WFTW Body: 

Mora lavitra ny mahalala Baiboly noho ny mahalala an'Andriamanitra satria tsy vidianao lafo ny fahalalanao Baiboly. Tsy misy zavatra ataonao afa-tsy mandalina fotsiny.

Mety olona ratsy fitondran-tena ianao ary mety olona maloto eritreritra kanefa mbola mahay Baiboly tsara ihany. Mety mpitory fanta-daza na mety olona tia vola be koa. Kanefa tsy misy olona sady mahafantatra an'Andriamanitra no ratsy fitondran-tena. Tsy misy olona sady mahafantatra an'Andriamanitra no tia vola. Sanatria izany. Ary izany no mahatonga ny mpitory maro handeha amin'ny lalana mora aleha any amin'ny fahalalana Baiboly fa tsy any amin'ny fahalalana an'Andriamanitra.

Te hanontany anareo aho ry rahalahy : moa ve mahafapo anao ny fahalalana fotsiny ny Baiboly sa mba misy hanoanana izaitsizy te-hahafantatra ny Tompo ao am-ponao ? Lazain'ny Apôstôly Paoly ao amin'ny Filipiana 3:8-10 fa ny faniriany lehibe indrindra dia ny hahafantatra ny Tompo bebe kokoa. Nataony taimboraka avokoa ny zavatra rehetra rehefa nohariny tamin'ny fahalalana ny Tompo. Nafoin'i Paoly avokoa ny vatosoany rehetra hividianany izany vatosoa sarobidy izany. Ny sekren'ny asa fanompoan'i Paoly dia tsy tao amin'ireo taona maro nolaniany tamin'ny fianarana Baiboly tao amin'ny semineran'i Gamaliela, fa tao amin'ny fahafantarany manokana ny Tompo .

"Ary izao no fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra manokana an'Andriamanitra sy Jesosy Kristy" (Jaona 17:3).

Angamba hatramin'izay ny namaritantsika ny atao hoe fiainana mandrakizay dia miaina mandrakizay any an-danitra. Kanefa tsy izanyno namaritan'i Jesosy azy. T sy misy ifandraisany amin'ny fandehanana any an-danitra na fialàna amin'ny helo ny fiainana mandrakizay. Ny fiainana mandrakizay dia mifandraika amin'ny fahafantarana ny Tompo. Ny firehetam-poko sy ny vesatra ato anatiko dia ny hahafantatra akaiky sy manokana an'Andriamanitra. Fantatro fa ny asa fanompoako dia hombàn'ny fahefana avy any an-danitra raha mahafantatra manokana an'Andriamanitra aho. Ary noho izany dia niezahako hatrany ny nitarika ny olona ho any amin'ny fahalalana an'Andriamanitra Izy Tenany mihitsy tany amin'ny fiangonanay rehetra.

Teo amin'ny tantara dia tsy mbola lehibe dia lehibe tahaka ny amin'izao androntsika izao ny fahalalana Baiboly. Nandritra ny 1500 taona teo taorian'ny andro Pentekosta dia tsy nisy Baiboly voatonta printy na taiza na taiza. Vao roanjato taona monja izay no nisian'ny Baiboly azon'ny rehetra vakiana. Ankehitriny dia manana dikan-teny maro sy kônkôrdansa maro ary fanampim-panazavana maro isika.

Kanefa mino ve ianao fa izany fitomboan'ny fahalalana Baiboly izany dia niteraka kristiana masina kokoa ? Tsia. Raha ny fahaizana Baiboly no miteraka fahamasinana dia amin'izao androntsika izao no misy ny olo-masina lehibe indrindra eo amin'ny tantara. Kanefa tsy misy izany. Na i Satana aza dia ho efa masina raha ny fahaizana Baiboly no niteraka fahamasinana, satria tsy misy mahay tsara ny Baiboly ohatra an'i Satana.

Ankehitriny dia misy ireo seminera maro izay ampianarana ny Baiboly amin'ny mpianatra anarivony maro. Kanefa moa ve any amin'ireny seminera ireny no ahitana ny olo-masina lehibe indrindra eto an-tany ? Tsia. Ny ankamaroan'ireo nivoaka avy tany amin'ireny seminera ireny aza no ratsy kokoa noho ny tsy mpino.

Taona vitsy lasa izay ny tenako dia nifanena tamin'ny olona nahazo ny laharana voalohany tamin'ireo mpiadina navoakan'ny seminera evanjelika ambony taty Inde. Nolazainy tamiko fa telo taona taorian'ny nidirany tao amin'ny seminera dia ratsy kokoa ny fiainam-panahiny noho ny tamin'ny vao nanombohany ny seminera. Fa inona moa izany no tena nampianarin'ny seminera azy ? Nampianarina azy ny mombamombany Baiboly sy ny mombamombany fivavahana kristiana. Na i Satana aza dia ho nahazo ny laharana voalohany raha nanala fanadinana tao amin'izany seminera izany.

Ataon'io tovolahy io inona moa ny fianarana ireo fitsipika maro hanazavana ny Soratra Masina (herméneutique), sy ny fianarana mamakafaka ny tena hevitry ny teny (haute critique), ary ny hoe inona no dikan'ny teny grika nakana ireto teny ireto, raha toa izy ka tsy maharesy akory ny fahatezerana sy ny lolompo sy ny eritreritra mamoafady ary ny fitiavam-bola ? Tsy ho ela dia ho lasa pastera any amin'ny fiangonana anankiray izy satria nahazo io mari-pahaizana io. Kanefa inona no hampianariny ny mpiangony any, izay manana olana ara-pitondran-tena lehibe kokoa noho ny olana ara-teolojia ? Tsy afaka hanampy an'ireo olona ireo velively izy, any amin'ireo sehatra eo ambony ireo.Izany no efa mandrava ny asan'Andriamanitra eto Inde.

Raha tsy ianao mihitsy aloha no mahafantatra an'Andriamanitra, tsy afaka hitondra ny ondry hahafantatra an'Andriamanitra ianao. Raha maharesy ny fahotana ianao eo amin'ny fiainanao manokana dia ho vitanao ny hitondra ny ondrinao haharesy fahotana koa. Amin'izay izy ireo dia ho voaomana hivoaka sy hanompo ny Tompo ka hombàn'ny fahefana sy ny hery.

Heverinao fa taitaitra amin'izay fahaizan'ny olona Baiboly na izay mari-pahaizana ve ny devoly ? Tsia tompoko. Lehilahy sy vehivavy masina sy manetry tena ary mahafantatra an'Andriamanitra ihany no atahoran'i Satana.