WFTW Body: 

"Ary ny androm-piainanay, mihelina faingana izany ka lasa manidina izahay. Mampianara anay hanisa ny andronay hahazoanay fo hendry" (Salamo 90: 2, 4, 10, 12)

Manakaiky ny faran'ny taona anankiray eo amin'ny alimanaka isika izao. Tsara araraotina izany mba hampahatsiahivana antsika amin'ny alalan'io Salamo io fa fohy ny androntsika eto an-tany, koa sarobidy ny fotoana kely tsirairay eo amin'ny fiainana.

Eo am-pieritreretanao ny lalan-ko diavina amin'io taona voavao io dia ireto misy lalàn'ny fifamoivoizana tsotra EFATRA tokony harahinao :

  1. Aza mihetsika rehefa mena ny jiro

Mitady hirafarafa foana isika amin'ny fiainana satria heverintsika fa maitso foana ny jirontsika. Ny tokony atao anefa, isak'izay tonga eo amin'ny sampanan-dalana tsy maintsy andraisana fanapahan-kevitra dia mijanona eo sy manaiky an'Andriamanitra. Raha angatahintsika Aminy izay lalana tokony haleha dia hanome toromarika antsika Izy (Vakio Isaia 30:21 ), ary handamina ny lalana eo alohantsika (Ohabolana 3:6). Etsy an-danin'izany, raha tsy mahandry an'Andriamanitra hamadika ny jiro ho maitso isika dia hiharan-doza.

  1. Aza mijanona rehefa maitso ny jiro

Isak'izay misy ahafahantsika mandà ny tenantsika sy mitondra ny hazo fijaliantsika ary manara-dia an'i Jesosy dia jiro maitso tsy maintsy irosoantsika haingana dia hainganaizay. Isak'izay misy toe-javatra ahafahantsika mamitrana ny fihavanantsika amin'ny olona dia jiro maitso tsy maintsy irosoantsikahaingana dia hainganaizay (Romana 12:18). Anisan'ny porofo fa efa olom-baovao ao amin'i Kristy isika dia rehefa tonga "mpampihavana" (2Korintiana 5:17-20). Rehefa misy fotoana azontsika araraotina hifonana amin'ny hafa na hanarenana ny tsy nety natao kanefa ahemotsika izany noho ny fireharehana na noho ny fanamarinan-tena, na noho ny fanomezan-tsiny ny hafa, izany dia mitovy amin'ny hoe tsy mandroso isika nefa maitso ny jiro. Isika indray no hanakana ny fifamoivoizana sy mety hampisy loza. Ny tokony ataontsika dia mailaka miroso amin'ny jiro maitso mba ho tonga mpampihavana (Matio 5:9).

  1. Aza mivoaka ny arabe

Eny amin'ny diantsika miaraka amin'Andriamanitra dia ataon'ny devoly foana izay ivoahantsika ny arabe. Eny amoron'ny arabe eny dia misy voninkazo sy hazo maniry maro (ny hevitry ny olona) izay mety mahavariana antsika. Raha avelantsika hampivily ny saintsika ny fitadiavana sitraka aman'olona, na ny tahotra vavan'olona(Galatiana 1:10) dia vetivety foana dia hivoaka ny arabe ny fiarantsika ka hivadika ny hiafarany. Dadanay dia nilaza tamiko foana hoe "Manana safidy ianao na hampiaiky volana ny olona na hitahyny olona. Fidio foana ny hitahy ny olona". Raha te-hampiaiky volana ny olona ianao dia mila manana talenta, ary vao mainka tsara raha mihamitombo ny anao. Fa raha tena te hanampy ny olona kosa ianao dia mila ny herin'ny Fanahy Masina ary vao mainka tsara raha mihamihena ny anao (Jaona 3:30) !

  1. Hajao ny lalana voasoritra ho anao

Mampalahelo fa ny ankamaroan'ny olona dia za-dratsy tsy manaja ny anjara lalana voasoritra ho azy, ary miteraka loza izany matetika. Ao amin'ny fiainantsika kristiana koa dia misy lalana voasoritr'Andriamanitra mba ho fiarovana antsika. Ny hoe manaja ny anjara lalan'ny tena dia midika hoe mihevitra mandrakariva ny raharahan'ny tena (1 Tesaloniana 4:11-12) ary tsy miditra amin'ny raharahan'olona mihitsy (2Tesaloniana 3:11;1Petera 4;15). Rehefa miditra amin'ny raharaha tsy tokony idirantsika isika dia tahaka ny mangalatra any amin'ny anjara lalan'ny hafa. Mety hanimba ny fiainantsika sy ny fiainan'ny olona manodidina antsika izany.

Ary farany : Aoka isika tsy handeha mora kely ka hampaharitra ela ny dia. Fa aoka hafainganintsika mafy ny dia hahazoantsika ny lokan'ny lanitra (1Korintiana 9:24)!

Mirary taombaovao feno fitahiana tokoa ho anareo rehetra, ho henika ny harem-pahasoavan'Andriamanitra tsara indrindra isan'andro.