WFTW Body: 

Izao no vakiantsika ao amin'ny Jakoba 4:2, tapany farany, "Tsy manana hianareo, satria tsy mangataka". Marobe ny zavatra tian'Andriamanitra omena ny kristiana kanefa tsy voarain'izy ireo izany satria tsy mangataka izy. Amin'ny lafiny ara-panahy no tena marina indrindra izany. Raisintsika ohatra ny Lioka 11:13 hoe "Tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy ?". Raha tsy irintsika ny Fanahy Masina izay manamasina antsika dia tsy hanana fiainana mifanaraka amin'ny fenitr'i Jesosy mihitsy isika. Izany no nahatonga an'i Jesosy nilaza hoe "Mangataha dia homena hianareo" (Matio 7:7).

Nahoana moa Andriamanitra no miandry antsika hangataka Aminy ? Satria tiany isika hankasitraka ny zavatra omeny. Ny zavatra tsy nangatahina kanefa nomen'Andriamanitra dia tsy asian'ny olona lanjany matetika. Ny famelan-keloka, izany no zava-dehibe indrindra amin'ny zavatra rehetra. Tsy tamin'ny fangatahana ve no nahazoanao izany ? Ho nahazo an'izany ve ianao raha tsy nangataka ? Olona anapitrisany maro eto an-tany no tsy voavonjy satria tsy nangataka an'izany. Tsy manetry tena izy ireo mba hiaiky fa mila an'izany.

Inona avy ireo fepetra handraisana ny fitahiana ara-panahy ambony indrindra avy amin'Andriamanitra ? Voalohany indrindra dia tsy maintsy maniry, mangetaheta mafy azy ireny isika. Avy eo dia tsy maintsy mangaka amin'ny finoana. Ny fangatahana dia fanehoana ny faniriantsika hahazo ilay zavatra ary ao amin'ny andininy etsy ambany ao amin'ny Matio 7:11 dia miresaka momba ny finoana i Jesosy. Hoy Jesosy "Koa raha hianareo aza mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy ?".

Raha tsy mangataka ianao dia tsy hahazo. Raha mitady ianao dia hahita. Raha te hahalala ny fahamarinana ianao dia tsy maintsy katsahinao ilay izy. Misy harena miafina maro ao anatin'ny Tenin'Andriamanitra. Ao ireo zavatra ety ivelany izay azon'ny olona rehetra raisina fa ny harena miafina lalina indrindra dia any anatiny ary tsy maintsy tadiavina. Eritrereto ny tany. Marobe ny zavatra sarobidy hita ety ambonin'ny tany tahaka ny manga, ny voanio sy voankazo tsara maro hafa. Saingy raha harena tena lafovidy no tadiavinao, toy ny volamena sy ny diamondra dia tsy maintsy mihady anjatony metatra any ambanin'ny tany ianao. Dia tsy misy hafa amin'izany, misy zavatra sasany hita eo ambonin'ny Baiboly, ohatra hoe ahoana ny famelana ny fahotantsika (satria Kristy maty noho ny fahotantsika). Fa raha te hahita ny fahamarinana lalina indrindra ao amin'ny Soratra Masina ianao, ohatra hoe ahoana no hananana fiainana feno ny Fanahy Masina, ahoana no ahafahana miombon-toetra amin'Andriamanitra, ahoana no handresena ny fahotana rehetra, ahoana no handresena ny hatezerana, ny lolompo, ny tsi-famelankeloka, ny fialonana, ny filàna ara-nofo, dia tsy maintsy mihady lalina ianao. Raha tsy mihady lalina ny olona anankiray dia ho hitan'Andriamanitra fa tsy dia liana loatra izy. "Mangataha, dia homena hianareo, mitadiava amin'ny fonareo rehetra, dia hahita hianareo".

Fampanantenana hitantsika ao amin'ny Jeremia 29:13 izany "Ho hitanareo Aho raha katsahinareo amin'ny fonareo rehetra". Raha misy olona mbola tsy nahita an'Andriamanitra na mbola tsy nahita ny harena ao amin'Andriamanitra dia azoko lazaina tsy am-pihambahambana fa tsy nikatsaka an'Andriamanitra tamin'ny fony manontolo izany olona izany. Tsy tamin'ny fony manontolo no nikatsahany ary tsy misy fampanantenana ho an'ny olona mikatsaka amin'ny antsasaky ny fony ao amin'ny Soratra Masina. Tsy misy fampanantenana koa ao ho an'ny olona mikatsaka amin'ny telo ampahefatry ny fony fa fampanantenana miezinezina kosa ho an'izay mikatsaka amin'ny fony iray tsy mivaky. Mety efa akaiky dia akaiky ianao, mety nanolo-tena 90 isan-jato ho an'Andriamanitra ianao nefa tsy mahazo mihoatra noho izay azon'ny olona nanolo-tena 10 isan-jato. Fa rehefa zato isan-jato kosa no fanoloran-tenanao ho an'Andriamanitra dia azonao ny zavatra rehetra. Raha manolo-tena 90 isan-jato ianao dia mitovy sokajy amin'ireo manolo-tena 10 isan-jato ihany. Izany no tsy takatry ny kristiana. Tadiavinao amin'ny 10 isan-jaton'ny fonao Andriamanitra dia tsy hahita Azy ianao. Tadiavo amin'ny 90 isan-jaton'ny fonao izy dia tsy hahita Azy ianao. Tadiavo amin'ny fonao rehetra Andriamanitra dia ho hitanao Izy.

"Mitadiava dia hahita hianareo, dondony dia hovohana hianareo". Fampanantenana ireo ary tsy mivadika amin'ny fampanantenany mandrakizay Andriamanitra. "Izay rehetra mangataka no mahazo". Koa nahoana ianao no tsy nahazo ? Mazava ho azy fa tsy tamin'ny fomba nankasitrahan'Andriamanitra no nangatahanao. "Izay rehetra mitady dia hahita". Angamba tsy tamin'ny fomba nankasitrahan'Andriamanitra no nitadiavanao. "Hovohana izay rehetra mandondona". Angamba tsy ampy ny fandondonanao.

Misy zavatra anapitrisany maro tsy voarain'ny kristiana noho izy ireo tsy mangataka amin'Andriamanitra. Tadidio ity teny kely tapany farany ao amin'ny Jakoba 4:2 ity, "Misy zavatra tian'Andriamanitra omena anao kanefa tsy voarainao satria tsy mangataka ianao".