WFTW Body: 

Manana asa fanompoana ho anao amin'ny andro ho avy Andriamanitra, koa miomàna ho amin'izany ianao, manetre tena mandrakariva, aza manamarin-tena mihitsy na amin'ny inona na amin'ny inona. Mitalahoa foana amin'Andriamanitra, ary mankahalà izay zavatra novolena rehetra eo amin'ny fiainanao.

Ny toetsaina Fariseo sy ny fireharehana ara-panahy dia tsy mba lavitra fa akaiky dia akaikin'ny olona rehetra izay mikatsaka ny fahamarinana. Noho izany dia tsy anjaran'ny fikambanana tahaka izao na tahaka izao ihany ireo faharatsiana anankiroa kambana ireo. Tsy misy lavitra an'ireo faharatsiana roa ireo isika na iza izy na iza. Izaho manokana dia mahita fa mora amintsika ny mahatsikaritra ireo faharatsiana ireo eny amin'ny hafa, fa tena sarotra be ho antsika ny mahita an'izy ireo eo amintsika. Mora mirona amin'ireo zavatra novolena ireo ny tanora mpanaraka fombafombam-pivavahana ary dia mamono ny fiainam-panahiny izany.

Ataovy mihitsy izay hahatonga anao ho maty "tanteraka" amin'ny ota any amin'ireo sehatra rehetra izay itolomanao. Tsy tokony ho faly amin'ny fandresena kely ivelany fotsiny ianao. Ny faniriana rehetra dia mitovy amin'ny tongolo avokoa. Maro sosona be ao ambanin'iny ivelany hitan'ny masonao iny. Raha tsy esorinao tanteraka izay hitan'ny masonao dia tsy ho tonga any amin'ny sosona ao ambanin'iny ianao.

Ny fanamasinana dia zavatra atao mandritra ny androm-piainana manontolo mba hitoviana amin'i Jesosy. Ohatra, ny fomba fijerinao tovovavy dia ataovy mitovy amin'ny fijeren'i Jesosy tovovavy, ny fomba fijerinao ny vola aman-karena dia ataovy mitovy amin'ny fijerin'i Jesosy azy ireny, ny fomba fijerinao ny fahavalonao dia ataovy mitovy amin'ny fijerin'i Jesosy ny fahavalony sy ny sisa. Izany tanjona izany dia mila androm-piainana iray manontolo vao tratra. Kanefa tsy maintsy ataontsika izay hirosoana mankany amin'izany. Izany no dikan'ny andinin-tSoratra Masina tahaka ny hoe " Aoka handroso ho amin'ny tanteraka isika" (Hebreo 6:1), sy ilay hoe " Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy " (1 Jaona 3:3), ary ilay hoe " Manadino izay zavatra ao aoriana, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony ao amin'i Kristy Jesosy " (Filipiana 3:13,14). Raha milavo lefona ianao ao anatin'izany ady izany dia hahazo vahana be ny fahavalo. Etsy an-daniny kosa, raha " miaritra amin'ny nofo" (mamono ny sitrapon'ny nofo) ao amin'ny mangingina ianao, dia tsy hanota intsony, araka izay voalaza ao amin'ny 1 Petera 4:1,2.

Aza mihevitra mihitsy ianao fa ny fakam-panahy mahazo anao dia tsy mba mpahazo ny hafa. Aza avelanao hamitaka anao amin'izany lainga izany ny devoly, satria hahakivy anao izany.

Izao no voalazan'ny 1 Korintiana 10:13 " Ny fakam-panahy rehetra mahazo anareo dia izay efa mpahazo ny olombelona rehetra, nefa hihazona ny teny fikasany Andriamanitra ary tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay azon'ny herinareo resena Izy ; fa rehefa azon'ny fakam-panahy ianareo, dia homen'Andriamanitra hery (fahasoavana) mba handresenareo ary izany no hanampy anareo tsy ho lavo. Tsy misy fakam-panahy izay tsy azo toherina" (Baiboly Good News sy Living).

Amin'ny ankapobeny, ny olombelona rehetra dia alaim-panahy amin'ny fomba mitovy avokoa, izany hoe alaim-panahy hanao ny sitrapon'ny tenany. Ny fahotana dia faribolana anankiray lehibe ary misy fizarazarana maro ao anatiny. Kanefa ny fakam-panahy TSIRAIRAY dia saika mitovy avokoa, izany hoe fanaovana ny sitrapon'ny tena avokoa fa tsy ny sitrapon'Andriamanitra, na amin'ny fitenenana lainga izany na amin'ny fetezana ho tezitra na amin'ny fankahalana olona na fimenomenomana na fijangajangana, na fahotana hafa na inona na inona. Jesosy koa dia nalaim-panahy hanao ny sitrapon'ny tenany. Kanefa notoheriny izany fakam-panahy izany tamin'ny nitalahoany tamin'Andriamanitra hamonjy Azy (Hebreo 5:7) ary noho izany dia tsy mba nanota mihitsy Izy ( Jaona 6:38). Isika rehetra dia afaka manaraka ny fianarana navelan'i Jesosy.

Koa aza mijery ireo karazam-pahotana samy hafa ho toy ny zavatra tsy misy ifandraisany noho izany dia tsy mifampiankina. Misy olona sasany mora azon'ny fakam-panahy ao amin'ny sehatra anankiray ary ny olona sasany ao amin'ny sehatra anankiray hafa. Kanefa ao amin'ny trangan-javatra rehetra, ny atao hoe manota dia manao ny sitrapon'ny tena. Mangataha fanampiana amin'Andriamanitra dia hamonjy anao ny Fanahy Masina hamonoanao ny nofo (ny sitrapon'ny nofo) (Jereo Rom. 8:13 sy Gal. 5:24).

Ny firaiketam-po mafy amin'i Jesosy no hanampy anao haharesy sy hitahiry anao eo amin'ny lalana marina amin'ny fotoana rehetra. Amin'ny fotoana rehetra dia tokony hahavita miteny ianao hoe " Tsy misy (ary tsy misy olona) ety ambonin'ny tany iriko tahaka Anao " (Sal. 73:25). Ny fitiavana an'i Jesosy dia manana hery handroaka ireo fitiavana (sy ireo filàna) hafa ao am-ponao. Izao no tokony holazainao "Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah (mba hatahotra ny hanota aho, tahaka izay nolazain'i Josefa) ; ary eo ankavanako mandrakariva Izy, (mba hanome ahy fahasoavana tsy hanotako)" (Sal. 16:8). Izany no tsiambaratelon'ny hoe miaina amin'ny fandresena lalandava.