WFTW Body: 

MANDÀ NY HERIN'NY FO SY SAINA (ÂME)

Rehefa malemy isika, izay vao tena matanjaka (2Korintiana 12:10).

Abrahama dia niteraka an'i Isimaela tamin'ny herin'ny tanjany voajanahary, kanefa tsy neken'Andriamanitra Isimaela, ary nasain'Andriamanitra noroahin'i Abrahama izy (Genesisy 17:18-21; 21:10-14). Rehefa eo amin'ny fitsaran'i Kristy ka atolotsika ireo ezaka tsara isan-karazany natao tamin'ny fahaizan'olombelona fa tsy niankinana tamin'Andriamanitra, dia holazaina amintsika koa fa tsy azo ekena ireny rehetra ireny. Ho tonga lavenona avokoa ireny hazo sy bozaka sy mololo ireny.

Izay natao "tamin'ny alalan'Andriamanitra" ihany sisa no ho tavela.

Rehefa tsy tomombana intsony i Abrahama, izany hoe rehefa tsy afaka nanan-janaka tamin'ny fomba voajanahary intsony ny vatany, izay vao teraka Isaka, tamin'ny alalan'ny herin'Andriamanitra, ary io zanany io dia nankasitrahan'Andriamanitra.

Amin'Andriamanitra, ny Isaka anankiray dia sarobidy noho ny Isimaela arivo. Ny volamena iray grama dia sarobidy noho ny hazo iray kilao, rehefa avy nozahana toetra tamin'ny afo. Ny zavatra kely atao amin'ny herin'ny Fanahy Masina dia sarobidy lavitra noho ny zavatra betsaka atao amin'ny herin'ny tena.

Ireny asa tsara sy ezaka nataontsika tamin'ny fanompoana ny Tompo ireny dia lamba mihosin-drà foana na talohan'ny fiovam-pontsika izany na taoriana. Fa ny fahamarinana vokatry ny finoana kosa, sy ny asa fanompoana natao tamin'ny fiankinan-doha tamin'ny Fanahy Masina dia ho tonga akanjo fitondra amin'ny fampakaram-bady amin'ny fampakaram-badin'ny Zanak'ondry (Apokalipsy 19:8). Endre izany fahasamihafana lehibe, dia ny lamba mihosin-drà sy ny akanjo soa fitondra amin'ny fampakaram-bady ! Izany dia miankina amin'ny hoe mivelona amin'ny herin'ny tenantsika ve isika sa mivelona amin'ny herin'Andriamanitra.

Jesosy dia niantehitra tamin'ny herin'ny Fanahy Masina koa tamin'ny fanaovany ny asa fanompoany. Tsy sahy niditra teo amin'ny asa fitoriana mihitsy Izy raha tsy efa nohosoran'ny Fanahy Masina aloha. Nandritra ny telopolo taona dia efa nivelona tamin'ny fahamasinana tanteraka tamin'ny alalan'ny herin'ny Fanahy Masina Izy, koa afaka nanamarina Azy ny Ray hoe "Ity ny Zanako malalako izay sitrako" (Matio 3:17). Na izany aza anefa dia mbola nila ny fanosoran'ny Fanahy Masina ihany Izy tamin'ny asa fanompoany. Koa nivavaka Izy mba hahazo hosotra, ary dia azony izany (Lioka 3:21). Ary satria tia ny fahamarinana Jesosy ary nankahala ny heloka mihoatra noho ny olombelona rehetra niaina tety ambonin'ny tany, dia nahazo hosotra be lavitra mihoatra noho ny an'ny olona rehetra Izy (Hebreo 1:9). Vokatr'izany, ireo olona voababon'i Satana dia nafahana tamin'ny alalan'ny asa fanompoan'i Jesosy. Izany no tanjona avo indrindra sy fisehoana voalohan'ny hosotry ny Fanahy Masina (Jereo Lioka 4:18 & Asa 10:38).

Tsy amin'ny alalan'ny talenta sy ny fahaizan'ny olombelona no anaovana ny asan'Andriamanitra. Ny olona manan-talenta voajanahary, rehefa miova fo, dia matetika no mihevitra fa afaka mampiasa ny herin'ny sainy ary ny herin'ny fihetsempony izy hitaomany olona ho an'Andriamanitra.

Ny kristiana maro aza dia diso ka mihevitra fa ny fahaizany mandahateny sy ny fananany lojika ary ny fahaizany manazava zavatra dia herin'ny Fanahy Masina. Kanefa dia herin'ny fo sy saina ihany ireny, ary sakana amin'ny fanompoany an'Andriamanitra raha ireny no ianteherany. Ny asa atao amin'ny alalan'ny herin'ny sain'olombelona dia tsy haharitra mandrakizay mihitsy. Tsy maintsy ho levona izany, na eto na any amin'ny fitsaran'i Kristy.

Tsy niantehitra tamin'ny herin'ny fahaiza-miteny na ny herin'ny fihetsempony Jesosy mba hitaomany olona hanatona an'Andriamanitra. Fantatr'i Jesosy fa ny asa atao amin'izany herin'ny sain'olombelona izany dia tsy hahakasika afa-tsy ny sain'ny mpihaino fotsiny fa tsy hanampy azy ireo ara-panahy mihitsy. Noho izany antony izany koa dia tsy nampiasa mozika nampifalifaly fo Jesosy mba hitarihana olona ho any amin'Andriamanitra.

Tsy nanararaotra ny fihetsem-pon'ireo mpihaino Azy Jesosy na nampangitakitaka mafy ny fon'ny olona ka hahatonga azy ireo hanolotena ho an'Andriamanitra. Raha ny marina dia tsy mampiasa ny fomba ara-tsaina sy ara-nofo mahazatra ataon'ireo evanjelistra sy mpitoriteny amin'izao andro izao Izy. Tsy mampiasa firehetam-po sy hafanam-po Izy mba handresy lahatra ny olona. Izany dia fomban'ny mpanao politika sy ny mpivarotra, ary Jesosy tsy mba anisan'ireo.

Amin'ny maha-mpanompon'i Jehovah Azy dia niankin-doha tanteraka tamin'ny Fanahy Masina i Jesosy tamin'ny asa rehetra nataony. Ny vokatr'izany dia tafiditra lalina tao amin'Andriamanitra ny fiainan'ireo olona nanara-dia Azy.

Jesosy dia tsy nampiasa ny herin'ny sainy handrebirebena ny olona mba hitovy fomba fisainana aminy. Tsy nanery ny olona hanaiky Azy mihitsy Izy. Nomeny fahafahana lalandava ny olona handà Azy, raha izay no safidiny. Ny mpitondra fivavahana kristiana ara-nofo dia manjaka amin'ny ondriny sy amin'ireo mpiara-miasa aminy amin'ny herin'ny fahatanjahan-tsainy. Manaiky lembenan'ny mpitondra tahaka ireny ny olona ary mivavaka aminy sy mankato izay teny rehetra lazainy.

Vahoaka marobe no mety mirohotra manodidina ireny mpitondra fivavahana ireny, ary mety miray saina avokoa izy rehetra kanefa dia firaisam-po amin'ilay mpitondra fotsiny izany. Mety mamita-tena mihitsy aza ny mpitondra tahaka ireny ka mihevitra fa manana ny herin'ny Fanahy Masina izy satria tsy hainy ny manavaka ny aina sy ny fanahy. Ho voafitaka koa ny olona mpanara-dia azy. Kanefa ny fahazavana eo amin'ny fitsaran'i Kristy dia haneho miharihary fa herin'olombelona avokoa izany rehetra izany ary efa nanakantsakana ny asan'Andriamanitra.

Tsy mba mpitondra fivavahana tahaka izany i Jesosy. Ary tsy tokony ho tahaka izany koa isika kristiana. Tokony hatahotra hampiasa ny herin-tsaintsika isika satria fandikana ny didin'Andriamanitra ho an'ny olombelona izany ary ho tonga fanakantsakanana ny fanompoana an'Andriamanitra fotsiny.

Ny asa ara-panahy tokoa dia tsy ho vita amin'ny herin'ny sain'olombelona velively, fa amin'ny herin'ny Fanahy Masina ihany. Fantatr'i Jesosy izany. Noho izany dia novonoiny mandrakariva ny herin'ny sainy. Tamin'izany no nahavitany asa lalina sy mitoetra tao tamin'ireo mpanara-dia Azy tao anatin'ny fotoana fohy.