WFTW Body: 

Ao amin'ny Matio 18:21-30 no iresahan'i Jesosy ny amin'ny hoe fahitana fitsaharana sy fitondrana enta-mavesatra. Raha adika tsotra ny teny nolazain'i Jesosy tao dia izao, asain'i Jesosy mahita fitsaharana isika amin'ireo enta-mavesatra rehetra entintsika ety antany ary asainy mitondra ny entany (ny ziogany) ao am-pontsika. Tsy mahavita mitondra ny entan'ny Tompo isika raha tsy omentsika Azyavokoa aloha ny entantsika rehetra ety an-tany ("Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, Ary Izy no hanohana anao" - Salamo 55:22. " Dia aza manahy ny amin'izay hohaninao na izay hotafinao. Raha misy zavatra tokony hahianao, dia aoka ny momba ny fanjakan'Andriamanitra sy ny Fahamarinany " - Matio 6:31,33 dika malalaka).

Raha feno ahiahy sy tebiteby mikasika ny raharaha miseho ety an-tany ny fonao dia tsy hahomby ianao amin'ny fanaovana ny asan'ny Tompo. Marina fa tsy maintsy mieritreritra ny asa aman-draharaha ety an-tany ianao, kanefa aza manahy ny amin'ireny mihitsy. Ireo zavatra manana ny lanjany mandrakizay ihany no tokony heverin'ny fontsika. Izany no maha samy hafa antsika amin'ny olona hafa eto an-tany. Na ny valin'ireo fanadinana nataonao tety an-tany aza dia tsy hanana ny lanjany mandrakizay. Mazava ho azy fa tsy maintsy manao izay fara herinao ianao. Kanefa tsy tokony hanana ahiahy ny amin'ny vokatry ny valim-panadinana ianao.

Raha ataonao izay hahazoana naoty 20/20 amin'ny fikatsahana ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany, dia ianao no ho tonga laharana voalohany any amin'ny mandrakizay. Izany no safidy nataoko taona maro lasa izay.

Izao no voalaza ao amin'ny Zefania 3:17 raha adika malalaka, " Andriamanitra, amin'ny fitiavany, dia mikasa mangina ho anao" ao anatin'ny zava-mitranga rehetra. Ary mampahatsiahy antsika koa ny Tompo hoe "Izay ataoko dia tsy fantatrao ankehitriny, fa ho fantatrao rahatrizay " (Jaona 13:7).

Farany, mamelà ahy hampahery anareo indray (araka ny ampaherezako ny olona hatraiza hatraiza) miezaha hanana fanetren-tena ary alaviro ny fizahozahoana. Ny dikan'izany akory dia tsy hoe fanambaniana ny tena, na fanaovana tsinontsinona ny hasarobidin'ny maha zanak'Andriamanitra anao, na fanaovana tsinontsinona ny fanomezam-pahasoavana sy ny fahaizana nomen'Andriamanitra anao. Zanak'Andriamanitra ianao, noho izany dia tsy tokony hisy fanambanian-tena ao anatinao. Nefa kosa raha miaiky ianao fa tsinontsinona eo anatrehan'Andriamanitra dia ho tonga zavatra rehetra eo amin'ny fiainanao Andriamanitra. Ary ireo olona mahafantatra anao dia tsy maintsy mankalaza an'Andriamanitra noho ny zavatra hitan'izy ireny eo aminao. Tafiditra ao anatin'izany ny fahafoizanao ny safidimponao mba tsy hanaovanao afa-tsy ny sitrapon'Andriamanitra irery ihany. Izany hoe manome voninahitra lalandava an'Andriamanitra noho ny zavatra rehetra nomeny anao ary vonona ny hampiasa izay rehetra natolony anao mba ho an'ny voninahiny irery ihany.

Aza manao tsinontsinona olona na mihomehy olona na oviana na oviana mihitsy, na inona na inona mety ho tsinin'ilay olona na mety ho kilemany. Fahasoavana mitafotafo no omen'Andriamanitra ho an'izay manetry tena, ary hihoampampana ny fandrosoana ara-panahy ho azon'izy ireo. Enga anie ianao handeha amin'ny fanetren-tena, tahaka an'i Jesosy, amin'ny androm-piainanao rehetra.