambonin'ny zavatra rehetra dia zavatra anankiray ihany no ilaina. Inona moa izany zavatra iray loha izany ?

Tonga tao Betania Jesosy sy ny mpianany. Raha vao nahita azy ireo i Marta dia faly ery nampiantrano azy, rehefa avy nanome toerana ireo vahiny izy dia lasa haingana nitsoriaka tany an-dakozia mba hikarakara sakafo. Nandritra izany fotoana izany dia nitory teny tamin'ireo olona tao an-trano Jesosy. Rehefa hitan'i Marta fa i Maria rahavaviny dia mba naka toerana hihaino ny toritenin'i Jesosy koa fa tsy nanampy azy, dia nitroatra nivoaka ny lakozia i Marta sady tezitra, ary nitodika tany amin'i Jesosy, nitaraina taminy tahatahaka izao « Tompo ô, jereo aho miasa mafy ao an-dakozia mikarakara sakafo ho anareo rehetra, ary jereo ange ity rahavaviko raha tsy ilaozany mipetraka eto fotsiny tsy manao na inona na inona. Asaivo mitsangana izy manampy ahy ! ». Akory anefa ny hagagan'i Marta, satria izy indray no nahazo tsiny tamin'i Jesosy. Izy fa tsy i Maria, nolazain'i Jesosy taminy fa izy no diso.

Fa mba mariho kely aloha, tsy hoe nisy fahotana nataon'i Marta akory no antony nitenenana azy tahaka izao. Nampandroso an'i Jesosy am-pifaliana tao an-tokantranony izy. Ny raharaha nataony tao an-dakozia dia tsy ho an'ny tenany, fa ho an'i Jesosy sy ny mpianany. Marta dia tandindon'ny mpino ankehitriny, izay nampandroso ny Tompo tao am-pony ary miezaka hanompo ny Tompo sy ny olona hafa fa tsy mitady izay ho an'ny tenany. Kanefa, na dia feno hafanam-po tahaka izany aza Marta dia nahazo tsiny tamin'i Jesosy. Dia manontany tena isika hoe fa inona no nahatonga an'izany ? Inona no tsy nety tamin'ny zavatra nataon'i Marta ? Ary ny valiny, indrindra indrindra, dia ao anatin'ireto teny dimy nataon'i Jesosy ireto : « Zavatra iray loha no ilaina ». Tsy ny fanompoana nataony no nanomezana tsiny an'i Marta fa ny tsy nanaovany ho loha laharana ny laharam-pahamehana.

Nilaza ny Tompo fa i Maria no efa nifidy ny anjara tsara. Inona moa izany ? Nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy fotsiny izy dia nihaino ny teniny. Tsy nanao afa tsy izay izy. Kanefa izay ilay anjara tsara. Izay ilay zavatra iray loha ilaina ambonin'ny zavatra hafa rehetra. Omenao toerana malalaka eo amin'ny fiainanao ve ny fihainoana ? Adiny firy no lanianao ipetrahana eo anilan'ny tongotry ny Tompo : mamaky ny Teniny sy miezaka hihaino izay lazainy aminao amin'ny alalan'ny teniny ? Mety tsy dia betsaka loatra angamba. Maro loatra ny zavatra ahiana sy herehina mandany ny fotoanantsika, noho izany dia manao fahadisoana matetika tahaka an'i Marta isika. Mety tsy ny asa aman-draharaha andavanandro ihany no mandany ny fotoanantsika. Fa mety ho asa fanompoana amin'ny maha-kristiana koa. Mety manana anjara asa ao am-piangonana isika amin'ny fitariham-potoana na amin'ny fiderana sy fiankohofana na amin'ny fijoroana vavolombelona kanefa dia mahazo tsiny avy amin'ny Tompo tahaka an'i Marta isika.

Misy fahamarinana ara-panahy telo farafahakeliny tokony ianarantsika avy tamin'i Maria izay nipetraka teo anilan'ny tongotr'i Jesosy.

1- Ny mipetraka, dia tsy mitovy amin'ny hoe mandeha na mihazakazaka na mijoro koa aza. Ny mipetraka aloha voalohany indrindra dia sary maneho fitsaharana. Mampianatra antsika izany fa tsy maintsy misy fitsaharana ao am-pontsika ary mitsahatra ny saintsika, vao afaka handre an'Andriamanitra miteny amintsika isika. Ny fahotana tsy mbola nifonana dia hanakana ny fitsaharana, ary ny habetsahan'ny zavatra herehina amin'ny fiahiahiana sy ny haren'izao tontolo izao dia tsy hamela anao handre an'Andriamanitra. Raha toa ka manenjika anao ny eritreritrao, na feno tahotra sy ahiahy ny sainao, ahoana moa no anantenanao handre an'Andriamanitra miteny amin'ny « feo mitsoka malemy ». Ny Salamo 46:10 dia milaza fa tsy maintsy mitsahatra isika raha te hahafantatra an'Andriamanitra.

2- Ny mipetraka eo anilan'ny tongotry ny olona anankiray dia sary maneho fanetren-tena. Maria dia tsy nipetraka teo ambony seza hitovy laharana amin'i Jesosy, fa nidina ambany kokoa izy. Andriamanitra dia tsy miresaka amin'ny olona mpirehareha velively, raha tsy efa any amin'ny fitsarana. Fa vonona ny hiteny sy hanome ny fahasoavany kosa Izy amin'ny olona manetry tena tahaka ny zaza madinika eo anatrehany ( Matio 11:25).

3- Ny mipetraka tahaka an'i Maria dia sary maneho fanoavana. Izany no toetra asehon'ny mpianatra rehefa eo anoloan'ny Mpampianatra. Ny fanoavantsika na ny fanekentsika dia miseho amin'ny fankatoavantsika ny Tenin'Andriamanitra. Andriamanitra dia tsy nanome ny Teniny mba hanomezany fahafaham-po ireo izay liana te hahalala zavatra na mba hanomezany fanazavana ho an'ny olona. Ny Teniny dia fanehoany ny fanirian'ny fony. Miteny Andriamanitra mba hahafahantsika mankato Azy. Lazain'i Jesosy mazava tsara ao amin'ny Jaona 7:17 fa rehefa vonona ny hanao ny sitrapon'Andriamanitra ihany isika vao omena antsika ny fahatakarana izany sitrapony izany.

Marobe ny kristiana no mamaky Baiboly mandritra ny volana maro sy taona maro kanefa tsy te handre an'Andriamanitra miteny aminy. Ary toa tsy mampaninona azy akory izany. Manontany anao aho, maheno ny feon'ny Tompo ve ianao isan'andro ? Raha tsia, dia inona no antony ? Miresaka amin'izay mihaino Azy Izy. Koa inona no manentsina ny sofim-panahinao ? Tsy ao ve ilay fitsaharana eo anatrehan'Andriamanitra, tsy ao ve ilay fanahin'ny fanetren-tena, na tsy ao ve ilay fankatoavana izay zavatra nasainy natao. Na angamba ilay faniriana mihitsy no tsy ao ? Na inona na inona mety ho antony tsy nahenoanao ny feony, dia mbola hain'Andriamanitra ny manarina izany amin'izao fotoana izao sy amin'ny ho avy koa. Ataovy ilay vavak'i Samoela hoe « Mitenena Jehovah o, fa mihaino ny mpanomponao ». Sokafy amin'izay ny Baibolinao ary tadiavo fatratra ny tavan'ny Tompo, dia handre ny feony ianao.